Dans la mme rubrique

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

MAY NY CNAPMAD

Hamaky ny tohiny...

MMV

14/06/2019

Tsy hametraka fitoriana intsony izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana MMV amin’ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena satria leo an’ilay azo raisina fa tsy mitombina.

MMV

Hamaky ny tohiny...

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna

12/06/2019

Vinavinaina ho amin’ny volana oktobra ho avy izao ny fifidianana ben’ny tanàna eto Madagasikara.

Fifidianana ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

HALA-JAZA ENY AMBOHIBAO SY TALATAMATY

11/06/2019

Mikorotan-tsaina tanteraka ny ray aman-dreny monina eny amin’ny manodidina an’Ambohibao sy Talatamaty ankehitriny.

HALA-JAZA ENY AMBOHIBAO SY TALATAMATY

Hamaky ny tohiny...

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

07/06/2019

Nasaina nohanina velona ilay akoho. Izay no fitsaram-bahoaka nahazo ny tovolahy iray tetsy Andraisoro omaly.

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

NIBAHANA KORTEZIN’NY FILOHA

10/05/2019

Nosamborina avy hatrany ary nentina teny amin’ny kaomisaria foibe ilay mpamily izay nibahana ny kortezin’ny filoham-pirenena.

 

Mpanatitra entana ao amin’ny toeram-pivarotana ambongadiny iray teo Analamahitsy izy io. Na efa nampandrenesina aza mbola notohizany ihany ny lalany ary nanao mafy loha. Tapaka ny lalana vokatr’izany ary niaritra teo koa ny filoha, tsy afa-nanoatra. Samy mba mizaka ny fikorontanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo daholo, hoy ny olona. 

TAXI BE

Be loatra ny taxi-be izay tsy manaja lalàna sy ny lalana. Isan’ny voaresaka matetika ary hametrahan’ny olona fitarainana ny zotra 183 izay mankany Ambatobe sy ny zotra izay mankany Fenoarivo. Miverina an-tenantenany izy ireo ary tsy haveriny akory ny volan’ny olona fa mbola ireo mpamily sy resevera indary no avo vava. Efa manomboka mivorivory ny olona noho ny hatezerana ary mamondrona ny herin’izy ireo. 

KANDIDA ANY IFANADIANA

Mbola mipetraka soa aman-tsara eny amin’ny toeram-panasiana afisin’ny propangady ao Ifanadiana ny sary sy ny anaran’i Haja Dinah. Io farany raha tsiahivina fohy dia nidoboka am-ponja noho ny raharaha fakàna an-keriny tany Toamasina. Vao nahazo fahafahana vonjimaika izy dia tsy hita intsony izay nanjavonany. Kanefan dia mbola afaka nirotsaka hofidiana soa aman-tsara. Fifidianana hafahafa ity indray mitoraka ity satria tsy izy irery no manana dosiem-pitsarana maloto. 

FISOLOKIANA AMIN’NY FACEBOOK

 Manana cybercafé izy ary manana kaonty facebook maromaro izay fampiasany amin’ny asa fisolokiana. Dia misy tokoa ny voajonony ka hahazoany vola 600.000 ariary ka hatramin’ny iray hetsy ariary. Milaza izy fa mahavita mandefa olona miasa any Lafrantsa na Maorisy ary manangona atotan-taratasy ho an’izay liana amin’izany. Betsaka ny roboka ary mandefa vola avy amin’ny finday. Tsy misy akory ny asa. Namelarana velam-pandrika ary voasambotry ny mpitandro ny filaminana ihany. 

RIRININA HATRAMIN’NY AOGOSITRA

Tafiditra anaty ririnina tanteraka isika ary manomboka izao ka hatramin’ny volana aogositra dia tsy hitsahatry ny hidina intsony ny mari-pana. Nilaza ny météo fa amin’ny volana septambra vao ho tonga ny lohataona ary efa tapitra kosa, raha araka ny vinavina, ny fahavaratra sy ny vanim-potoanan’ny andro ratsy. Any amin’ny moron-tsiraka sisa no somary mafana ankehitriny fa efa tsy ho ela koa dia hidina izany. 

GABORARAKA AMIN’NY FIFIDIANANA

Efa manomboka sahady ny gaboraraka amin’ny fifidianana. Sefo fokontany miisa 27 ao amin’ny boriborin-tany fahadimy no voatery natsahatra tamin’ny asany noho ny tsy fanajana ny tsy tokony ho fiandanian’ny fitantanan-draharaha. Mivandravandra be loatra ny fiandanian’izy ireo amin’ny kandidam-panjakana ary mba nahasahy nandray fanasaziana avy hatrany ny prefektioran’ny tanàna. Sambasamba mba nisy fahasahiana toa izany. 

PROPAGANDIN’I TIC TAC DOU

 Nanaitra ny maro ny nahita ny propangadin’i Tic Tac Dou na Kohen Rivolala teny Itaosy kanefa ny fari-piadidiana izay nilatsahany ho depiote dia any Antsirabe II. Asa raha mba hitan’ny mpanara-maso ny propagandy izany satria efa endrika tsy fanarahan-dalàna koa ny zava-nitranga. Amin’ny lafiny iray koa dia mampanontany tena hoe raisin’ny kandidà sasany ho sangisagy ve ity fifidiana ho depiote ity ?

JIRAMA TOAMASINA

Faritra maro ao Toamasina I no hahitana fahatapahana herinaratra anio zoma.Fanamboarana sy fikojakojana ny tambajotra mitondra ny herinaratra ataon’ny Jirama no anton’izany.

BOLIDA

Hitohy hatramin’ny taona 2021 ny fotoana hilalaovan’i Nomenjanahary Lalaina na bolida ao amin’ny klioban’ny Paris FC any Frantsa.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana