Dans la mme rubrique

Olom-pirenena ankehitriny Sarotra atoro, sarotra tenenina, mora tohina,…

22/07/2019

Atony maro no mahatonga ny olona saritra tenenina sy atoro ary mora tohina, hoy ny mpampianatra sady mpanabe iray.

Olom-pirenena ankehitriny Sarotra atoro, sarotra tenenina, mora tohina,…

Hamaky ny tohiny...

Mpamboly lavanila any Antalaha Velon-taraina amin’ny ataon’ny mpitandro ny filaminana

22/07/2019

Mampitaraina ireo tantsaha mpamboly lavanila any amin’ny Distrikan’Antalaha ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny kaominina sasany tahaka ny any Antananambo raha ny tatitry ny solombavambahoaka Nasira Julien izay voafidy tany an-toerana.

Mpamboly lavanila any Antalaha Velon-taraina amin’ny ataon’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara-Indonezia Ambany ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra

22/07/2019

Ambany ny tahan’ny fanafaran’entana sy ny fifanakalozana ara-barotra ataon’i Madagasikara any Indonezia amin’izao fotoana izao nefa maro be ireo sehatra azo trandrahana sy ahafahana mampiasa vola eo amin’ny sehatry ny varotra.

Madagasikara-Indonezia Ambany ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra

Hamaky ny tohiny...

Hamirifiry mandritra ny telo andro Efa vonona amin’ny akanjo mafana ny olona

22/07/2019

Araka ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro, dia hamirifiry ary hangatsiaka, hidina ambany dia ambany ny maripana amin’ireo faritra eto Madagasikara,

Hamirifiry mandritra ny telo andro Efa vonona amin’ny akanjo mafana ny olona

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

19/07/2019

Kaontenera 500 isa feno entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no voalaza fa tsy maintsy hopotehina na atao lavanty ireo entana tsy misy mpaka. Mihitsoka sy mibahan-toerana ao amin’ny faritry ny ladoany ireo kaontenera ireo.

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

Hamaky ny tohiny...

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

19/07/2019

Notanterahina omaly alakamisy 18 jolay teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana Anosy ny faha-60 taonan’ny fandraharahana ny fonja. Lohahevitra tamin’izany ny hoe:

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

Hamaky ny tohiny...

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

18/07/2019

Marihina amin’ny fomba ofisialy anio 18 jolay ny andro ho an’i Nelson Mandela na ny “Mandela Day”.

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety Mifaningotra tanteraka amin`ny politika

03/05/2019

Homarihana anio 3 mey ny andro maneran-tany ho an’ny falalahan’ny asa fanaovan-gazety.

 Nivoaka tamin`ny volana aprily lasa teo ny filaharana maneran-tany eo anivon`ny “Reporters sans frontières” (RSF) momba ny fahalalana momba ny asa fanaovan-gazety. Nijanona eo amin`ny laharana faha-54 toy ny tamin`ny 2018 ihany isika Malagasy. Nihatsara kosa ny isa azo izay 1,56 raha 27,76  tamin`ny 2018 ka nahazoana io isa io amin`ny firenena 180. Eto Madagasikara, mbola voafehy ireo orinasa fanaovan-gazety. Ny toe-draharaha politika amin`ny ankapobeny no mbola mora hanodinana ireo mpanao gazety sy ireo orinasa amin`ny fanehoan-kevitra, hoy ny RSF, indrindra manoloana ireo mpanao politika sy mpandraharaha izay tompona orinasan-gazety. Mifandray amin`ny fandraharahana sy fanaovana politika amin`ny ankapobeny ny asa fanaovan-gazety, hoy ny tatitra navoakan`ny RSF, nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Nanamafy izany ny fampiasana ny asa fanaovan-gazety amin`ny politika. Efa nisy ny fandaniana lalàna mifehy ny serasera  tamin`ny 2016 izay mifandraika amin`ny lalàna famaizana ka mamaritra ny fanasaziana amin`ny resaka fihoaram-pefy amin`ny asa fanaovan-gazety izay mety hampitovy ity asa ity amin`ny heloka hafa. Raha hiverenana ny filaharana, izay manana laharana ambany no mitana ny laharana voalohany ao anatin`ny filaharana RSF. I Norvege no mitana ny laharana voalohany, manana isa 7,82, i Finlande sy Suede no eo amin`ny filaharana faharoa sy fahatelo. Eto Afrika kosa, i Namibie (23), Cap Vert (25), Ghana (27) no mitana ny laharana telo voalohany.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana