Dans la mme rubrique

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

23/07/2019

Mitombo hatrany ny fitohanan’ny fifamoivoizana vokatry ny tetikasa fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra.

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

Hamaky ny tohiny...

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

22/07/2019

Mbolalavitr'ezakatanterakanyfamantarana ny toetry ny andromalagasy. Novoizinamafynyhoe hilatsakahatranyamin'ny 0°C ny mari-pànamanombokaamin'ny 21 jolay.

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

Hamaky ny tohiny...

RONGONY TRATRA TENY IVATO

15/07/2019

Nisy rongony mahery vaika « Heroine » milanja 6 kilao tratran’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly.Nodorana avy hatrany mo aizy io taorian’ny fitsirihana izay tsy maintsy natao.

RONGONY TRATRA TENY IVATO

Hamaky ny tohiny...

Fanaovan-gazety

11/07/2019

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy ary mampametra-panontaniana hoe mpanao gazety tokoa ve sa tsia no nahavita naka finday

Fanaovan-gazety

Hamaky ny tohiny...

ETAZONIA

05/07/2019

Hijanona ho mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara hatrany i Etazonia araka ny fanambaran’ny masoivohony Michael Pellitier omaly teny Ambaranjana nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Amerikanina.Sehatra iaraha-miasa ny fampianarana, fampandrosoana, ny sosialy ary ny politika.

ETAZONIA

Hamaky ny tohiny...

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

05/07/2019

Tsy vao izao no mamofompofona kolikoly lava ny baolina kitra Kaongoley fa efa nitranga ihany koa izany tamin’ny tompondakan’i Afrika ho an’ny latsaky ny 23 taona ny 24 aprily teo. Tamin’io fotoana io moa dia tena najanona tsy hanohy ny fifaninanana mihitsy izy ireo.

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

Hamaky ny tohiny...

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

03/07/2019

Teo am-pisokirana nify mihitsy ny minisitry ny serasera no azo sary tamin’ny TVM nandritry ny didim-pitsaran’ny HCC nampahafantatra ny depiote lany.

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

ASA FANAOVAN-GAETY

06/05/2019

Vao tamin’ny zoma teo no nisy ny fanasoniavana fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny holafitry ny mpanao gazety sy ny mpitandro ny filaminana.

 


 Ny sabotsy anefa dia efa nisy indray ny mpiasan’ny orinasan-gazety izay nampiasa karatra maha-mpanao gazety, ary tsy sandoka, voasambotra. Nanendaka izy io ary mpiambina no tena asany saingy misy soratra « Presse » avokoa ny mpiasa ao amin’ilay orinasa na ho an’ny mpamafa trano aza.

 PAUL RABARY

 Nivoaka tamin'ny fahanginany i Paul Rabary minisitry ny fanabeazam-pirenena tamin'ny andron'ny Hvm. Nilaza izy fa tsy tokony hatao politika fampisehoana toy ny ataon'ny filoha amin'izao ny fitondrana ny firenena. Fisehosehoana sy fandaniam-bola no betsaka amin'ireny tatitra tamin'ny 100 andro ireny kanefa tsy tena hita misy mivaingana. Manohana ny tokony hanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka i Paul Rabary saingy mitaky ny hanovana ny andininy faha-54 sy 72 ao amin'ny lalàmpanorenana izay tena fandrika ho an'izay filoha mitondra.

VIDIN-TSOLIKA

Miziriziry fatratra ireo mpomba ny filoha Rajoelina fa ho vitany ny hampihena ny vidin-tsolika ary hijoro hatramin'ny farany izy hampihenan'ny kompanian-tsolika ny tombony alain'izy ireo. Manamafy ireo mpomba azy fa tsy hanaiky intsony ny tsindry ataon'ny kaompania ny filoha Rajoelina satria efa mihoa-pampana ny tombony alain'ireo kaompania ireo. Taorian'ny fanambaran'ny filoha iny anefa, tsikaritra fa nihanihena ny famatsiana lasantsy teny amin'ny tobin-tsolika. Mihenjana ny tadin-dokanga. 

FAHAIZA-MIASAN’NY FILOHA

 Mety hanapotika ny lazan'i Madagasikara eo amin'ny iraisam-pirenena ny fanambaràna ady nataon'i Andry Rajoelina amin'ireo andrarezin'ny solika mandraharaha eto Madagasikara. Karazan'ny mampisintaka ireo mpandraharaha vahiny ireny fanambarana izay nataony ireny ka tsy aharisika azy ireo hiasa eto Madagasikara. Any anaty birao na fifanarahana manokana no tokony hanaovany resaka tahaka ireny fa tsy atao imasombahoaka, hoy ny mpanao politika.

HAIN-TRANO MAHATSIRAVINA

Trano miisa 150 tafo no kilan’ny afo tao Ifanadiana ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Tapaka hatramin’ny lalam-pirenena satria saika ny  tanàna iray manontolo no nirehitra. Nifanampy ny olona satria tsy nisy mpamonjy voina tao an-tanàna ary izany rahateo no nampananosarotra ny famehezana ny afo izay ny maraina aza mbola nisy ampahany tsy maty ihany. Mba tsy nisy ny aina nafoy na izany aza.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana