Dans la mme rubrique

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»

19/07/2019

Omaly no notontosaina ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao Razanamahasoa Christine sy ny teo aloha Jean Max Rakotomamonjy.

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»

Hamaky ny tohiny...

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa

19/07/2019

Taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny birao maharitra teo aloha sy vaovao eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia nikasa hanao tatitra momba ny asa vita na ny fe-potoana farany teo ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Max Rakotomamonjy sy ny filoha lefitra faritanin’Atntsiranana Mahazoasy Freddie;

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »

19/07/2019

Tsy takatro loatra ny politikan-dry zareo, hoy ny filohan’ny antoko politika Manangana Madagasikara Vaovao (MMV), Arlette Ramaroson, raha nanontaniana ny zava-nitranga teny anivon’ny antenimieram-pirenena tao anatin’izay 3 andro izay.

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »

Hamaky ny tohiny...

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

19/07/2019

Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana, ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy,

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena « Mbola lavitra ezaka ! »

19/07/2019

Nalaza teo fa vitan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea ny fampihavanam-pirenena.

Fampihavanam-pirenena « Mbola lavitra ezaka ! »

Hamaky ny tohiny...

Randriamanjato Liantsoa Bina «Mifanaraka amin’ny MAP 2 ireo tolo-dalàna haroso»

19/07/2019

Ny distrikan’Andramasina dia manana anjara toerana amin’ny toekarena. Anisan’ny faritra tena mamokatra ovy, geranium, mananasy, ravintsara ary mpiompy omby ity distrika ity.

Randriamanjato Liantsoa Bina «Mifanaraka amin’ny MAP 2 ireo tolo-dalàna haroso»

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?

19/07/2019

Nanatitra ny taratasy fametraham-pialany sy ny governemanta tarihiny teny amin’ny lapan’Iavoloha omaly 18 jolay maraina ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fiatrehana fifidianana Teboka maro no tsara ho fantatra…

06/05/2019

Higadona anio ny andro hanaovana fampielezan-kevitra. Tanjona ny hitaomana ny olona mba hifidy izay ho kandidà depiote, hoy i Thierry Rakotonarivo filoha lefitry ny CENI.

Misy kosa ireo teboka vitsivitsy tsy maintsy hajaina sy arahina rehefa manao fampielezan-kevitra, hoy izy. Voalohany, ny fanajana fotoana hanaovana fampielezan-kevitra izay voalazan`ny lalàna fa manomboka ny alatsinainy 06 mey ka mifarana ny sabotsy 25 mey ary maharitra 20 andro. Faharoa, fanajana toerana, misy toerana raran`ny lalàna tsy azo hanaovana fampielezan-kevitra toy ny tranom-panjakana rehetra, toby miaramila, toeram-piangonana na toeram-pivavahana rehetra tsy ankanavaka… Manaraka izany, fametrahana mialoha ny taratasy fangatahana hanao fampielezan-kevitra any amin`ny solontenam-panjakana. Raha ao anaty toerana mihidy no hanaovana fampielezan-kevitra dia tsy maintsy 48 ora mialoha ny fotoana no hametrahana ireo antontan-taratasy any amin`ny solontenam-panjakana toy ny prefe na lehiben`ny distrika. Raha toerana malalaka na ankalamanjana kosa dia dimy andro no tsy maintsy apetraka. Farany, tsy maintsy tandremana ireo fotokevi-dehibe amin`ny fampielezan-kevitra toy ny fandalana ny fihavanana, ny fialana amin`ny fihetsika na teny mety hampiteraka korontana, fialana amin`izay fihetsika mety hiteraka fanalam-baraka ho an`ny olona hafa na fidirana amin`ny fiainana manokan`ny olona hafa, fihetsika mety hiteraka fisaratsarahana na fanavakavahana na ara-poko na ara-pahaizana na ara-piaviana dia voarara avokoa izay rehetra izay… Natokana ho an`ny vahoaka any amin`ny distrika misy ilay kandidà ihany no ataony fa tsy ho an`ny vahoaka any amin`ny distrika hafa akory. Anjaran`ny mpifidy ireo fiarahamonim-pirenena, ireo mpiantsehatra amin`ny fifidianana no manara-maso ireo kandidà ho solombavambahoaka. Afaka mametraka fitoriana eny amin`ny fitsarana manakaiky azy na amin`ireo rantsamangaikan`ny CENI na ireo mpifidy tsotra na ireo kandidà hafa sy izay solontenany na ireo fiarahamonim-pirenena. Raha misy fandikana ireo fepetra ireo dia mety hitarika fanamelohana na eny anivon`ny fitsarana na ara-bola na an-tranomaizina... Mety hitarika fanafoanana vato izay azon`ilay kandidà ao anatin`ilay fari-piadidiana hitrangan`izay zavatra izay.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana