Dans la mme rubrique

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

23/07/2019

Mitombo hatrany ny fitohanan’ny fifamoivoizana vokatry ny tetikasa fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra.

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

Hamaky ny tohiny...

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

22/07/2019

Mbolalavitr'ezakatanterakanyfamantarana ny toetry ny andromalagasy. Novoizinamafynyhoe hilatsakahatranyamin'ny 0°C ny mari-pànamanombokaamin'ny 21 jolay.

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

Hamaky ny tohiny...

RONGONY TRATRA TENY IVATO

15/07/2019

Nisy rongony mahery vaika « Heroine » milanja 6 kilao tratran’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly.Nodorana avy hatrany mo aizy io taorian’ny fitsirihana izay tsy maintsy natao.

RONGONY TRATRA TENY IVATO

Hamaky ny tohiny...

Fanaovan-gazety

11/07/2019

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy ary mampametra-panontaniana hoe mpanao gazety tokoa ve sa tsia no nahavita naka finday

Fanaovan-gazety

Hamaky ny tohiny...

ETAZONIA

05/07/2019

Hijanona ho mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara hatrany i Etazonia araka ny fanambaran’ny masoivohony Michael Pellitier omaly teny Ambaranjana nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Amerikanina.Sehatra iaraha-miasa ny fampianarana, fampandrosoana, ny sosialy ary ny politika.

ETAZONIA

Hamaky ny tohiny...

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

05/07/2019

Tsy vao izao no mamofompofona kolikoly lava ny baolina kitra Kaongoley fa efa nitranga ihany koa izany tamin’ny tompondakan’i Afrika ho an’ny latsaky ny 23 taona ny 24 aprily teo. Tamin’io fotoana io moa dia tena najanona tsy hanohy ny fifaninanana mihitsy izy ireo.

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

Hamaky ny tohiny...

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

03/07/2019

Teo am-pisokirana nify mihitsy ny minisitry ny serasera no azo sary tamin’ny TVM nandritry ny didim-pitsaran’ny HCC nampahafantatra ny depiote lany.

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FIFIDIANANA BEN’NY TANANA

08/05/2019

Ny volana oktobra amin’ity taona ity no hanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna eto Madagasikara, izany hoe enim-bola aorian’ny fifidianana solombavambahoka.

 

 

 

 

VOLAN’NY VAKSINY       

Efa mandeha ny fanadihadiana momba ny volan’ny vaksiny, hoy ny minisitry ny fahasalamana omaly. Efa nisy ny olona nampidirina am-ponja vonjimaika noho ny ahiahina fanodinkodinana ny famatsiam-bola momba ny vaksiny.

 

TOVOLAHY VOATIFITRY NY UIR

 

Tovolahy vao 17 taona ary manan-janaka telo volana ilay voatifitry ny polisin’ny UIR tetsy amin’ny Cenam 67ha omaly maraina. Raha vao nahita azy nitsirara tamin’ny tany ka maty ny namany telo dia nitolo-batana avy hatrany. Mpanendaka eny amin’ny manodidina izay efa narahi-maso efa elaela izy ireo. Handeha hanao ny asa ratsiny izy no nosamborina ary mbola nitsoaka ihany, raha araka ny filazan’ny polisy. 


CENI TOAMASINA

 

 Nampitandrina sahady ny CENI tao Toamasina mahakasika ny tsy fanarahan-dalàna izay hataon’ny kandidà roa. Eny amin’ny toerana tsy tokony hametahana afisy no hametahan’izy ireo an’izany satria angamba kandidam-panjakana ka mahatsapa tena tsy azo atao na inona na inona. Notsipihan’ny CENI mazava fa mampigadra an-tranomaizina ny tsy fanarahan-dalàna mahakasika ny fampielezan-kevitra. 


FISAMBORANA MPIVAROTRA RONGONY

 

Mitohy ihany ny fisamborana mpivarotra rongony eny Anosizato sy Anosipatrana. Nisesy izany ary mbola nisy sahy manao ilay asa ihany hatreto. Lehilahy iray indray no voasambotra ary mbola nahitana rongony amina gony tao amin’ny toeram-pivarotany. Mbola ady lehibe eto an-drenivohitra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Mila eny amin’ny lalam-pirenena izy ireny dia efa tratra mba tsy ho tonga aty ka mitarika ny korontana ara-tsosialy isan-karazany. 

 

DOSIE MALOTON’I HOLIJAONA RABOANA


 Nivoaka sahady ary niparitaka ny dosie maloto an’i Holijaona Raboana izay filohan’ny fanatontosana ny IEM. Naelin’ny zanak’i Manandafy Rakotonirina tamin’ny tambajotra sosialy ny tantara maloton’ilay rangahy, hatramin’ny fidirany am-ponja in-droa misesy tany aloha tany noho ny fisolokiana. Anisan’ny voateny betsaka koa ny raharaha Flamco tamin’ny fitondran’ny Pr Zafy Albert izay tena fandrobana tanteraka ny volam-panjakana nomen’ny mpamatsy vola. 



 

 

 

 

TSY FANAJANA NY FIAINANA MANOKAN’NY OLONA

 

Misy fanadihadiana misokatra nanomboka omaly mahakasika ny filazan’ny olona fa misy « caméra cachée » eny anivon’ny toeram-pandraisam-bahiny (chambre d’hôtel) iray eny 67ha. Nanamarina izany nanomboka omaly ny mpitandro ny filaminana satria heloka bevava ary tsy fanajana ny fiainana manokan’ny olona ny tranga toa izany. 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana