Dans la mme rubrique

IMERIMANDROSO Tsy omby intsony fa olona no alain’ny dahalo

15/10/2019

Miaina anaty fitaintainana tanteraka ireo mponina ao anatin’ny kaominina Imerimandroso, distrikan’Ambohidratrimo.

IMERIMANDROSO Tsy omby intsony fa olona no alain’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Tafika ana habakabaka Tena ilaina amin’ny fametrahana fandriampahalemana

05/09/2019

Nanatanteraka fitsirihana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy teny amin’ny kianja « Soamandrakizay » ny praiminisitra ny harivan`ny 03 septambra 2019 ary niaraka tamin’izany dia nisy ny lanonana namoahana mpanamory angidimby tamin’ny fomba ofisialy, notanterahina tao amin’ny foiben’ny Tafika ana habakabaka Malagasy.

Tafika ana habakabaka Tena ilaina amin’ny fametrahana fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny...

Tsy filaminana eto amin’ny firenena “Misy andraikitra tsy efan’ny fitondrana.”

27/08/2019

Malahelo amin’ny fisian’ny tsy filaminana eto amin’ny firenena izahay mpiaro ny zon’olombelona, hoy ny filohan’ny fikambanana Zon’olombelona mampandroso vahoaka sy Zon’olombelona mijoro,

Tsy filaminana eto amin’ny firenena “Misy andraikitra tsy efan’ny fitondrana.”

Hamaky ny tohiny...

Polisim-pirenena Nahazo tale vaovao telo

16/08/2019

Lanonana telo sosona no notanterahina teo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka ny alarobia 14 aogositra 2019 teo, dia ny fifamindram-pitantanana teo anivon’ny DRH (Direction des Ressources Humaines),

Polisim-pirenena Nahazo tale vaovao telo

Hamaky ny tohiny...

Mpanao politika efa adinodino Mety hipoitra indray

08/08/2019

Na tsy mbola fantatra aza ny tena daty ofisialy dia naman’ny azo lazaina foana hoe akaiky ny fifidianana ben’ny tanàna. Be ny zava-nanaitra teo amin’ny tontolo politika tato ho ato.

Mpanao politika efa adinodino Mety hipoitra indray

Hamaky ny tohiny...

Fakana an-keriny sy asan-dahalo Mpanao “kidnapping” 5 lahy tratra

05/08/2019

Tratra ny jiolahy miisa 5 naka an-keriny zazalahy 12 taona tany Betela Morarano Kraoma, distrikan’Amparafaravola ny harivan'ny 16 jona 2019.

Fakana an-keriny sy asan-dahalo Mpanao “kidnapping” 5 lahy tratra

Hamaky ny tohiny...

BETROKA Nisy namaky ny vala nanagiazana ireo omby halatra

30/07/2019

Nisy nikasa hiditra an-keriny ny toerana nanagiazan'ny kaominina ireo omby azo avy any Soahazo Mangalahy. Ny sabotsy lasa teo no tsikaritra fa nisy nanapitsoka ny toerana nitazonan’ny kaominina Betroka ireo omby saron'ny zandary ireo.

BETROKA Nisy namaky ny vala nanagiazana ireo omby halatra

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

“La Haute Ville” Tra-tehaky ny polisy ireo mpanendaka mpizahatany

08/05/2019

Mpanendaka sy mpanao herisetra enin-dahy sy vehivavy iray mpivarotra halatra no voasambotry ny polisy avy ao amin'ny kaomisaria etsy Ambohijatovo, nanomboka ny sabotsy 4 mey teo.

 

 

 

 

 Araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena, angom-baovao avy amin'ny mpiara-monina sy ny fokontany ary ireo fikambanan'ny « guides touristiques » eny La Haute Ville niampy ny vela-pandrika notanterahin’ny mpitandro no nahafahana nanambotra ireto olon-dratsy ireto. Araka ny vaovao avy amin’ny lehiben’ny kaomisaria ao amin’ny Boriborintany faharoa, ny Kaomisera Bernicot Ranaivomanana, ny vahiny mpizahatany sy ireo mpitsangantsangana eny amin'iny faritra ambony iny no tena lasibatr'izy ireto. Maro ireo entana nendahin'izy ireo no mbola tratra teny aminy toy ny finday sy solosaina maro ary karatra isan-karazany. Tsy maintsy averina amin'ny tompony avy ireo entana ireo amin'ny fiafaran'ny fanadihadiana. Natolotra ny fitsarana omaly talata 7 mey  izy ireo. Betsaka ny ezaka fiantsoana ireo mpitsangantsangana teratany vahiny hitsidika an’i Madagasikara. Tahaka ny boka mangarom-poza anefa raha ny tsy filaminana tahaka izao ka toa manosika azy ireny hiverina. Ho avy ny andiany fahavalo amin’ny International Tourism Fair Madagascar hotanterahina ny 13 ka hatramin’ny 16 jona ho avy izao, eny amin’ny Cci Ivato. Malaza ratsy any ivelany anefa ny firenena Malagasy noho ny tsy fifehezana ny filaminana.

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana