Dans la mme rubrique

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanàna teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanàna teknolojika

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’ny Arendrina Matin’ny vita sinoa ny vita Malagasy

24/06/2019

Mitaraina ireo mpivarotra. Mikaikaika noho ny hafitsoky ny Sinoa ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy eto amintsika. Maty mantsy ny tsenan’izy ireo ary zara raha misy mividy,

Tsenan’ny Arendrina Matin’ny vita sinoa ny vita Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Lalàna sy zo fototra maha olombelona Fanoitra amin’ny fampandrosoana

21/06/2019

“Voararan’ny lalàna ny manala baraka olona sy miteniteny foana, fa endrika tsy fanajana ny zo fototra maha olombelona”, hoy Razanatahina Florence,

Lalàna sy zo fototra maha olombelona Fanoitra amin’ny fampandrosoana

Hamaky ny tohiny...

Masoivoho Alemana Gehrig Harald Handao an’i Madagasikara

21/06/2019

Nahavita ny fe-potoam-piasany teto Madagasikara, ny Ambasadaoron’i Alemaina, Atoa Gehrig Harald mivady, ka tonga nanao veloma ny praiminisitra Ntsay Christian.

Masoivoho Alemana Gehrig Harald Handao an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Tsenam-baro-panjakana Mijoro hanara-maso ireo gaboraraka ny OIMP

02/05/2019

Raha ny tsenam-baro-panjakana no lalana iray hahafahana mampandroso ny firenena amin’ny alalan’ireo fananganana

 

fotodrafitrasa maro isan-tsokajiny dia ity sehatra ity no nambaran’Atoa Andrianarison Gervais filoha vonjimaikan’ny OIMP ( Observatoire  indépendent du marché publique) fa tena misy lavaka be indrindra eto amintsika.  Saika mihazakazaka ny hanao tale jeneraly, sekretera jeneraly, solombavambahoaka avokoa, hoy izy ireo olom-pirenena aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara noho io resaka tsenam-baro-panjakana io ihany. Tsy maharitra ho an’ny taranaka akory anefa ny fotodrafitrasa  haorin’izy ireny ho an’ny taranaka fa vao misy ranon’orana indray alina, ohatra, dia potika ny toho-drano, tsy ampy herintaona dia mitete ny tafon-tsekoly…. Noho ireo antony maro ireo no nijoroan’ny OIMP izay vao sambany no nijoroany teto Madagasikara, tohanan’ny PNUD. Fiarahamonim-pirenena avokoa ireo mpikambana ao anatiny ka ny tanjon’izy ireo dia ny hanara-maso ireo asa tanterahina ao anatin’ny tsenam-baro-panjakana any amin’ny faritra misy azy avy ho fanampiana ny fitondram-panjakana. Efa nisy, raha ny fantatra, ireo olona nahitan’ny OIMP fihetsika tsy manjary  ary efa nampahafantarin’izy ireo ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny izany, ireto farany kosa no tompon-teny farany ny amin’ny fitoriana azy. Nisy moa ny fihaonam-be voalohany notanterahin’ireo mpikambana ny alarobia lasa teo hahafahana mametraka ireo paikady hitondrana ny tolona. Narahin’ny fiofanana avy hatrany izany, hifarana amin’ity faran’ny herinandro ity.

Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana