Dans la męme rubrique

Fitadiavana asa Sakana ho an’ny tanora ny teny vahiny sy ny tsy fahasahiana

23/07/2019

Nisy ny fanomezana tolotr’asa ho an’ireo tanora manana diplaoma bakalorea no ho miakatra nokarakaraina fikambanana As’sidus tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly.

Fitadiavana asa Sakana ho an’ny tanora ny teny vahiny sy ny tsy fahasahiana

Hamaky ny tohiny...

Fitokanana ny lalana Profesora Zafy Albert Efa tomombana ny fikarakarana

23/07/2019

Taorian’ny faneken’ny filankevitra monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny hanomezana anarana ny lalana miainga eo Pulman Ivandry,

Fitokanana ny lalana Profesora Zafy Albert Efa tomombana ny fikarakarana

Hamaky ny tohiny...

Olom-pirenena ankehitriny Sarotra atoro, sarotra tenenina, mora tohina,…

22/07/2019

Atony maro no mahatonga ny olona saritra tenenina sy atoro ary mora tohina, hoy ny mpampianatra sady mpanabe iray.

Olom-pirenena ankehitriny Sarotra atoro, sarotra tenenina, mora tohina,…

Hamaky ny tohiny...

Mpamboly lavanila any Antalaha Velon-taraina amin’ny ataon’ny mpitandro ny filaminana

22/07/2019

Mampitaraina ireo tantsaha mpamboly lavanila any amin’ny Distrikan’Antalaha ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny kaominina sasany tahaka ny any Antananambo raha ny tatitry ny solombavambahoaka Nasira Julien izay voafidy tany an-toerana.

Mpamboly lavanila any Antalaha Velon-taraina amin’ny ataon’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara-Indonezia Ambany ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra

22/07/2019

Ambany ny tahan’ny fanafaran’entana sy ny fifanakalozana ara-barotra ataon’i Madagasikara any Indonezia amin’izao fotoana izao nefa maro be ireo sehatra azo trandrahana sy ahafahana mampiasa vola eo amin’ny sehatry ny varotra.

Madagasikara-Indonezia Ambany ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra

Hamaky ny tohiny...

Hamirifiry mandritra ny telo andro Efa vonona amin’ny akanjo mafana ny olona

22/07/2019

Araka ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro, dia hamirifiry ary hangatsiaka, hidina ambany dia ambany ny maripana amin’ireo faritra eto Madagasikara,

Hamirifiry mandritra ny telo andro Efa vonona amin’ny akanjo mafana ny olona

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

19/07/2019

Kaontenera 500 isa feno entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no voalaza fa tsy maintsy hopotehina na atao lavanty ireo entana tsy misy mpaka. Mihitsoka sy mibahan-toerana ao amin’ny faritry ny ladoany ireo kaontenera ireo.

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Fanolanana ankizivavy 14 sy 12 taona Nadoboka am-ponja ao Fianarantsoa ilay polisy

08/05/2019

Polisy mpiandry raharaha amin’ny alina sady vao mpiana-draharaha ity mpitandro filaminana voarohirohy nanolana ankizy vavy roa tsy ampy taona ity.

 

 

 

 Nanatanteraka fisafoana irery izy tany Ikongo ka noraofiny ireo olona enina hitany fa nampodiany ireo efadahy. Ny roa vavy kosa nanamparany ny filany ara-nofo tamin’ny alina vao nalefany nody ny maraina, araka ny resaka manokana nifanaovana tamin’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka, afak’omaly. «Agent de police stagiaire, izy io, tamin’ny sabotsy heriny no naiditra am-ponja vonjimaika. Anisan’ireo polisy nisahana ny raharaha izy io ny alina. Nandeha nivoaka irery izy tamin’ny alina. Nahita olona enina izy tany am-pivoahany tany ka nanaovany fanamborana. Efatra ny lehilahy ary roa vavy ireo nosamboriny. Ireo vehivavy dia  zaza tsy ampy taona, 14 sy 12 taona. Tamin’io alina io ihany, nalefany nody daholo ireo lehilahy efatra fa ireo vehivavy no notazoniny. Nony maraina ny andro, nalefany namonjy fodiana koa ireo zazavavy roa ireo. Nitaraina tany amin’ny fianakaviany ireto farany izay tsy ampy taona  fa naolan’ny polisy iray. Tonga nanatitra ny fitarainana tamin’ny mpiandraikitra ny ankohonan’ny lasibatra. Notanterahina ny fanadihadiana, ary naka alalana hanatanteraka ny fanenjehana an’io polisy mpanolana io ny mpiandraikitra ny Fitsarana tao Fianarantsoa.  Tamin’ny zoma 26 aprily no nomen’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka ny fanomezan-dalana ary ny sabotsy 27 aprily ilay polisy no niakatra fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika tao Fianarantsoa.” Araka ny fanampim-baovao nampitain’ny Commissaire   Principal de Police Albert Estel Ainanirina, Directeur de cabinet du ministère de la sécurité publique.  Mbola handalo famotorana mikasika ny fitsipi-pifehezantena ihany koa ity voapanga ho mpanao herisetra ara-nofo. Mbola miandry ny fitsarana azy any am-ponja izy ary ho fantatra amin’izany ny sazy ho azony.

 

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana