Dans la mme rubrique

Olom-pirenena ankehitriny Sarotra atoro, sarotra tenenina, mora tohina,…

22/07/2019

Atony maro no mahatonga ny olona saritra tenenina sy atoro ary mora tohina, hoy ny mpampianatra sady mpanabe iray.

Olom-pirenena ankehitriny Sarotra atoro, sarotra tenenina, mora tohina,…

Hamaky ny tohiny...

Mpamboly lavanila any Antalaha Velon-taraina amin’ny ataon’ny mpitandro ny filaminana

22/07/2019

Mampitaraina ireo tantsaha mpamboly lavanila any amin’ny Distrikan’Antalaha ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny kaominina sasany tahaka ny any Antananambo raha ny tatitry ny solombavambahoaka Nasira Julien izay voafidy tany an-toerana.

Mpamboly lavanila any Antalaha Velon-taraina amin’ny ataon’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara-Indonezia Ambany ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra

22/07/2019

Ambany ny tahan’ny fanafaran’entana sy ny fifanakalozana ara-barotra ataon’i Madagasikara any Indonezia amin’izao fotoana izao nefa maro be ireo sehatra azo trandrahana sy ahafahana mampiasa vola eo amin’ny sehatry ny varotra.

Madagasikara-Indonezia Ambany ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra

Hamaky ny tohiny...

Hamirifiry mandritra ny telo andro Efa vonona amin’ny akanjo mafana ny olona

22/07/2019

Araka ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro, dia hamirifiry ary hangatsiaka, hidina ambany dia ambany ny maripana amin’ireo faritra eto Madagasikara,

Hamirifiry mandritra ny telo andro Efa vonona amin’ny akanjo mafana ny olona

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

19/07/2019

Kaontenera 500 isa feno entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no voalaza fa tsy maintsy hopotehina na atao lavanty ireo entana tsy misy mpaka. Mihitsoka sy mibahan-toerana ao amin’ny faritry ny ladoany ireo kaontenera ireo.

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

Hamaky ny tohiny...

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

19/07/2019

Notanterahina omaly alakamisy 18 jolay teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana Anosy ny faha-60 taonan’ny fandraharahana ny fonja. Lohahevitra tamin’izany ny hoe:

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

Hamaky ny tohiny...

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

18/07/2019

Marihina amin’ny fomba ofisialy anio 18 jolay ny andro ho an’i Nelson Mandela na ny “Mandela Day”.

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fangoronan-karena mampiahiahy Mihorohoro ny hohenjehina ny Filoha

03/05/2019

Nodiana adala sy toa nezahina natao izay tsy hahatontosa ny fandinihana sy ny fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny harena azo tamin’ny fomba maloto na ny “avoirs illicites”

 

 

 

sy ny  famatsiam-bola amin’ny resaka asa fampihorohoroana, izay nihantona tanteraka satria rava rahateo ny antenimieram-pirenena. Sokajiana ho nanana ny maro an’isa afaka nanao izay hirosoana tamin’ny fijerena ireo volavolan-dalàna roa ireo ny depiote avy amin’ny MAPAR izay izy ireo rahateo no azo sokajiana ho maro an’isa afaka nanendry ny praiminisitra. Mbola nanana ny fahefana feno hampanan-kery ireny lalàna ireny ny filoham-pirenena, rehefa lany teny anivon’ny antenimiera nialoha ny naharavany ny fanomezana izay fahefana feno izay noho ny fahabangan-toeran’io andrim-panjakana mpanao lalàna io. Nahoana no tsy sahy na tsy niraika tamin’io resaka lalàna mikasika ny fanenjehana ireo mety ho voarohirohy amina harena azo tamin’ny fomba maizina io na koa ny resaka famatsiam-bola momba ny asa fampihorohoroana ny Filoha sy ny ekipany ? Tany amin’ny fandravana ny Antenimierandoholona no tena novoizina fa mandany vola. Raha dinihina sy hampiharina ireo lalàna ireo, dia azo antoka ny volabe hiditra amin’ny kitapombolam-panjakana. Resahina ny resaka mangarahara sy finiavana hiady amin’ny kolikoly saingy toa mody nikipiana ireo volavolan-dalàna roa izay sokajiana ho dingana hahafaha-miady amin’io kolikoly io. Misy antony goavana tsy nampandaniana an’ireo lalàna ireo satria ahiana voasaringotra sy voapaingotra ny mpitondra ankehitriny, ka tsy hanome bala hitifirana azy. Tamin’ireny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoha ireny rahateo, ohatra, no efa nalaza sy novoizin’ny haino aman-jery samihafa ny hoe : nampiasa volabe 182 tapitrisa Euros ny kandida Andry Rajoelina tamin’izany. Toa nanamafy io ihany koa ny tatitra savaranonandro nataon’ny mpanara-mason’ny Vondrona Eoropeanina tamin’izany fotoana fa nizara vola tamina toerana maro io filoha ankehitriny io tamin’ny Propagandy. Mety ho antony tsy hamoahana an-dry Pety Rakotoniaina any am-ponja, izay nitory ny Filoha ankehitriny noho ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Ny fitoriana teny anivon’ny Fitsarana ambony (HCJ) momba ny dosie boaderozy ihany koa tsy nisy tohiny intsony noho ny antony samihafa. Raha ny resaka ady amin’ny kolikoly, dia laharana faha-84 i Madagasikara tamin’ny taona 2008, ary nivarina 127 taty amin’ny fiafaran’ny tetezamita, raha toa ka faha-152 ankehitriny.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana