Dans la mme rubrique

Vaky fasana teto Antananarivo Mpangalatra taolam-paty 8 voasambotra

13/06/2019

Nandritra ny fanadihadian’ny zandary tamin’ireo mpamaky fasana tany Ambohibary Manjakandriana no nahalalana fa izy ireo no namaky ny fasana maro manodidina an'Antananarivo sy Manjakandrina, Andriampamaky, Talatavolonondry,

Vaky fasana teto Antananarivo Mpangalatra taolam-paty 8 voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Raharaha kidnapping Miarinarivo Nisandoka ho zanaka tany amin’ny sisiny ilay mpaka an-keriny

13/06/2019

Nisoloky ho zanak’ilay raim-pianakaviana ivelan’ny tokantrano ilay mpaka takalon’aina zaza kely tao Soavinandriana.

Raharaha kidnapping Miarinarivo Nisandoka ho zanaka tany amin’ny sisiny ilay mpaka an-keriny

Hamaky ny tohiny...

Halatra misesy tao Taolagnaro Mpanao varo-maizina lavanila 13 no tra-tehaky ny zandary

13/06/2019

Ny zoma 7 jona 2019, tamin'ny 10ora sy sasany alina dia nisy lavanila milanja 32 kg tsy ara-dalàna tratran'ireo zandary tany amin'ny faritra Anosy, distrika Faradofay tao Ebakika, fokontany Esohihy kaominina Taolagnaro.

Halatra misesy tao Taolagnaro Mpanao varo-maizina lavanila 13 no tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Zaza very hita faty Ny fanaovana “Autopsie” no hanampy amin’ny fanadihadiana

12/06/2019

Ny alatsinainy maraina sahabo tamin’ny 9 ora no hita faty ilay zaza very tamin’ny talata heriny.

Zaza very hita faty Ny fanaovana “Autopsie” no hanampy amin’ny fanadihadiana

Hamaky ny tohiny...

Tatitry ny loza pentekosta Olona 3 maty, 2 zazarano ary 205 nandalo vonjy aina

12/06/2019

Telo no maty nandritra ny fetin’ny pentekosta raha ny tatitry ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka, ny CPP Albert Estel Ainanirina, omaly antoandro.

Tatitry ny loza pentekosta Olona 3 maty, 2 zazarano ary 205 nandalo vonjy aina

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Tra-tehaka ireo jiolahy mpandroba tranombarotra

12/06/2019

Ny harivan’ny alarobia 5 jona teo, voasambotra ny olona dimy lahy anisan’ny mpanao asa ratsy.

Toamasina Tra-tehaka ireo jiolahy mpandroba tranombarotra

Hamaky ny tohiny...

Telolahy hita faty tao Ampitatafika Miaramila 27 nadoboka eny Tsiafahy

11/06/2019

Naiditra am-ponja avokoa ireo miaramila 27 fa tsy araka ny feo nandeha raha ny fanamafisana avy amin’ny mpitandro filaminana. “27 fa tsy folo izany no naiditra eny Tsiafahy.

Telolahy hita faty tao Ampitatafika Miaramila 27 nadoboka eny Tsiafahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fitaovana nomen’ny FAO Lasibatra ny trafika

10/05/2019

Manodidina ny 195.510.000 ariary fitaovan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny sakafo na FAO saika hanomezana rano ny any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy no tratra nisy nanao trafika.

 

 

 

 

 Môtera fitrohana rano 105, fantsona 205 no saika hamidin’ny raim-pianakaviana iray. Ny talata 7 mey teo  tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro, rehefa nahazo angom-baovao marim-pototra ny polisy dia nidina teny Antohomadinika ka nahatratra “moto-pompe” marobe marika « ingico » tsy misy taratasy ary tsy fanta-pototra namidina lehilahy iray, 41 taona. Araka ny vaovao ofisialin’ny polisim-pirenena, rehefa nofotorana ity farany dia nilaza fa entana nangalarina teny Itaosy ireo ary rehefa natao ny fisavana ny tranony teo Antohomadinika dia mbola tratra tao ny  môtera fitrohana rano “moto-pompe” 105 marika « ingico, miota ary number one », 101 ny isan’ny fantsona  fitrohana na « tuyaux aspirateur »mitovy marika amin’ireo moto-pompe koa, 104 kosa ny « tuyaux de refoulement » na fantsona famoahana.Rehefa fantatra ny tompon’ny entana dia nanambara fa entana tafiditra ao anatin’ny  tsena na « marché » an’ny FAO saika halefa any Ambovombe sy Taolagnaro ary Amboasary no tsy tody tany an-toerana ireo entana ireo. Mitentina 195.510.000 ariary ny vidiny ary efa voaverina tamin’ny tompony amin’izao fotoana. Tsy mbola tratra hatreto ny tompon’antoka tamin’ity  halatra ity fa mbola mitohy ny famotorana.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana