Dans la męme rubrique

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

19/07/2019

Kaontenera 500 isa feno entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no voalaza fa tsy maintsy hopotehina na atao lavanty ireo entana tsy misy mpaka. Mihitsoka sy mibahan-toerana ao amin’ny faritry ny ladoany ireo kaontenera ireo.

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

Hamaky ny tohiny...

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

19/07/2019

Notanterahina omaly alakamisy 18 jolay teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana Anosy ny faha-60 taonan’ny fandraharahana ny fonja. Lohahevitra tamin’izany ny hoe:

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

Hamaky ny tohiny...

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

18/07/2019

Marihina amin’ny fomba ofisialy anio 18 jolay ny andro ho an’i Nelson Mandela na ny “Mandela Day”.

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

Hamaky ny tohiny...

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

17/07/2019

Nampahafantarina tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly fa feno ny fepetra ahafahana mampitondra ny anaran’ny lalana manoloana ny kianjan’Alarobia izay mifanjohy amin’ny lalana Ranaivo Paul sy Andriatsihoarana ho lalana Zafy Albert.

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

Hamaky ny tohiny...

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

17/07/2019

Hankalazaina isaky 18 jolay ny andro ho an’i Mandela na ny « Mandela Day » araka ny fanapahana nataon’ny UNESCO tamin’ny 18 jolay 2009,

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

17/07/2019

Niditra tamin’ny andiany fahefatra tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny fivorian’ireo komity anatiny misahana ny fanajariana ny tetikasa momba ny fanatsarana ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina (TatoM).

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasa Hatao tanĂ na mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

17/07/2019

Hatao tanàna mpirahavavy ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny tanànan’i Jerosalema any Israel, raha araka ny vinavina.

Fiaraha-miasa Hatao tanĂ na mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Raharaha kolikoly avo lenta Nidoboka am-ponja ny lohona BĂ©rthin A.

06/05/2019

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny sabotsy 4 mey lasa teo ny loholona Berthin Andriamihaingo. Voasaringotra amina raharaha fanodinkodinana volabe manodidina ny 618 137 053,72 Ariary niaraka tamina olona maromaro.

 

 

 

 Tsenam-baro-panjakana tsy mazava mifandraika tamin’ny fividianana fitaovana fampangatsiahana tao amin’ny  sampandraharaha mikasika ny resaka vaksiny na ny DPEV (Direction de Programmation Elargie de Vaccination) izy io. Tetikasa novatsian’ny  GAVI na « Global Alliance for Vaccines and Immunization » vola. Nanaovan’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) fanadihadiana izy ireo ny 19 aprily, ary nahazo fahafahana vonjimaika saingy narahi-maso ara-pitsarana ary tsy nahazo niala teto Antananarivo. Tsy nanaiky mora izany ny GAVI fa nanohitra ilay didy savaranonando. Nisy didy famonjana navoakan’ny Fampanoavan’ny PAC ny zoma teo, ka nahatonga ny fisamborana. Ny Senatera avy eto Analamanga Andriamihaingo Berthin, ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fahasalamana teo aloha, ny Tale ara-bola tao amin’ny sampandraharaha iray ary kandida solombavambahoaka avy any Amoron’i Mania any ny iray, tompon’andraikitra misahana ny tsenan'asam-panjakana ny iray, ary Talen’ny vaksiny teo anivon’ny minisitera ireo. Tsenan’asa tsy ara-dalàna no anenjehana io loholona io ao anatin’ny raharaha, ka raha ny fanampim-baovao dia voalaza fa ny tsenan’asa tamin’ny voalohany dia ara-dalàna. Mbola nisy fandraisana volabe faharoa indray tato aoriana tsy nisy dosie sy taratasy mazava mahakasika an’io tsenan’asa izay azon’ny orinasany io, raha ny fanazavana vonjimaika. Toa mifameno amin’ny  voalazan’Atoa Jean Louis Andriamifidy Tale jeneralin’ny Bianco 21 febroary 2018  nilazany fa nisy fitarainana nataona olona tsy mitonona anarana mikasika ny fanodinkodinana tao amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka mahakasika vaksiny. Araka ny taratasy voarain’izy ireo, dia 600 000 ny vaksiny no nolazaina fa maty na “périmé”, izany hoe tsy azo hampiasaina intsony, mba hahafahana manodinkodina ny vola entina hanaparitahana izany fanafody izany. Zaza Malagasy 600 000 tokony hahazo vaksiny izany no tsy nahazo noho ny fanodinkodinana izay natao, hoy hatrany ny lehiben’ny Bianco tamin’izany fotoana.

 

 

Marihina fa loholona avy amin’ny antoko HVM, iray tamin’ireo 21 notendren’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina Atoa Berthin Andriamihaingo no namadika palitao niara-dia tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana filoha. Fitadiavana fialokalofana sy fiarovan-tena ve no antony ? Ahoana ny momba ireo depiote teo na olona ambony teo aloha malaza amina afera toy ny resaka boaderozy izay lasa nisarizoro sy nanohana ny filoha ankehitriny ?

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana