Dans la mme rubrique

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

Lalàna sy zo fototra maha olombelona Fanoitra amin’ny fampandrosoana

21/06/2019

“Voararan’ny lalàna ny manala baraka olona sy miteniteny foana, fa endrika tsy fanajana ny zo fototra maha olombelona”, hoy Razanatahina Florence,

Lalàna sy zo fototra maha olombelona Fanoitra amin’ny fampandrosoana

Hamaky ny tohiny...

Masoivoho Alemana Gehrig Harald Handao an’i Madagasikara

21/06/2019

Nahavita ny fe-potoam-piasany teto Madagasikara, ny Ambasadaoron’i Alemaina, Atoa Gehrig Harald mivady, ka tonga nanao veloma ny praiminisitra Ntsay Christian.

Masoivoho Alemana Gehrig Harald Handao an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Zanak’Ifanadiana V7V Mitaraina amin’ny Tsindrihazolena nahazo azy ireo

21/06/2019

Solontena roa, ny printsy Ralaizandry Honore Alexandre sy Randrianasoloniaina Jocelyn,

Zanak’Ifanadiana V7V Mitaraina amin’ny Tsindrihazolena nahazo azy ireo

Hamaky ny tohiny...

Veronique Vouland Aneini « Mitombo ny mpamatsy vola raha mangarahara ny fitantanana »

20/06/2019

Amin`ny volana aogositra ho avy izao no handao eto Madagasikara i Veronique Vouland-Aneini, masoivoho frantsay fa voatendry any amin`ny firenenan-kafa.

Veronique Vouland Aneini « Mitombo ny mpamatsy vola raha mangarahara ny fitantanana »

Hamaky ny tohiny...

Toetr’andro Hidina 13°C ny maripana ho an’Antanarivo

20/06/2019

Hiatrika fikorontanana ny lanitra amin`ity herinandro ity ary hisy faritra hahazo rotsak`orana toy ny Atsimo Atsinanana ary hahazo vahana any Avaratra avy eo.

Toetr’andro Hidina 13°C ny maripana ho an’Antanarivo

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fahamaizana teny amin’ny FLM Ambatovinaky 10mn dia voafehy ny afo

07/05/2019

“Folo minitra dia voafehy tanteraka ny afo. Efa efitra efatra no kila forehitra. Ny trano roa tao ambony izay niavian’ny afo no nihintsana tao ambany ka nahahotohoto tanteraka ireo efitra efatra ireo.

 

 

 Vao naharay antso izahay tamin’ny 7ora sy sasany maraina omaly dia namonjy hatrany teny amin’ny Trano vadim-piangonana Ambatovinaky. Antso tsy hifandrenesana koa no tonga taty aminay. Fiara efatra avy eo amin’ny foibe Tsaralalana sy Andravoahangy no nentina saingy ny telo ihany dia nahafehy ny afo”, hoy ny komanda Randrianarisoa, mpitarika ny mpamono afo nanatanteraka ny vonjivoina teny an-toerana raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay. Araka ny filazan’ny manodidina, raha sendra tara ny tompon’andraikitry ny famonoana afo dia niitatra ny afo, indrindra tamin’ireo trano manodidina sy ny fiangonana. Ankoatra ny mpamonjy voina, nankasitraka ny firaisankinan’ny mponina sy ny foibe ny tompon’andraikitra.  Hotohoton’ny afo ny tranom-pitandremana eto amin’ny FLM Ambatovinaky. Niharam-boina tokoa, may ny ankamaroan’ny fanaka sy ny antontan-taratasy. Nefa tsy nisy naratra sy namoy ny ainy ny pastora mpitondra ny fitandremana sy ny ankohonany. Mankasitraka feno ny mpamonjy voina, ny mpiara-belona tety an-toerana sy ireo olom-pirenena rehetra ary indrindra ny  ao amin’ny foibe FLM tonga nidodododo nifanampy sy nifankahery tamin’ny famonoana ny afo. Misaotra an’i Jesosy hatrany fa efa maty ny afo ary niaro ny ain’ny mpanompony.” Io no fampitam-baovao ofisialy avy tamin’ny Fiangonana Loterana Malagasy eo Ambatovinaky.  Raha ny loharanom-baovao voaray dia may tsinahy vokatry ny pitik’afona herinaratra izany ary tsy misy ifandraisany amin’ny rahahara “Notre dame de Paris” izay voizin’ny olompirenena sasany amin’ny tambajotran-tserasera.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana