Dans la mme rubrique

Governemanta vaovao Hanahiran-tsaina an-dRajoelina…

22/07/2019

Ny faran’ny herinandro teo no noheverina fa hitsanganan’ny governemanta vaovao taorian’ny nanendrena an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra indray rehefa nametra-pialana ny 18 jolay,

Governemanta vaovao Hanahiran-tsaina an-dRajoelina…

Hamaky ny tohiny...

Vondrona GPR Mihetsika ireo mersenera politika

22/07/2019

Samy miketrika mafy ireo depiote eo anivon`ny Antenimieram-pirenena amin`izao fotoana izao. Nitsangana teo anivon`ny Antenimieram-pirenena ny vondrona parlemantera « Groupement parlementaire uni pour la République » (GPR).

Vondrona GPR Mihetsika ireo mersenera politika

Hamaky ny tohiny...

Lesoka teto Madagasikara “Tsy nisy mpanohitra sahy nijoro”

22/07/2019

Hanjaka eto Madagasikara amin’izay ny demokrasia, hoy ny solombavambahoaka, Alain Ratsimbazafy, raha nanontaniana ny heviny mikasika ny resaka fanoherana eto ankehitriny.

Lesoka teto Madagasikara “Tsy nisy mpanohitra sahy nijoro”

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena sy diplomasia Tena mbola mafy i Ravalo

22/07/2019

Lasa any ampitan-dranomasina nihazo an’i Bruxelles sy Allemagne i Marc Ravalomanana, ka haharitra herinandro eo ho eo ny diany any, raha ny loharanom-baovao.

Fiainam-pirenena sy diplomasia Tena mbola mafy i Ravalo

Hamaky ny tohiny...

Governemanta sy ny tetikasa IEM Hisy ampahany ho vita raha teknisianina no eo

22/07/2019

Naneho ny heviny mikasika ny firafitry ny governemanta vaovao, Atoa Feno mpandinika ny raharaham-pirenena, ary nambarany,

Governemanta sy ny tetikasa IEM Hisy ampahany ho vita raha teknisianina no eo

Hamaky ny tohiny...

Iray volana nitondran’ny PDS ao Toamasina I Raikitra ny kiantranoantrano sy ny aferafera…

22/07/2019

Ny alarobia 17 jolay teo no nivory nifidy izay ho filohany ireo mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina.

Iray volana nitondran’ny PDS ao Toamasina I Raikitra ny kiantranoantrano sy ny aferafera…

Hamaky ny tohiny...

Demokrasia eto Madagasikara Miverina aotra isaky ny misolo mpitondra

22/07/2019

Takon’ny Barea ny fiainam-pirenena teto Madagasikara nandritra ny iray volana teo ho eo. Amin`izao, tafiditra ao anatin’ny tena fiainana politika isika.

Demokrasia eto Madagasikara Miverina aotra isaky ny misolo mpitondra

Hamaky ny tohiny...


Politique

Stephanie Delmotte Tsy manana olana amin’ny Filoha aho

03/05/2019

Tsy nametra-pialana ary tsy nieritreritra ny hiala tsy ho Tale kabinetra sivilin’ny fiadidian’ny Repoblika, ary mampandeha an-tsakany sy an-davany ny asa iandraiketany Rtoa Stephanie Delmotte.

 

Tsy manana olana ihany koa amin’ny filoham-pirenena na amin'ireo mpiasa-miasa aminy, araka ny fampahafantarana nataony omaly manoloana ny fanontaniana mipetraka hoe : Stephanie Delmotte Nametra-pialana fa nolavin’ny filoha ? Izahay ato amin’ny Fiadidian’ny Repoblika, dia miasa ary manohy ny asa sy ireo toromarika napetraky ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ary tsy mikely soroka manao izay hampandeha an-tsakany sy an-davany ny asa rehetra, hanatrarana ny tanjona izay napetraka dia ny fantanterahana ny veliranom-pampandrosoana natao tamin'ny vahoaka Malagasy, hoy io Tale kabinetra sivilin’ny fiadidian’ny Repoblika io.  Ny risipo sy ny fahavitrihan’ny filoha Andry Rajoelina hanavotra ny firenena no anisan’ny nandrisika tanteraka ahy hiara-kiasa aminy ary hanao araka izay takatry ny fahaizako hitondra ny anjara birikiko ho fanavotana ny firenena. Maro ny asa efa vita ary mbola marobe ireo miandry antsika. Voafehy tsara avokoa ny lafiny rehetra na ara-toekarena na ara-tsosialy na ara-politika ary mizotra araka ny niheverana azy hatreto ny lalan’ny fanarenana ny firenena na dia eo aza ny sakantsakana isan-tsokajiny. Vao mainka ireny mampandroso hatrany, hoy hatrany io tompon’andraikitra ambony io.

 

Marigny A.

 

.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana