Dans la mme rubrique

Gédéon Rajaonson “Mila harenina haingana ny lesoky ny fampianarana”

24/06/2019

Tsy mahatratra 3% akory ny Malagasy mianatra eny amin’ny ambaratonga ambony raha toa ka mihoatra ny 70%-n’ny japoney no mandranto fianarana eny amin’ny Anjerimanontolo, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena.

Gédéon Rajaonson “Mila harenina haingana ny lesoky ny fampianarana”

Hamaky ny tohiny...

Ambaratonga ambony Mila vola sy fitaovana ny fampiharana ny rafitra LMD

10/05/2019

Raha ny ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika dia mitotaly 280 ireo oniversite ara-dalàna eto Madagasikara ary miisa 1065 ireo fampianarana azo atao eny amin’ny anjerimanontolo eny.

Ambaratonga ambony Mila vola sy fitaovana ny fampiharana ny rafitra LMD

Hamaky ny tohiny...

Sekoly advantista Soamanandrariny Tetikasa lehibe no mariky ny faha-80 taona

03/05/2019

Hankalazaina ny alahady 5 mey izao ny faha-80 taonan’ny sekoly advantista Soamananandrariny. Hisy, araka izany, ny fampahafantarana ireo tetikasa fanamarihana ny fankalazana toy ny fanorenan-trano, fanatsarana sehatra samihafa, ary ny laboratoira ao amin’ny sekoly.

Sekoly advantista Soamanandrariny Tetikasa lehibe no mariky ny faha-80 taona

Hamaky ny tohiny...

Fampiroboroboana ny asa fitsaboana sy ny fampianarana Nanome 793 tapitrisa Ariary i Japon

26/03/2019

Fifanaraham-piraha-miasa mahakasika ny sehatra fampianarana sy fahasalamana miisa 3 no nosoniavina tetsy amin’ny Masoivohon’i Japon Ivandry omaly alatsinainy 25 martsa.

Fampiroboroboana ny asa fitsaboana sy ny fampianarana Nanome 793 tapitrisa Ariary i Japon

Hamaky ny tohiny...

Sekoly ambony UPRIM Namoaka teknisiana 165 mianadahy

18/03/2019

Mitombo isa hatrany ireo teknisiana manam-pahaizana eto amintsika. Tanora lahy sy vavy 165 mianadahy indray no navoakan’ny sekoly ambony UPRIM ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny sampana tertiaire.

Sekoly ambony UPRIM Namoaka teknisiana 165 mianadahy

Hamaky ny tohiny...

Oniversiten’ Antananarivo Lany filoha ny Profesora Mamy Ravelomanana

12/03/2019

Nahazo filoha vaovao sady tanora ny Oniversiten’Antananarivo. Voafidy hitantana izany ny Profesora Mamy Ravelomanana, mpahay toekarena sady anisan’ny mpikambana namorona ny faribolan’ny mpandalina ny hary eto Madagasikara (CREM).

Oniversiten’ Antananarivo Lany filoha ny Profesora Mamy Ravelomanana

Hamaky ny tohiny...

Olana eny amin’ny oniversite Kianin’ny mpianatra tranainy ny fametrahana ny LMD

07/03/2019

Ny fitakian’ny mpianatry ny oniversite amin’izao dia vary mangatsiaka tohin’ny fametrahana ny rafitra LMD nanomboka ny taona 2012, hoy ny mpitarika ny tolon’ny mpianatra tamin’izany, Berija Ravelomanantsoa.

Olana eny amin’ny oniversite Kianin’ny mpianatra tranainy ny fametrahana ny LMD

Hamaky ny tohiny...


Fampianarana

Sekoly ambaratonga ambony tsy manara-dalàna Hiha-mafy ny fanara-maso sy ny fitsirihana…

06/05/2019

Mitombo isan-taona ireo ankizy afa-panadinana bakalorea kanefa tsy ho tafiditra ao amin`ny oniveristem-panjakana avokoa izy ireo.

 

 Ilaina, noho izany, ny fampanaraham-penitra ireo toeram-piofanana ambony tsy miankina amin` ny fanjakana mba hananan` ireo mpianatra marim-pahaizana ambony. Hiha-mafy, araka izany, ny fitsirihana sy fanaraha-maso amin` ireo sekoly ambarantonga ambony tsy manara-dalàna, hoy Pr Randrianambinina Blanchard, sekretera jeneralin`ny Ministeran` ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES). Nomarihany fa rehefa manao fitsirihana an` ireny toeram-piofanana ambony ireny dia tsy tonga dia hanakatona sekoly fa kosa manentana ireo tompona sekoly mba hiditra amin` izany fanarahana fenitra izany. Manome roa (2) na telo (3) volana kosa ny ministera mba hanaovana izany fanavaozana izany fa raha toa ka tsia dia voatery hiditra amin`ny fanakatonana ilay sekoly. Eo amin` izay fampanarahana  fenitra ireo sekoly ambony izay hatrany dia tokony hanavao ireo lalàm-piofanana ao aminy ireo sekoly ambaran-tonga ambony  nahazo fahazoan-dalana manokana (Habilitation) izay nahafeno ny fe-potoana dimy taona araka ny rijan-teny mifehy ny “habilitation”ao anatin`ny rafim-pampianarana LMD, hoy ny tale jeneralin` ny MESUPRES, Rtoa Raharimalala Laurence. Amin`izao fotoana izao, miisa 1065 ny lalam-piofanana amin` ireo sekoly ambaratonga ambony tsy miankina eto Madagasikara nankatoavin` ny fanjakana ary toeram-pampiofanana ambaratonga ambony miisa 280 no nahazo fahazoan-dalana manokana. Ny taona 2013-2014 isika teo Madagasikara no nampihatra ny rafim-pampianarana LMD kanefa mbola maro ny ezaka atao hampanaram-penitra ny ezaka eto amintsika raha ny tatitry ny Ministeran` ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) ny faran` ny herinandro lasa teo.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana