Dans la mme rubrique

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»

19/07/2019

Omaly no notontosaina ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao Razanamahasoa Christine sy ny teo aloha Jean Max Rakotomamonjy.

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»

Hamaky ny tohiny...

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa

19/07/2019

Taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny birao maharitra teo aloha sy vaovao eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia nikasa hanao tatitra momba ny asa vita na ny fe-potoana farany teo ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Max Rakotomamonjy sy ny filoha lefitra faritanin’Atntsiranana Mahazoasy Freddie;

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »

19/07/2019

Tsy takatro loatra ny politikan-dry zareo, hoy ny filohan’ny antoko politika Manangana Madagasikara Vaovao (MMV), Arlette Ramaroson, raha nanontaniana ny zava-nitranga teny anivon’ny antenimieram-pirenena tao anatin’izay 3 andro izay.

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »

Hamaky ny tohiny...

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

19/07/2019

Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana, ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy,

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena « Mbola lavitra ezaka ! »

19/07/2019

Nalaza teo fa vitan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea ny fampihavanam-pirenena.

Fampihavanam-pirenena « Mbola lavitra ezaka ! »

Hamaky ny tohiny...

Randriamanjato Liantsoa Bina «Mifanaraka amin’ny MAP 2 ireo tolo-dalàna haroso»

19/07/2019

Ny distrikan’Andramasina dia manana anjara toerana amin’ny toekarena. Anisan’ny faritra tena mamokatra ovy, geranium, mananasy, ravintsara ary mpiompy omby ity distrika ity.

Randriamanjato Liantsoa Bina «Mifanaraka amin’ny MAP 2 ireo tolo-dalàna haroso»

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?

19/07/2019

Nanatitra ny taratasy fametraham-pialany sy ny governemanta tarihiny teny amin’ny lapan’Iavoloha omaly 18 jolay maraina ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fampielezan-kevitra Hafana ny tontolo politika…

06/05/2019

Hiatrika ny fampielezan-kevitra amin`ny fifidianana solombavambahoaka izay hatao ny 27 mey ho avy izao ireo kandidà depiote miisa 803.

Ny 517 amin`izy ireo dia nisafidy nirotsaka amin`ny tsy miankina ary ny 296 ambiny dia miainga avy amin`ny antoko politika.  Miha mafana ny adihevitra eo amin’ny vahoaka sy eo amin’ny fitaovam-pampahalala-baovao momba ny fomba tsara indrindra hisian’ny fifidianana marina sy mangarahara. Nialoha izao fampielezan-kevitra izao mantsy dia efa nisy ireo kandidà depiote sahy nanao fampielezan-kevitra mivantana tsotra izao. Tsy misy rahateo ny lalàna mazava ny fotoana mialoha ny tena fampielezan-kevitra ka nanararaotra ny sasany. Andrasana ny fiovana sy ny fanovana amin`ny fomba fanaovana politika, ny fanajana sy ny fampiharana ny lalàna, ny fanenjehana izay mandika lalàna… mba hiainana tokoa ny tany sy fanjakana tan-dalàna. Anisan`ny vato misakana manampotsampona ny fahalalahan`ny latsabato ny vola, izay tsy miova, fa mbola io foana no foiben’ny fifandirana mafy. An-tapitrisa hatramin`ny miliara iraimbilanja maro no holaniana, kanefa mahantra fadiranovana ny ankamaroan’ny mponina. Avy aiza izany vola izany ary amin’ny fomba ahoana no hampiasana azy ? Samy mahavelom-panontaniana na ny vola avy amin’ny tsy miankina na isam-batan’olona, na ny volam-bahoaka. Hanano sarotra kokoa ny mamantatra ny karazam-bola voalohany, indrindra ange fa miha azo inoana ho marina hatrany ny fisian’ny vola maloto nodiovina. Aoka mba tsy atao fitaovana ny fahantran’ny Malagasy maro an’isa, ka ampiasaina ho fomba entina mandresy lahatra hanodinana ny safidiny amin’ny alalan’ny fanomezana tsy mahavita ny fiainany. Ny mividy safidim-bahoaka dia mira fanosihosena ny zo sy ny hasina maha olona ka tsy mendrika ho toetran’ny ray aman-drenin’ny Malagasy rehetra. Fididianana madio, manaja ny rariny sy ny hitsiny, manao ho zava-dehibe ny fanajana ny fahamarinana sy ny fifanomezan-kasina no andrasana aminareo sy ny mpiantsehatra amin’ny fifidianana rehetra. Mila mijery lavitra mba tsy ho voavidim-bola ihany koa ny vahoaka.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana