Dans la mme rubrique

Harena ankibon’ny tany - Fasimainty Tsy mbola mitrandraka ny orinasa Base Toliara

24/06/2019

Nanao fanambarana ny Tale jeneralin’ny Base Toliara, Jean Bruno Ramahefarivo fa tsy misy zavatra miafina ny antontam-baovao na ny antontanisa ao amin’ny orinasa hitrandraka fasimainty fa misokatra ho an’ny rehetra.

Harena ankibon’ny tany - Fasimainty Tsy mbola mitrandraka ny orinasa Base Toliara

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny harena ankibon’ny tany Hanao tatitra amin’ny ITIE isan-taona i Madagasikara

21/06/2019

Nandray anjara tamin’ny fikaonan-doha iraisam-pirenen’ny Initiative pour la Transparence dans les Industries Extractives (ITIE 2019)

Fitantanana ny harena ankibon’ny tany Hanao tatitra amin’ny ITIE isan-taona i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Vidin-tsolika Afaka mihena hatrany amin’ny 198 Ar

21/06/2019

Mbola hilatsaka hatrany io vidin-tsolika io raha ny tokony ho izy, hoy ny mpahay toekarena Rado Ratobisaona nandritra ny tatitra fahatelo mahakasika ny maridrefin’ny Indostria nataon’ny

Vidin-tsolika Afaka mihena hatrany amin’ny 198 Ar

Hamaky ny tohiny...

Famatsiana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro Ezaka maro no hotanterahina

21/06/2019

Maro ireo dingana maro tokony hotanterahina amin’ny fampiroboroboana ny orinasa JIRAMA.

Famatsiana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro Ezaka maro no hotanterahina

Hamaky ny tohiny...

International Fair Tourism Madagascar 60 mahery ireo tsara vintana tamin’ny lalao

21/06/2019

Nizara ny lokan’ireo tsara vintana tamin’ny lalao Tombola tamin’ny ilay fampirantiana ara-pizahantany ITM 2019 izay nokarakaraina tetsy amin’ny CCI Ivato ny Ofisy Nasionalin’ny Fizahantany (ONTM) sy ireo mpiara-miombon’antoka.

International Fair Tourism Madagascar 60 mahery ireo tsara vintana tamin’ny lalao

Hamaky ny tohiny...

Orinasa tsy manaja fifaninanana eto Madagasikara Tsy mbola manana tarehimarika ny mpanadihady

21/06/2019

Niditra tamin’ny andro faharoa omaly ny fankalazana ny andron’ny fifaninanana eto Madagasikara notontosaina tetsy amin’ny Pave Antaninarenina.

Orinasa tsy manaja fifaninanana eto Madagasikara Tsy mbola manana tarehimarika ny mpanadihady

Hamaky ny tohiny...

Tanora sy ny fiarovana ny tontolo iainana Mifamatotra hiteraka fampandrosoana

19/06/2019

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny CCI Ivato ny fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny tanora sy ny asa fiarovana ny tontolo iainana na ny FIJEV izay haharitra 5 andro.

Tanora sy ny fiarovana ny tontolo iainana Mifamatotra hiteraka fampandrosoana

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Tontolon’ny asa eto Madagasikara Mbola maro ny tsy rariny

02/05/2019

“Tsy rariny ! Voafitaka ireo mpiasa niomana ho mpiasam-panjakana.

 

 

 

 Araka ny fandraisana ho mpiasam-panjakana maro teo aloha dia miaritra an-taonany maro vao voaray mpiasam-panjakana raikitra. Ankehitriny anefa miala maina toa takotra. “Nila “attestation de suppléance”, izany hoe efa niasa manana traikefa vao azo raisina

“fonctionnaire”. Maro tamin’ny maître-fram no nilazana fa miasa 6 taona vao voaray mpiasam-panjakana. Misy amin’ireo no niaritra karama tsizarizary tamin’ny “vacataire, ECD”… nandritra ny taona maro. Misy efa 18 taona tsy voaray ihany amin’ny minisitera maro. Ho ahy manokana izao 5 no niaretako izany. Mafy anefa ny manjo

fa matetika ny ECD tsy mandray raha tsy enim-bolana amin’ny karama kely. Ny “vacataire” moa dia matetika vary kely vitan’ny ray aman-dreny nefa mpampianatra amin’ny EPP miasa isan’andro, ny “subvention” mbola zara fa azo koa. Voafitaka tanteraka

izahay, niaritra ny mafy an-taonany maro nefa izao aloan’ny fitondrana. Atao fifaninanana indray ny fidirana ho mpiasam-panjakana. Moa izany tsy hanome vahana ny kolikoly sy hametrahan’ireo minister any olony sy ny iray loko politika aminy ? ”, hoy i Ignace R. Matetika moa tsy fantatr’ireo mpiasa tokoa ny “empoyé à courte durée” na ECD ka miaritra izany izy

ireo moa ny mpampiasa koa nanavao ny fifanekena arak’asa hatrany.

 

Hiady ho azy ireo sy ny hafa ianjadian’ny olana ny SMM

“Hitolona ho an’ny vacataire, ECD izahay kamarady a ! Mpiasa maro be izay mamokatra ho an’ny fanjakana dia napetraka tsy ahian’ny fitondram-panjakana indray tato ho ato. Mitady ny paik’ady hampidirana azy ireny ho mpiasam-panjakana ny sendika. Mila

jerena koa ny mpiasa amin’ny kaominina sy ny distrika tahaka ity olan’Antsirabe ity izay am-bolana maro tsy nandray karama, indrindra manoloana izao fifidianana izao”», hoy i Barison Rakotomanga, Sekretera jeneralin’ny SMM, solidarité Sydicale de Madagascar raha

nohadihadiana manokana. Tolona goavana tohizan’izy ireo koa ny fampitoviana ny mari-karama eo anivon’ny mpiasam-panjakana. Fitakiana hatrizay ireo ka mihamafy sy mahazo vahana ny tolona tato ho ato, indrindra efa fotoanany amin’izao fitondrana vaovao izao.

Nambarany fa anisan’ny tolona atrehin’ny sendika rehetra manerana ny Nosy ny fiahiana sosialy ho an’ny tsy miankina ihany koa, araka ny lalàna izay efa lany daty nefa tsy mety eken’ny fitondrana ilay fiahiana sosialy vaovao efa tamin’ny 2010. Hijery akaiky ireo mpiasa

miahy tena koa ny sendika. Ny 83%-n’ny mpiasa dia mpiahy tena avokoa, raha ny salan’isa eto Madagasikara.

 

Olana misangodina tsikaritry ny sendika

Ny karama vary masaka no mampikaikaika ny mpiasa rehetra manerana an’i Madagasikara. Endriky ny fahantrana ny karama raisin’ny Malagasy. Latsaka ny 1,9 dolara isan’olona

isan’andro ny karaman’ny mpiasa manerana ny Nosy. Maro ireo mpiasa tsy misy fiahiana sosialy nefa miasa mafy izy ireny. Misy mpiasa tsy aloan’ny mpampiasa azy ny fanampiana any amin’ny fahanterany tahaka ny CNAPS. Misy mpiasa tsy misitraka ny

fitsaboana sahaza azy noho ny tsy fampidirana fiantoham-pahasalamana tahaka ny “Ostie”.

Mirohotra ihany koa ny fanangolena maro ataon’ireo mpampiasa, ara-môraly, ara-batana,araka ny fanehoan-kevitr’i Barison Rakotomanga hatrany, Sekretera jeneralin’ny SMM.

 

 

 

“Maro ny «Syndicat jaune » ka ny mpampiasa ihany no ao ambadika

Ny tery sy ny tsindry ataon’ny mpampiasa no mahatonga amin’ny fananganana sendikà madinidinika. Io sendikà io koa anefa matetika lasa kitoatoa sy miteraka filam-baniny indraindray fa tsy tena mijoro ho mpanarina na mpandrindra. Ahitana sendikà mavo

(syndicat jaune) ihany koa eto amintsika ka ny mpampiasa ihany no ao ambadika matetika”, hoy i Eléonore Hasina, mpampiasa iray any Nosy-Be Hell Ville.

 

Teratany Malagasy nahatsangana orinasana herinaratra any Philippines

Niainga tamin’ny fianakaviana tsotra teto an-drenivohitra ny mpivady iray. Niasa tamin’ny orinasam-bahiny teto an-toerana ary mpamily ilay lehilahy. Avy eo nanankinana “soudure”, fametrahana fantsona ary nampisahanina ny fananganana ireo fotodrafitrasa goavana tao Ambatovy Moramanga sy Toamasina hatramin’ny fananganana herinaratra izy ireo. Nahita izany izy mivady dia lasa nanangana orinasana herinaratra goavana any Philippines niaraka tamin’ireo mpiara-miombonantoka taminy. Malahelo izy mivady isaky ny

tonga eto Madagasikara amin’ny delestazy fa lasa nitondra hazavana any an-tanin’olona. Mila tantanan’ny tsy miankina tahaka ny herinaratra manokana ao Ambatovy ny Jirama eto raha te

handroso sy hitondra ny fahaizany ireo mpanam-bola sy avara-pianarana toy izao. Mahantra ny Malagasy noho ny fahambanian’ny karama. Ry zareo mpitazana avy any ivelany mahatsikaritra fa zara raha velona ny Malagasy, velona fa mitsipozipozy. Any Philippines,

mikarama avo 10-15 heny ireo mpiasa raha mitaha amin’ny eto an-toerana, indrindra ireo mpiasa ambony, kanefa ny vidim-piainana mitovy. “Tsy mora ny miasa aty ivelany fa misy “norme” tsy maintsy arahina. Herintaona sy 3 volana izahay vao nahazo

“aggrégation” afaka niasa, ny karazan-ketra moa dia isan-karazany. Ny fanomezan-dalan’ny tontolo iainana havaozina isan-taona, voasazy raha vao tara na indray andro monja aza ny

fandoavan-ketra. Ny mpiasa tsy maintsy ambara any amin’ny “direction of labour and employement”, ampidirina fiantohana ara-pahasalamana sy sosialy ary fahanterana. Tena misy fitsimbinana manokana ny maha mpiasa na tsy miankina na mpiasam-panjakana.

Ny karama indray dia tombok’andro iasana ho an’ny tsy miankina ka raisina isaky ny sabotsy. 3.000 pesos, izany hoe “195.000 ariary” (raha 65 ariary ny 1pesos) isan-kerinandro no azon’ny mpiasa tsotra. Ny karama ambany indrindra dia eo amin’ny 10.000 pesos, izany hoe 650.000 ariary. Mitovy amin’ny vidin-javatra eto Madagasikara ny aty Philippines, kanefa ampahefatry ny karama ambany indrindra ny eto eto Madagasikara. Avo 10 heny na 15 heny amin’ny karaman’ny mpiasa ambony na ny “cadre” ny karaman’ny mpiasa any Philippines raha mitaha amin’ny aty Madagasikara nefa ny vidim-piainana mitovy. Ny vola miditra tsy mitovy nefa ny vola mivoaka mitovitovy ka mistery ho an’ireo teratany Malagasy aty ivelany ny mahavelona ny Malagasy eto an-toerana”, hoy i Eugène Ranaivoson, teratany Malagasy, nanangana orinasa mpamokatra herinaratra manana ny maha izy azy any ivelany.

 

Noho ny karama vary masaka, tsy misy zotom-po ny Malagasy

Teratany Malagasy iray miasa amin’ny sehatra tsy miankina eto an-drenivohitra sady mpivezivezy any ivelany, mahatsapa fa noho ny hakelin’ny karama dia tsy misy kalitao ny asa Malagasy. « Ny tontolon’ny asa amin’izao tsy misy fanajana olona firy, tsy ampy

fahalalam-pomba, raha miditra birao de misy mikitakita, indrindra amin’ny toeram-pitsaboana. Io « qualité de service » io no tsy ampy nefa tsy manana fahazotoana loatra ny mpiasa noho ny hamaivan’ny vidin-katsembohany», hoy i Sitraka Rabarijaonina izay manao

asa roa, miasa amin’ny tsy miankina sady miandraikitra fifandraisana ara-barotra any ivelany.

 

 

 

 

 

 

Fanatsarana ny lalàn’ny asa no miandry ny Solombavambahoaka voafidy eo

“Tsy salama ny asa amin’izao fotoana izao satria hita sady tsapa fa tsy mahaleo ny vidiny sarany nefa mbola arahina fandrahonana mpampiasa. Mila hatsaraina sy havaozina ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara”, hoy i Guy, mpiasam-panjakana sady mpamilin’ny

minisitra maro teo aloha.

Ny 15%-n’ny tanora no manana asa raikitra. Araka ny famakafakan’ny vovonan’ny Firaisamonim-pirenena Voifiraisana/Pfnoscm, raha ny tatitra “enquête sur la transition des jeunes vers la vie active na ETVA ” izay natomboka tamin’ny volana aprily 2017, dia mitombo ny tsy fananana asa eo amin’ny tanora Malagasy nanomboka tamin’ny taona 2016. Ny 69%-n’ny tanora dia manao asa an-tselika, tsy maharitra. Ny 55%-n’izy ireo, indrindra fa ny vehivavy dia mivelona amin’ny asa foronina ao an-tokantrano toy ny gargoty, varotra madinika ... Ny 15%-n’ny tanora ihany no mba afaka mahita asa raikitra. Maro lafy ny antony mahatonga ny olan’ny tsy fananan’asa. Tsy mipetraka mazava ny karazana fahaizana tena ilain’ny firenena. Tsy mazava ny tena itodihan’ny fampianarana eto amintsika fa mandeha an-jambany fotsiny. Variana any amin’ny rendrarendra izay sehatra tsy mamokatra ny fironan’ny safidin’ny tanora. Ny ankamaroan’ny tanora, dia any amin’ny fianarana fitantanana, lalàna, serasera, fanaovana dokambarotra na koa fianarana teny vahiny no tena mirona fa tsy ampy ny fifantohana amin’ny sehatra mamokatra toy ny fananganana orinasa fitrandrahana otrikarena izay ananantsika maro. Manampy trotraka izany ny tsy fisian’ny bankin’ny fampandrosoana ho an’ny fandraharahana, hoy i Mahamoudou Ndriandahy, filohan’ny Vovonana iombonan’ny Firaisamonim-pirenena eto Madagasikara na Voifiraisana/Pfnoscm. Tsy ny asa no tsy misy raha mijery ireo tolotr’asa amin’ny gazety isan-karazany fa tsy matoky “valeur” ny tanora.

 

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana