Dans la męme rubrique

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

20/06/2019

Any amin’ny paroasin’ny fiangonana katolika akaiky no misoratra anarana ireo rehetra hanatrika ny Sorona masina hotarihin’ny

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

Hamaky ny tohiny...

Maitre Olala

19/06/2019

Mbola hiakatra CODIS indray ny 21 jona izao ilay mpisolovava tsy navela hiasa 2 taona,

Maitre Olala

Hamaky ny tohiny...

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

18/06/2019

Fatim-behivavy tokony ho eo amin’ny 18-20 taona eo no hitan’ny fokonolona teo amin’ny

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

Hamaky ny tohiny...

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

MAY NY CNAPMAD

Hamaky ny tohiny...

MMV

14/06/2019

Tsy hametraka fitoriana intsony izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana MMV amin’ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena satria leo an’ilay azo raisina fa tsy mitombina.

MMV

Hamaky ny tohiny...

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

POLISY NANOLANA TOVOVAVY

02/05/2019

Nidoboka am-ponja ilay polisy izay nanao fanolanana olona notazomina tao amin’ny kaomisaria tao Fianarantsoa.

 

 

Tovovavy roa izy tsy ampy taona no nasesiny tao. Nitory ny ray aman-drenin’ireo zazavavy ary niafara tamin’ny fitazomana am-ponja vonjimaika. Raha ny fantatra dia polisy mpiana-draharaha izy io ary izy no niandry ny kaomisaria tamin’io fotoana izay nanatontosany fanolananana io. 

ZANDARY NAHAFATY OLONA

Notazomina vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Toliara ilay zandary izay nahafaty olona tao anaty « boite de nuit » tao Sakaraha. Raha tsiahivina dia niady taman’olona izy tamin’io fotoana io. Nentiny nankany amin’ny birao ilay olona ary novonoiny tao. Tezitra ny fianakavian’ny maty sy ny foko izay misy azy ary saika raikitra ny fanafihana ny tobin’ny zandary. Nisy tranga iray mitovy amin’ity koa tany Mananjary ary efa nidoboka am-ponja ilay zandary tompon’antoka. 

MARI-PAHAIZANA SANDOKA

Efa miseho tanteraka ary tsy miafina intsony ireo mpanamboatra mari-pahaizana sandoka. Mitentina 800.000ariary ny vola takian’ireo dia mahavita diplaoma izay lazainy fa tena voarakitra ara-dalàna eo anivon’ny minisiteran’ny asa. Hatreto anefa dia tsy mba nisy fanenjehana azy ireny mihitsy nefa dia fantatra fa hatramin’ny minisitra amperin’asa aza no misy nisandoka diplaoma. 

FITAOVAM-PIADIANA MIPARITAKA ANY AMBANJA

Miparitaka ao Ambanja ny fitaovam-piadiana ary olon-tsotra mandeha fiara aza dia saika manana avokoa. Nandritry ny fisavàna tampoka izay nataon’ny polisy teo amin’ny barazy no nahitàna fusil à pompe iray sy poleta vita gasy iray. Tsy nisy taratasy afaka nanamarina ny fitazomana ireo basy ireo tany amin’ireo olona roa izay nosamborina avy hatrany. Nokasaina hamidy tany Sambava ireo basy ireo. 

 

KARAMA FARANY AMBANY

Manomboka mimenomenona ny olona amin’ilay fanapahan-kevitra hampiakatra ny karama faran’ny ambany. Maninona  no tsy ny olon-drehetra no voakasik’izany satria efa iaraha-mahalala fa kely karama ny malagasy amin’ny ankapobeny. Ho an’ireo sendika indray dia milaza izy ireo ny tsy hanaiky raha toa ka misy ny orinasa izay tsy manaja ny fampiharana io baiko io. Manakorontana arak’izany ilay fanapahan-kevitra. 

KARAMA NILAOZAN’NY VANIM-POTOANA

Nijanona ho ny karama izay efa noraisina tamin’ny andron’ny repoblika voalohany no mbola raisin’ny mpiasa manampy amin’ny fitatanan-draharaha na « assistant d’administration ». Ny tambin-karama raisin’izy ireo dia 14.000 ariary ary izany dia isan’ny nampivoaka ny sendikan’izy ireo tamin’ny fahanginana. Mitaky izy ireo ny hampiakarana ny karama sy ny tambin-karama ankehitriny. 

 

 

 

# Fampiasana hosoka ary koa filatsahana ho kandidà depiote. Ireo no antony nampitsaharana ny ben’ny tanànan’i Toamasina, Elysé Ratsiraka, tamin’ny asany. Ny prefen’ny tanàna no nampahafantatra tamin’ny fomba  ofisialy izany fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny atitany izany ary nampiharin’ny prefektioran’ny polisy. 

# Miaramila efatra hatreto no namoy ny ainy noho ny fivadihan’ny kamiao miaramila izay nitondra azy ireo. Avy namboly hazo tany ambanivohitr’i Manakara izy ireo ary niharan-doza ny kamiao izay nitondra. Ny 28 ambiny dia mbola tsaboina any amin’ny hopitaly ary misy tena voa mafy amin’izy ireo. Efa nisy tranga mitovy amin’ity koa tany Tsiroanomandidy ary nahafaty miaramila efatra.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana