Dans la męme rubrique

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

20/06/2019

Any amin’ny paroasin’ny fiangonana katolika akaiky no misoratra anarana ireo rehetra hanatrika ny Sorona masina hotarihin’ny

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

Hamaky ny tohiny...

Maitre Olala

19/06/2019

Mbola hiakatra CODIS indray ny 21 jona izao ilay mpisolovava tsy navela hiasa 2 taona,

Maitre Olala

Hamaky ny tohiny...

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

18/06/2019

Fatim-behivavy tokony ho eo amin’ny 18-20 taona eo no hitan’ny fokonolona teo amin’ny

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

Hamaky ny tohiny...

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

MAY NY CNAPMAD

Hamaky ny tohiny...

MMV

14/06/2019

Tsy hametraka fitoriana intsony izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana MMV amin’ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena satria leo an’ilay azo raisina fa tsy mitombina.

MMV

Hamaky ny tohiny...

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

LISI-PIFIDIANANA BIOMETRIKA

09/05/2019

Tsy azo ihodivirana intsony ny fivadihana amin’ny biometrika hoy ny Ceni mba hahafahana manomana ny fifidianana.

Mitaky ny hanaovana ny lisi-pifidianana ho biometrika ny Ceni kanefa ny vola eo am-pelatanana tsy mahatakatra an’izany. Tsy te-hibaby izay lany rehetra amin’ny fifidianana koa izy ireo ka mangataka ny hametrahana ny biometrika mba hialan’ny diso ao anaty ny lisitra.  


FEDERASIONIN’NY TSIPY KANETY BE

Efa miady an-trano tanteraka ny federasion’ny tsipy kanetibe. Ity taranja ity anefa no mba nampamiratra an’i Madagasikara hatramin’izao. Mitory tsy misy porofo sady tsy manana vavolombelona ny federasiona iraisam-pirenena ny tsipy kanetibe hoy ilay filoha nesorina. Vonona hifanatrika amin’ny federasiona iraisam-pirenena izy hifanazava momba ny olany. 

FIKASIHAN-TANANA

Tsy azo ekena ny fanaovana fihantsiana na fikasihan-tanana amin’ny kandidà mpifaninana hoy ny prefen’Antananarivo izay handray an-tanana ny fanaraha-maso ny propagandy. Efa manomboka sahady izao ny fifanenjehana eo amin’ireo samy kandida . Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny kaomisarian’ny polisy manerana ny distrika ny prefektiora amin’ny fanaraha-maso ny ataon’ny kandidà.

JIOLAHY MATIN’NY SABATRA NENTINY

Jiolahy iray no matin’ny sabatra izay nentiny ihany tetsy Ampefiloha. Nandritry ny fanarahan-dia izay nataon’ny polisin’ny UIR no nitsoaka tampoka izy ary niditra elakelan-trano. Teo indrindra no nianjera teny am-pihazakazahana ary notsatohan’ny sabatra nentiny ihany. Tafaporitsaka kosa ny namany iray izay mpiara-manendaka aminy. 

RANO FISOTRO MADIO

Fitaovana entina hamatsiana rano fisotro any Ambovombe, avy amin’ny FAO no nisy nanodina ary namidy tetsy Antohomadinika. « Motopompe » efa ho 150 isa no sarona teny an-toerana ary efa mipetraka tsara atsisin-dàlana, tsy tahotra tsy henatra akory. Nosamborina avy hatrany ny mpivarotra ary tsy maintsy ho tonga any amin’ny fanokafana fanadihadiana ny mpiasa ity raharaha ity. Mazava izany izao hoe maninona no tsy misy fiantraikany eny ifotony mihitsy ny fanampiana iraisam-pirenena.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana