Dans la mme rubrique

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

19/07/2019

Kaontenera 500 isa feno entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no voalaza fa tsy maintsy hopotehina na atao lavanty ireo entana tsy misy mpaka. Mihitsoka sy mibahan-toerana ao amin’ny faritry ny ladoany ireo kaontenera ireo.

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

Hamaky ny tohiny...

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

19/07/2019

Notanterahina omaly alakamisy 18 jolay teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana Anosy ny faha-60 taonan’ny fandraharahana ny fonja. Lohahevitra tamin’izany ny hoe:

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

Hamaky ny tohiny...

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

18/07/2019

Marihina amin’ny fomba ofisialy anio 18 jolay ny andro ho an’i Nelson Mandela na ny “Mandela Day”.

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

Hamaky ny tohiny...

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

17/07/2019

Nampahafantarina tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly fa feno ny fepetra ahafahana mampitondra ny anaran’ny lalana manoloana ny kianjan’Alarobia izay mifanjohy amin’ny lalana Ranaivo Paul sy Andriatsihoarana ho lalana Zafy Albert.

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

Hamaky ny tohiny...

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

17/07/2019

Hankalazaina isaky 18 jolay ny andro ho an’i Mandela na ny « Mandela Day » araka ny fanapahana nataon’ny UNESCO tamin’ny 18 jolay 2009,

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

17/07/2019

Niditra tamin’ny andiany fahefatra tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny fivorian’ireo komity anatiny misahana ny fanajariana ny tetikasa momba ny fanatsarana ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina (TatoM).

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasa Hatao tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

17/07/2019

Hatao tanàna mpirahavavy ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny tanànan’i Jerosalema any Israel, raha araka ny vinavina.

Fiaraha-miasa Hatao tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Voasoratra fa maty teto Madagasikara ny 2014 Mangataka taratasim-pahavelomana i Rais Khan

06/05/2019

Nahoana no mbola velona i Rais Khan Mohidinkhan kanefa efa nanaovana fanambarana taty Madagasikara fa maty, miaraka amin'ny taratasim-pahafatesana na « acte de décès » ara-dalàna? Hoy ny manam-pahefana Maorisianina.

 

 Nisy ny fitarainana napetrany tao amin'ny Fitsarana Tampony tany Maorisy tamin'ny 3 aprily 2019, nangatahan’ity Maorisianina 39 taona ny fanekena azy ho isan’ny velona indray. Araka ny taratasy fanamarinam-pahafatesana izay efa nahazo ny dika mitovy anefa, dia  maty  ny 22 Jona, 2014, roa volana taorian'ny nahatongavany teto Madagasikara i Rais Khan Mohidinkhan. Misy mihitsy ny fanamarihana avy amin’ny Dokotera mitondra ny anarana Ranarison Serge tao amin’ny Hopitalin’Anjozorobe, fa i Mohidinkhan Rais Khan Mohidinkhan teraka tamin'ny 04 Martsa 1980, dia maty tamin’ny 22 Jona 2014 tao an-toerana tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro ka fahafatesana voajanahary noho ny aretina tazomoka, hoy ny tatitry ny fampahalalam-baovao Maorisianina.  Nandraharaha teto Madagasikara nisehatra tamina fampidirana henan'omby sy ny hazan-dranomasina izy. Voalaza fa lasibatry ny resaka halatra anefa izy, ka fongana avokoa ny fananany rehetra, anisan'izany ny vola hatramin’ny pasipaorony. Tsy afa-niala teto Madagasikara mandra-pahitana vahaolana hahazoana taratasy mamela azy hiverina any Maorisy ary tsy nisy marika naneho ny mbola fahavelomany. Tsy afaka nanolo ny pasipaorony nahafahany nanao ny fandraharahany, raha ny nambarany. Niverina nody izy tamin'ny Jona 2018. Hafahafa ity taratasim-pahafatesana ity, izay heverina fa izy ihany no nampanao azy. Ahiana ny kolikoly avo lenta tao anatin’ny raharaha, indrindra fa ilay resaka taratasim-pahafatesana. Hiakatra fitsarana ao Maorisy ny 16 mey izao ity raharaha ity.

Nangonin’i Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana