Dans la mme rubrique

Governemanta vaovao Hanahiran-tsaina an-dRajoelina…

22/07/2019

Ny faran’ny herinandro teo no noheverina fa hitsanganan’ny governemanta vaovao taorian’ny nanendrena an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra indray rehefa nametra-pialana ny 18 jolay,

Governemanta vaovao Hanahiran-tsaina an-dRajoelina…

Hamaky ny tohiny...

Vondrona GPR Mihetsika ireo mersenera politika

22/07/2019

Samy miketrika mafy ireo depiote eo anivon`ny Antenimieram-pirenena amin`izao fotoana izao. Nitsangana teo anivon`ny Antenimieram-pirenena ny vondrona parlemantera « Groupement parlementaire uni pour la République » (GPR).

Vondrona GPR Mihetsika ireo mersenera politika

Hamaky ny tohiny...

Lesoka teto Madagasikara “Tsy nisy mpanohitra sahy nijoro”

22/07/2019

Hanjaka eto Madagasikara amin’izay ny demokrasia, hoy ny solombavambahoaka, Alain Ratsimbazafy, raha nanontaniana ny heviny mikasika ny resaka fanoherana eto ankehitriny.

Lesoka teto Madagasikara “Tsy nisy mpanohitra sahy nijoro”

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena sy diplomasia Tena mbola mafy i Ravalo

22/07/2019

Lasa any ampitan-dranomasina nihazo an’i Bruxelles sy Allemagne i Marc Ravalomanana, ka haharitra herinandro eo ho eo ny diany any, raha ny loharanom-baovao.

Fiainam-pirenena sy diplomasia Tena mbola mafy i Ravalo

Hamaky ny tohiny...

Governemanta sy ny tetikasa IEM Hisy ampahany ho vita raha teknisianina no eo

22/07/2019

Naneho ny heviny mikasika ny firafitry ny governemanta vaovao, Atoa Feno mpandinika ny raharaham-pirenena, ary nambarany,

Governemanta sy ny tetikasa IEM Hisy ampahany ho vita raha teknisianina no eo

Hamaky ny tohiny...

Iray volana nitondran’ny PDS ao Toamasina I Raikitra ny kiantranoantrano sy ny aferafera…

22/07/2019

Ny alarobia 17 jolay teo no nivory nifidy izay ho filohany ireo mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina.

Iray volana nitondran’ny PDS ao Toamasina I Raikitra ny kiantranoantrano sy ny aferafera…

Hamaky ny tohiny...

Demokrasia eto Madagasikara Miverina aotra isaky ny misolo mpitondra

22/07/2019

Takon’ny Barea ny fiainam-pirenena teto Madagasikara nandritra ny iray volana teo ho eo. Amin`izao, tafiditra ao anatin’ny tena fiainana politika isika.

Demokrasia eto Madagasikara Miverina aotra isaky ny misolo mpitondra

Hamaky ny tohiny...


Politique

Josè Andrianoelison « Manana trosa miavosa ny Malagasy »

03/05/2019

Kandidà nisedra safidim-bahoaka, naneho hevitra tamin`ny famoahana voka-pifidianana voalohany ka nangingina taorian`izay, i Jose Andrianoelison na Josè Kely.

 

« Misy fotoana hitenenana sy hanginana ary manana filoha vaovao isika izao”, hoy izy. Manoloana ny resaka solika dia nilaza ny tenany fa tsy ady no ilaina amin`ireo mpandraharaha fa ny fitenenana amin`ny Malagasy ny  hoe: “ny politikantsika ve dia vidiny tokana eto Madagasikara ?” Nambara tokoa fa malalaka ny vidin-tsolika kanefa tokana. “Ity politikantsika ity ve hampiditra olona hifaninana amin`ireo sa hifampiraharaha amin`ireo sa hanangana SOLIMA vaovao araka ny ambaran`ny sasany sa kosa ilay fampiraharahana amin`ny banky iraisampirenena izay efa an-dalana amin`izao fotoana izao notohizana ?”, hoy izy Nilaza mazava tsara ny filohan`ny banky iraisam-pirenena fa miandry ny politikantsika izy ary vonona hiara-kiasa raha manana izany politika izany.Manana trosa miavosa ny JIRAMA sy ny fanjakana amin`ireo mpandraharaha ireo. Na dia nilaza ny filoha Rajoelina fa halatra no nahatonga ny trosa dia nomarihan`i Josè Andrianoelison fa rehefa manana trosa, tsy maintsy mamerina. Na oviana na oviana dia tsy maintsy hifampiraharaha amin`ireo mpandraharaha ireo amin`ny trosa ka mino aho fa vonona ny banky iraisampirenena. Io resaka solika io dia tsy vitan`ny ady fa mila olona hentitra eo amin’ny fitondram-panjakana, JIRAMA, mpanjifa, mpamatsy vola… Amin`ny volana jona no tokony hiakatra ny vidin-tsolika, hoy ny ofisim-pirenena momba ny akoran`afo kanefa tamin`ny volana martsa no tokony ho nisy “structure de prix”. Araka izany, tsy maintsy miafy ny vahoaka Malagasy satria misy trosa be miavosa, hany ka tsy alaina amin`ireo mpandraharaha ireo ny vola tokony haloany any amin`ny FER (Fonds d`entretien routier) ka ho simba indray ny lalana eto Madagasikara. Raha ny zava-misy ankehitriny, hoy ihany ity mpanao politika ity, fitohizan`ny asa nisy no ataon`ny fitondrana ankehitriny. Momba ny fiaraha-miasa amin`ny banky iraisampirenena, dia efa nisy ny dingana voalohany, toy ny CASEF (fizarana kara-tany), ny PAGOS, ilay fitsirihana (audit) nataon`ny filoham-pirenena, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana