Dans la mme rubrique

Voafonja eto Madagasikara “Tokony hampahafantarina ny antony amonjana azy !”

24/06/2019

Niaro ny tsenan’ny tantsaha Namontana, resaka Andrefan’Ambohijanahary ary ity farany ity momba ny kianjan’Anosizato.

Voafonja eto Madagasikara “Tokony hampahafantarina ny antony amonjana azy !”

Hamaky ny tohiny...

Fidinan’ny vidin-tsolika Tsy mampiova ny saran-dalana hatreto

24/06/2019

Efa nilaza ny mpitatitra sasany fa kely ny fidinan’ny vidin-tsolika, ka tsy ahafahana mampidina saran-dalana, izay midika fa tsy nisy fiantraikany aloha hatreto.

Fidinan’ny vidin-tsolika Tsy mampiova ny saran-dalana hatreto

Hamaky ny tohiny...

Zaza very, olona tsy hita Misy ambadika politika ?

24/06/2019

Ekena fa tena misy ny fakana an-keriny, izay fikatsahana tombontsoa ara-bola amin’ny endriny maro samihafa no tanjona, na io vola takalon’aina na varotr’olona tsotra izao, mety hanaovana trafikana taova ihany koa izay tsy mbola nahitana porofo mivaingana avy amin’ny mpanao fanadihadiana aloha hatreto.

Zaza very, olona tsy hita Misy ambadika politika ?

Hamaky ny tohiny...

Fametavetana zaza tany Nosy Mitsio Miantso ny Soisa hijery ny raharaha ny GIHTNB

24/06/2019

Mipoitra indray ny raharaha fametavetana ankizy kely any Nosy Mitsio, Nosy-Be, izay mahavohirohy teratany Soisa iray. Taorian` ny fivoahan` ity resaka ity tamin` ireo haino aman-jery,

Fametavetana zaza tany Nosy Mitsio Miantso ny Soisa hijery ny raharaha ny GIHTNB

Hamaky ny tohiny...

MINFOP – CNaPS tany Moramanga Tsy maintsy ampidirina CNaPS ny mpiasa Malagasy

21/06/2019

Mbola maro ny fisalasalana sy ahiahy manodidina ny fidirana ho mpikambana amin’ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara.

MINFOP – CNaPS tany Moramanga Tsy maintsy ampidirina CNaPS ny mpiasa Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Fetim-pirenena 26 jona Manomana tolotra vaovao ny BNI

21/06/2019

Kely sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona isika.

Fetim-pirenena 26 jona Manomana tolotra vaovao ny BNI

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny fiparitahan’ny diky Nahazo toeram-pivoahana sy fidiovana ny fokontany Andraisoro

21/06/2019

Mbola betsaka ireo olona tsy manana toeram-pivoahana sy fidiovana eto amintsika. Voakasik’izany manokana ny eny amin’ny faritra iva izay ny 30 % monja no manana.

Ady amin’ny fiparitahan’ny diky Nahazo toeram-pivoahana sy fidiovana ny fokontany Andraisoro

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fahavitan-tena ara-tsakafo sy fanabeazana Vonona hanampy an’i Madagasikara i Inde

02/05/2019

Fototra iaingan’ny fampandrosoana ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fanabeazana ary vonona ny hizara ny traikefany sy hanampy an’i Madagasikara amin’ireo sehatra roa ireo i Inde,

 

 

 

 hoy Atoa Abhay Koumar masoivohon’ny Repoblikan’i Inde raha nivahiny tao amin’ny Top Radio 102.8 Fm omaly alarobia 01 mey. Mifamatotra ara-jeografia efa am-polony tapitrisa taona i Madagasikara sy Inde, hoy izy ary mbola mifamatotra ara-tantara sy ara-toekarena ihany koa. Ny fampivoarana ny fahaizana amam-pahalalana no nahafahan’i Inde izay manana mponina efa ho 1,3 miliara nandroso haingana satria mbola anisan’ireo firenena an-dalam-pandrosoana nitovitovy tamin’i Madagasikara ihany tany amin’ny taona 1970. Nandany ron-doha sy vola teo amin’ny sehatry ny fampianarana ny Indianina, nikaroka masomboly faran’ny tsara ihany koa mba hampitomboany hatrany ny voka-bariny. Efa lasa lavitra amin’ny teknolojia sy ny fitsaboana ihany koa izy. Firenena faha-6 matanjaka indrindra ara-toekarena i Inde ankehitriny ary efa filamatra maneran-tany. Mandala ny demokrasia izy ary fitambarana fanjakana maromaro, navadiny ho harena ny fahasamihafana ara-pomba sy ara-pitenenana. Tokony ho harena ho an’i Madagasikara koa izany, hoy Atoa Abhay Koumar. Tany amin’ny taona 1970 no niroso tamin’ilay « revolution verte » nampivoarana ny fambolena i Inde ary ny taona 1991 no niditra tamin’ny fanalalahana ny toekarena. Manodidina ny 18 000 ireo olona manana fiaviana Indianina na fantatry ny rehetra amin’ny hoe «  Karana » eto Madagasikara izay miasa eo anivon’ny fandraharahana sy ny varotra amin’ny ankapobeny. Manodidina ny 3.000 kosa ireo tena mizaka ny zom-pirenena Indianina. Diplaomaty vao tonga eto Madagasikara moa i Abhay Koumar. Mbola eo am-panangonana ny vaovao rehetra aho , hoy izy…Reko ny fitarainan’ny Malagasy ny amin’ny fanjakazakana na fanaovana toetra tsy zaka ataon’ny Karana sasany ary hojereko akaiky ny momba io. Hojerena tahaka izany ihany koa ny hamahana ny olana ho an’ireo mpianatra Malagasy izay mitaraina amin’ny fahelan’ny fahazoana ny maripahaizana taorian’ny fianarana norantovina tany Inde.

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana