Dans la męme rubrique

Fanendrena ny Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Efa any am-pelatanan’ny filoha ireo anarana 3

14/06/2019

Efa nalefa any amin’ny filoham-pirenena ny 2 jona lasa teo ny anaran’ireo olona 3 hisafidianany ka tendrena ho tale jeneralin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco)

Fanendrena ny Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Efa any am-pelatanan’ny filoha ireo anarana 3

Hamaky ny tohiny...

Jhonny Rakotoarisoa « Tsy maty izany aho »

14/06/2019

Niely ny tsaho fa maty voatifitra tany Mahereza ny tenako raha namonjy voka-dehiben’ny fiangonana tany, hoy ny kandida ho depiote tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo farany teo, Jhonny Rakotoarisoa.

Jhonny Rakotoarisoa « Tsy maty izany aho »

Hamaky ny tohiny...

Gasy Youth Up Manatsara ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny CUA

14/06/2019

Hifarana anio zoma 14 jona ao amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely rehefa naharitra roa andro, ny “team building project” na fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Gasy Youth Up Manatsara ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny CUA

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Talatamaty Nitondra am-bavaka ny firenena

14/06/2019

Nitondra am-bavaka ny firenena ny kaominina Talatamaty, ny alarobia hariva teo, tao amin’ny Ekar Faralaza.

Kaominina Talatamaty Nitondra am-bavaka ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Mitaintain-dava ny vahoaka Mitombo isa ireo miaramila tsy voafehy…

13/06/2019

Raharaha mafampana ny mombana miaramila miisa 34 naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fahafatesana sivily miisa telo hita faty tao amin’ny Reniranon’i Onive tao Ampitatafika distrikan’Antanifotsy ny 31 mey taorian’ny nisamborana azy tany Ambohimahasoa ny 21 mey lasa teo

Mitaintain-dava ny vahoaka Mitombo isa ireo miaramila tsy voafehy…

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Manahirana io vidin-tsolika io »

13/06/2019

Vita ny tatitry ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), andrasana ny fampidinana vidin-tsolika. Araka ny fanamby nataon`ny filohan`ny Repoblika, tsy maintsy hahena ny vidin-tsolika ary efa nanaiky izany ireo mpandraharaha, hoy ny minisitry ny vola Randriamandranto Richard.

Rivo Rakotovao « Manahirana io vidin-tsolika io »

Hamaky ny tohiny...

Kaontim-bola any amin’ny banky Arahi-maso ny mpanao politika sy olona ambony

13/06/2019

Arahin’ny fanjakana maso akaiky ny kaontin’ny mpanao politika sy ny mpiasam-panjakana ambony toy ny Tale jeneraly na “cadre” ambony amin’ny orinasa, izay sokajiana amin’ny hoe “client sensible” amin’izao fotoana izao.

Kaontim-bola any amin’ny banky Arahi-maso ny mpanao politika sy olona ambony

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Ambohidahy sy Nanisana Hihenjan-droa koa ny tady ?

10/05/2019

Miteraka resabe ny raharaha OMACI. Nisy ny fitondrana mpitandro filaminana nandritra ny famindram-pahefana teo amin`ny tale jeneraly teo aloha sy ny minisiteran`ny serasera.

 

 

Ny lalàna lah. 2017-011 tamin`ny 26 jolay 2017 nivoaka teo anivon`ny Antenimieram-pirenena no anton`ny savorovoro. Tsara ny manamarika fa ny dingana nolalovan`ny lalàna iray dia miainga avy amin`ny mpamolavola, mandalo filankevitry ny minisitra, mivadika tolo-dalàna, alefa eny amin`ny Antenimiera. Rehefa lanin`ny parlemanta roa tonta dia alefa mankany amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Lany soa aman-tsara teo anivon`ity andrim-panjakana ity ny lalàna nananganana ny OMACI. Mbola namoaka didy hampanankery an`io lalàna io ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Ny zava-misy tamin`ny tapaky ny volana aprily lasa teo, foana io lalàna tamin`ny alalan`ny didy hitsivolana ka tapaka fa alefa mankany amin`ny minisitera ny fitantanana, vola (zon`ny mpamorona)… Tsy mbola namoaka ny heviny ny HCC kanefa noterena ny famindram-pahefana. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ve no tsy nanao ny asany tamin`ny fandinihana io lalàna io ? Ny lalàna mantsy mialoha izy hanan-kery dia tsy maintsy mandalo amin`ity fitsarana ity. Ny minisiteran`ny serasera sy ny kolontsaina etsy Nanisana anefa mahay noho ny etsy Ambohidahy ka nilaza fa tsy ara-dalàna io lalàna io. Araka izany, ny minisitera indray ve no mampianatra lalàna an`ireo mpikamban’ny HCC ? Ny HCC milaza fa manaraka ny lalàmpanorenana io lalàna io. Ny etsy an-daniny milaza fa tsy manaraka fa toy io ny fandrafetana lalàna momba ny “entreprise à caractere commerciale” fa hafa. Laharampahaamehana ve ny fandravana ny OMACI ka namoahana ny didy hitsivolana ? Raha toy izao kosa aloha ny fomba fiasan`ny fitondram-panjakana dia ho maro ireo raharaha nahazoana valin-teny na vokatra. Ahoana ny tohin`ny raharaha“Villa Elisabeth” sy ARTEC ? Fa maninona no tsy mivoaka ? Raha ny lojika, efa nidoboka am-ponja i Hasimpirenena Rasolomampionona ka tokony hiverina amin`ny fanjaka ny « Villa Elizabeth”,… Ahoana ny tohin`ireo tany nolazaina fa namidy 300 ariary teny Ivato ? Toa nangiana tanteraka.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana