Dans la mme rubrique

Solombavambahoakan’Ampanihy Andrefana Tsy laharam-pahamehana ny fangatahana fiara 4x4

23/07/2019

Taorian’ny fifidianana ireo birao maharitra teny amin’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza,

Solombavambahoakan’Ampanihy Andrefana Tsy laharam-pahamehana ny fangatahana fiara 4x4

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona

23/07/2019

Omaly alatsinainy 22 hatramin’ny sabotsy 27 jolay ho avy izao no hankalazana amin’ny fomba ofisialy ny faha-60 taonan’ny Antenimierandoholona.

Antenimierandoholona Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona

Hamaky ny tohiny...

Famafazam-bola amin’ny fifidianana Afa-bela hatrany ny mpividy fahefana

23/07/2019

Manjaka eto Madagasikara ny aferafera maloto sy ny zavatra tsy mangarahara izay ny mpitondra no lohalaharana amin’izany.

Famafazam-bola amin’ny fifidianana Afa-bela hatrany ny mpividy fahefana

Hamaky ny tohiny...

Jean-Jacques Rabenirina "Mila fanatsarana ny kalitaon'ny asa fanaovana lalàna"

23/07/2019

"Maniry ny fanamafisana fiaraha-miasa eo amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona indrindra eo amin' ny kalitaon'ny asa",

Jean-Jacques Rabenirina "Mila fanatsarana ny kalitaon'ny asa fanaovana lalàna"

Hamaky ny tohiny...

Serge Zafimahova–Dinike “Ataovy aloha ny fifidianana lalàmpanorenana”

23/07/2019

Tsy tokony hotanterahina aloha ny fifidianana kaominaly sy ny Ben’ny tanàna, hoy i Serge Zafimahova avy amin’ny vovonana Dinike, fa ny fifidianana lalàmpanorenana aloha no tokony hatao voalohany,

Serge Zafimahova–Dinike “Ataovy aloha ny fifidianana lalàmpanorenana”

Hamaky ny tohiny...

Adin’ny samy manampahefana Atao hazalambo i Rivo Rakotovao

23/07/2019

Nambaran’ny fahampahalalam-baovao mpanohana ny fitondrana omaly, fa manao fanjakana kely ao anaty fanjakana be ny antenimierandoholona ary mifanohitra amin’ny sata Repoblikanina ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ity andrim-panjakana ity,

Adin’ny samy manampahefana Atao hazalambo i Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny fanoherana Misy zavatra mbola hokitihina indray

23/07/2019

Hisy fivoriana manokana avy hatrany eny amin`ny Antenimieram-pirenena ka ny lahadinika dia ny hanitsiana ny lalàna n°2011-013 natao tamin’ny 9 septambra 2011 izay mifehy ny satan’ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra.

Lalàna mifehy ny fanoherana Misy zavatra mbola hokitihina indray

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mpiara-miasa amin-dRajoelina Manomboka mivoaka ny dosie maloto…

08/05/2019

Mpisoloky i Holijaona Rabaonarijaona izay nivarotra ny tetikasa IEM tamin-dRajoelina, hoy ny lahatsoratra navoakan’i Mahery Lanto Manandafy tamin’ny tambajotra ara-tsosialy facebook.

 

 

 

 Andrasana izay ho valin-kafatry ny voatonona. Raha ny voasoratra, anisan’ny fototry ny fionganan’ny Profesora Zafy Albert teo amin’ny fitondrana io olon’ny IEM io, raha ny nambarany. Tale Jeneraly lefitry ny Flamco izy tamin’izany fotoana. Tsy inona io Flamco io fa fisolokiana  goavana indrindra teto Madagasikara nahabanky ny firenena. Niseho ho niaraka tamina mpiara-miasa vahiny nampanantena famatsiam-bola 4 miliara dolara, mba hisarihana ny mpitondra tamin’izany fotoana niresahana ny fisiana antoka avy amina Printsy avy any Liechtenstein. Raha ny marina dia tetika nakana vola in-telo nisesy manodidina ny 3.4 tapitrisa dolara tao amin’ny BTM (Bankin’ny Tantsaha Mpamaokatra, ka 10.2 tapitrisa, izay tsy nisy antoka mazava. Natao antoka hahazoana vary sy menaka mora sy sakafo ilaina amin’ny andavanandro teto Madagasikara ilay vola.  Maro ny fampanantenana sy ronono an-tavy, saingy io Flamco io dia orinasa sandoka sy tsy ara-dalàna sy tsy ara-panjakana ka ny Malagasy niray tsikombakomba taminy no lasa mpanefoefo, raha ny tantara. Volabe 4 miliara ariary, ohatra, no nanjavona tamin’ny resaka fitsoahan-ketra nataon’ny Flamco, ary 6 miliara ihany koa ny fatiantoka sy vola fongana tao anaty kitapombolam-panjakana. Niteraka olana goavana tamin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny FMI ao anatin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF), mpamatsy vola voalohany ny Malagasy io fisintonana volabe io. Niverina indray io 20 taona taty aoriana aty amin'ny governemanta Kolo Roger, ka tamin'ity indray mitoraka ity  dia niaraka tamin’i Maitre G... izy, izay nampanantena ny resaka famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara avy amin'ny governemanta Sinoa, ka nahazoany « commission » 10,000 dolara tamin’ny mpampiasa vola rehefa nahazoany taratasy fankatoavana avy amin'ny Praiminisitra Kolo Roger, hoy hatrany ny voalazan’i Mahery Lanto Manandafy.

 

Na ilay IEM aza dia efa manomboka misy manasokajy ho fisolokiana goavana. Ahiana hitovitovy amin’ny raharaha Flamco ary ny tolo-tsaina homena an-dRajoelina, toy ny io resaka solika io dia ahiana hisy fandrika. Atosika hananganana orinasa Malagasy hiantsoroka ny resaka solika, ohatra, ka hanatontonana volam-panjakana avy eo mitsefotra fa ho lasan’olom-bitsy ny vola. Na koa rahonana hatao fitadiavan-tombontsoa ireo mpamatsy solika. Mila mitandrina ny filoha !

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana