Dans la mme rubrique

Solombavambahoakan’Ampanihy Andrefana Tsy laharam-pahamehana ny fangatahana fiara 4x4

23/07/2019

Taorian’ny fifidianana ireo birao maharitra teny amin’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza,

Solombavambahoakan’Ampanihy Andrefana Tsy laharam-pahamehana ny fangatahana fiara 4x4

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona

23/07/2019

Omaly alatsinainy 22 hatramin’ny sabotsy 27 jolay ho avy izao no hankalazana amin’ny fomba ofisialy ny faha-60 taonan’ny Antenimierandoholona.

Antenimierandoholona Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona

Hamaky ny tohiny...

Famafazam-bola amin’ny fifidianana Afa-bela hatrany ny mpividy fahefana

23/07/2019

Manjaka eto Madagasikara ny aferafera maloto sy ny zavatra tsy mangarahara izay ny mpitondra no lohalaharana amin’izany.

Famafazam-bola amin’ny fifidianana Afa-bela hatrany ny mpividy fahefana

Hamaky ny tohiny...

Jean-Jacques Rabenirina "Mila fanatsarana ny kalitaon'ny asa fanaovana lalàna"

23/07/2019

"Maniry ny fanamafisana fiaraha-miasa eo amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona indrindra eo amin' ny kalitaon'ny asa",

Jean-Jacques Rabenirina "Mila fanatsarana ny kalitaon'ny asa fanaovana lalàna"

Hamaky ny tohiny...

Serge Zafimahova–Dinike “Ataovy aloha ny fifidianana lalàmpanorenana”

23/07/2019

Tsy tokony hotanterahina aloha ny fifidianana kaominaly sy ny Ben’ny tanàna, hoy i Serge Zafimahova avy amin’ny vovonana Dinike, fa ny fifidianana lalàmpanorenana aloha no tokony hatao voalohany,

Serge Zafimahova–Dinike “Ataovy aloha ny fifidianana lalàmpanorenana”

Hamaky ny tohiny...

Adin’ny samy manampahefana Atao hazalambo i Rivo Rakotovao

23/07/2019

Nambaran’ny fahampahalalam-baovao mpanohana ny fitondrana omaly, fa manao fanjakana kely ao anaty fanjakana be ny antenimierandoholona ary mifanohitra amin’ny sata Repoblikanina ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ity andrim-panjakana ity,

Adin’ny samy manampahefana Atao hazalambo i Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny fanoherana Misy zavatra mbola hokitihina indray

23/07/2019

Hisy fivoriana manokana avy hatrany eny amin`ny Antenimieram-pirenena ka ny lahadinika dia ny hanitsiana ny lalàna n°2011-013 natao tamin’ny 9 septambra 2011 izay mifehy ny satan’ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra.

Lalàna mifehy ny fanoherana Misy zavatra mbola hokitihina indray

Hamaky ny tohiny...


Politique

Varin’ny BNGRC tao Toamasina Nalaina kandida depiote amboletra ?

08/05/2019

Nisy ny fampitam-baovao vonjimaika voaray, fa noraofina kandida depiote iray ny varin’ny sampan-draharaha misahana ny fitantanana ny loza voajanahary na ny BNGRC any Toamasina.

 

Andrasana ny fanazavana ofisialy momba an’io toe-javatra io sy ny tena marina mahakasika izany. Hanosehana azy amin’ny fampielezan-kevitra no mety anton’io, raha ny fandinihana azy. Ny kandidam-panjakana moa no tena mirehareha sy manao fitaovana ny vary mora, raha ny toe-javatra efa niseho tany Mahajanga. Tsy hay mazava sy tsy nangaraharaha rahateo na tetikasam-panjakana na tetikasan’ny Vovonona IRD (Isika rehetra miaraka amin’I Andry Rajoelina), fa toa lasa fitaovana politika. Malaza ratsy ity kandida ity, izay tsy mahatoky tena ho lany raha ny fahitan’ny maro azy, hany ka mahavita manao tsindry samihafa satria misy mpiaro sy tena mirehareha ho kandidam-panjakana. Vao andro vitsy izay no nivoahan’ny vaovao momba ny tsindry sy baiko homena ireo sefom-pokontany amin’ny toerana be mponina, raha ny tatitra avy any an-toerana hatrany. Efa maro ny karazana fandikan-dalàna niseho tao Toamasina momba io kandida iray io, ary tena minisitra ao anaty governemanta izao no mandray fitenenana tamin’ny famoriam-bahoaka nataony, minisitra am-perinasa izao no mitondra azy hijapy tetikasam-panjakana,… Miha miharihary tanteraka ny fitanilan’ny fanjakana sy ny fanaovana fitaovana ny tetikasam-panjakana sy fahefam-panjakana. Lalao madio sy ara-demokratika tokoa ve ny fifidianana?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana