Dans la męme rubrique

Fanendrena ny Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Efa any am-pelatanan’ny filoha ireo anarana 3

14/06/2019

Efa nalefa any amin’ny filoham-pirenena ny 2 jona lasa teo ny anaran’ireo olona 3 hisafidianany ka tendrena ho tale jeneralin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco)

Fanendrena ny Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Efa any am-pelatanan’ny filoha ireo anarana 3

Hamaky ny tohiny...

Jhonny Rakotoarisoa « Tsy maty izany aho »

14/06/2019

Niely ny tsaho fa maty voatifitra tany Mahereza ny tenako raha namonjy voka-dehiben’ny fiangonana tany, hoy ny kandida ho depiote tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo farany teo, Jhonny Rakotoarisoa.

Jhonny Rakotoarisoa « Tsy maty izany aho »

Hamaky ny tohiny...

Gasy Youth Up Manatsara ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny CUA

14/06/2019

Hifarana anio zoma 14 jona ao amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely rehefa naharitra roa andro, ny “team building project” na fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Gasy Youth Up Manatsara ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny CUA

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Talatamaty Nitondra am-bavaka ny firenena

14/06/2019

Nitondra am-bavaka ny firenena ny kaominina Talatamaty, ny alarobia hariva teo, tao amin’ny Ekar Faralaza.

Kaominina Talatamaty Nitondra am-bavaka ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Mitaintain-dava ny vahoaka Mitombo isa ireo miaramila tsy voafehy…

13/06/2019

Raharaha mafampana ny mombana miaramila miisa 34 naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fahafatesana sivily miisa telo hita faty tao amin’ny Reniranon’i Onive tao Ampitatafika distrikan’Antanifotsy ny 31 mey taorian’ny nisamborana azy tany Ambohimahasoa ny 21 mey lasa teo

Mitaintain-dava ny vahoaka Mitombo isa ireo miaramila tsy voafehy…

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Manahirana io vidin-tsolika io »

13/06/2019

Vita ny tatitry ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), andrasana ny fampidinana vidin-tsolika. Araka ny fanamby nataon`ny filohan`ny Repoblika, tsy maintsy hahena ny vidin-tsolika ary efa nanaiky izany ireo mpandraharaha, hoy ny minisitry ny vola Randriamandranto Richard.

Rivo Rakotovao « Manahirana io vidin-tsolika io »

Hamaky ny tohiny...

Kaontim-bola any amin’ny banky Arahi-maso ny mpanao politika sy olona ambony

13/06/2019

Arahin’ny fanjakana maso akaiky ny kaontin’ny mpanao politika sy ny mpiasam-panjakana ambony toy ny Tale jeneraly na “cadre” ambony amin’ny orinasa, izay sokajiana amin’ny hoe “client sensible” amin’izao fotoana izao.

Kaontim-bola any amin’ny banky Arahi-maso ny mpanao politika sy olona ambony

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Mpiraki-draharaha notapahan-tongotra Nodimandry noho ny aretim-po

10/05/2019

Nodimandry omaly maraina rehefa narary fo nanomboka tamin’ny taona 2016 tany ho any i Nadia Razanamparany, ilay mpiraki-draharaha teo aloha.

 

 

 Nihombo hatrany ny aretiny ka tamin’ny taona 2017 dia voatery notapahina ny tongony roa ka niteraka fery be,  antony nahatonga ireo malala-tanana maro samihafa tonga  nanohana azy tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Tsy nikoriana tsara  mantsy ny ra  tany  amin’ny tongony.  Nandao azy vokatr’izany ny vadiny, raha ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety tamin’izany.  Voatery noraisin’ireo rafozany ihany koa ny fitaizana ireo zanany mianadahy kely izay tena  tian’i Nadia tokoa. Efa kamboty ihany koa mantsy i Nadia ka ireo  havany sy namany akaiky no mba tsy nanary azy.  Niezaka hatrany i Nadia Razanamparany. Taorian’ny fikombonan’ireo fery  tamin’ny feny dia nangataka solon-tongotra izy mba ho afaka mandeha sy miverina miasa indray saingy tsy nety taminy izany, hoy ireo mpitsabo. Voatery nampiasa ireny seza  fampiasan’ny olona manana fahasembanana ireny ity renim-pianakaviana ity. Tamin’ny taona 2018 lasa teo dia fantatra fa efa nihatsara tanteraka ny fahasalamany. Efa afaka nifanerasera tamin’ireo zanany ihany koa izy saingy indrisy fa nindaosin-drafahafatesana ihany. Taorian’ny nampidirana azy hopitaly nandritra ny andro maromaro mantsy dia tsy tana intsony ny ainy. Namela kamboty mianadahy kely Ratompokovavy.

 

Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana