Dans la mme rubrique

Fitaterana eto Antananarivo Fiara miisa 133 naiditra « fourrière »

11/02/2020

Nisy ny fitsirihana tampoka « Opération contrôle inopiné » nataon’ny DGSR (Diréction Générale de la Sécurité Routière) teto Antananarivo sy ny manodidina ny 3-9 febroary 2020.

Fitaterana eto Antananarivo Fiara miisa 133 naiditra « fourrière »

Hamaky ny tohiny...

Fitateram-bahoaka Tsy manaja ny fitsipiky ny fifamoivoizana

21/01/2020

Ny taksbe dia tsy misy manaja fifamoivoizana sy manaraka ny fitsipika mifehy azy.

Fitateram-bahoaka Tsy manaja ny fitsipiky ny fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny...

Lalana eto Antananarivo Tsy mandeha amin’ny laoniny

21/01/2020

Ny kaominina sy ny mpitandro filaminana dia hita miasa eny rehetra eny fa ny fotodrafitrasa no tsy maharaka.

Lalana eto Antananarivo Tsy mandeha amin’ny laoniny

Hamaky ny tohiny...

Moto-Scooter-Sarety Samy manao izay saim-pantany

21/01/2020

Ny bisikileta, ny « scooter » ary ny sarety sy ny posy koa dia samy manao izay saim-patany amin’ny fifamoivoizana.

Moto-Scooter-Sarety Samy manao izay saim-pantany

Hamaky ny tohiny...

Oram-be mikija Tapaka ny RN 13, mitoka-monina i Betroka

17/01/2020

Vokatry ny oram-be nikija any an-toerana dia miato ny fifamoivoizana amin`ny RN 13 izay mandalo any Betroka noho ny fikaohan-driaka ny arabe hiditra amin’ny tanànan`i Betroka ka lasa lavaka be.

Oram-be mikija Tapaka ny RN 13, mitoka-monina i Betroka

Hamaky ny tohiny...

Gare routière Fisandratana « Tsy mbola mahafeno ny fepetra », hoy ny ATT

14/01/2020

Tsy tontosa indray ny famindrana ireo fiara mpitatitra na taksibrosy miantsona eny amin’ ny Fasan’ny karana ho eny Ambohimanambola.

Gare routière Fisandratana « Tsy mbola mahafeno ny fepetra », hoy ny ATT

Hamaky ny tohiny...

Taksibrosy - Fasan’ny karana Tsy hafindra eny Ambohimangakely indray aloha

13/01/2020

Nihemotra tamin’ny fanapahan-kevitra efa noraisiny indray ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny

Taksibrosy - Fasan’ny karana Tsy hafindra eny Ambohimangakely indray aloha

Hamaky ny tohiny...


Fifamoivoizana

Taksibe Ivato-Vassacos Hatao filamatra, hasiana “GPS”

08/05/2019

Betsaka ny fitarainana nataon'ny mponina sy ny mpandeha amin'ny zotra Ivato - Vassacos noho ny tsy fanarahan-dalàna ataon'ny koperativa mpitatitra.

 

 

 Tsy nanaiky lembenana ny kaominina Ivato ka nandray fepetra niaraka tamin'ny minisiteran'ny fitaterana, ny ATT, ny zandarimariam-pirenena sy ny polisy kaominaly. Efa nisy ny fotoana nampitandremana sy nanabeazana ary nanoroana ireo koperativa mpitatitra eny Ivato sy ny mpamily ary ny mpanampy ny mpamily. Miditra amin'ny fampiharana ny lalàna kosa ny tompon’andraikitra ankehitriny. Nanentana manokana ny mpandeha koa ny kaominina mba tsy hanaiky ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanitsakitsahana ny zony sy ny tsy fanajana ny bokin'andraikitra. Naparitaka ny nomerao azon'ny mpandeha hiantsoana mivantana an'ireo tompon’andraikitry ny fitaterana. Nandritra ny fitsirihana tampoka teny an-dalambe no nahatrarana ireo taksibe tsy manana taratasy fahazoana miasa, ao ireo milaza fa an'ny bebokotra sy be kintana ka mihevitra ho ambonin'ny lalàna, ao koa ireo nametaka makarakara amin'ny varavaran'ny fiara izay tsy ara-dalana sy ny nampiasa takelaka tsy manaraka ny fenitra. Nisy ny voasazy sy nampidirina "fourriére " avy hatrany. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny ATT, kasaina hatao zotra filamatra ny Zotra D mihazo an’Ivato amin’ny kalitaon’ny asa sy ny fanajana ny mpandeha. Hasiana GPS (Global Position System) hahafahana manara-maso ny fiara amin’ny alalan’ny teknolojia.  Haverina ihany koa ny fampiasana ny tapakila. Handeha tsy ho ela ity tetikasa ity, ary ao anatin’ny 3 volana dia efa tokony hisy vokatra.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana