Dans la mme rubrique

Kitra - Lalaon’ny Nosy 2019 any Maorisy Hifandona i Madagasikara sy Seychelles rahampitso

19/07/2019

Nanainga lasa atsy amin’ny Nosy Maorisy omaly alakamisy 18 jolay ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara handray anjara amin’ny Lalaon’ny Nosy na ny “JIOI 2019”. Hanomboka anio 19 jolay izy io ary hifarana ny 28 jolay.

Kitra - Lalaon’ny Nosy 2019 any Maorisy Hifandona i Madagasikara sy Seychelles rahampitso

Hamaky ny tohiny...

Fifanintsanan’ny CAN 2021 Iray vondrona amin’i Côte d’Ivoire, Niger, Ethiopie ny Barea

19/07/2019

Vita omaly ny antsapaka momba ny fiadiana ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana izay ho tompon’ny amboaran’i Afrika afaka roa taona indray na ny CAN 2021 raha toa ka hanakatona tanteraka ny

Fifanintsanan’ny CAN 2021 Iray vondrona amin’i Côte d’Ivoire, Niger, Ethiopie ny Barea

Hamaky ny tohiny...

Baolina tsara indrindra maty tamin’ny CAN Ny an’ny Malagasy no laharana voalohany hatreto

18/07/2019

Hatramin’ny omaly dia tafiditra ao anatin’ireo baolina maty miisa 10 nofidian’ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra na CAF ho tsara indrindra nandritry ny CAN 2019 ny baolina tafiditr’ilay irakiraka afovoany Malagasy, Ibrahim Amada ary mitana ny laharana voalohany mihitsy.

Baolina tsara indrindra maty tamin’ny CAN Ny an’ny Malagasy no laharana voalohany hatreto

Hamaky ny tohiny...

Barea mandalo ao La Réunion Hihaona amin’ireo Malagasy ao an-toerana

18/07/2019

Ny masoivoho malagasy ao La Réunion dia faly manasa ireo Malagasy monina ao mba ho tonga eny amin’ny CREPS anio manomboka amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva.

Barea mandalo ao La Réunion Hihaona amin’ireo Malagasy ao an-toerana

Hamaky ny tohiny...

CAN 2019 Voafidy ho mpanazatra mendrika i Nicolas Dupuis

18/07/2019

Rahampitso zoma 19 jolay ny famaranana eo amin’ny Sénégal sy Algérie amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny baolina kitra na ny CAN 2019.

CAN 2019 Voafidy ho mpanazatra mendrika i Nicolas Dupuis

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filohan’ny FMF Miantso ny Bianco hanara-maso ny K2HB

18/07/2019

“Be ireo nanontany tena hoe fa naninona ny komity natao hanarenana ny baolina kitra eto Madagasikara na ny K2HB no tsy nandray anjara tamin’ny firotsahan-kofidiana izay ho filohan’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF ?”,

Fifidianana filohan’ny FMF Miantso ny Bianco hanara-maso ny K2HB

Hamaky ny tohiny...

Fanatanjahantena sy ny baolina kitra Mila tohanana mafy mba tsy hitsotsorika indray

17/07/2019

Efa niomana ary manana tolo-dalàna hanatsarana ny tontolon’ny fanatanjahan-tena izay efa vita boky hatolotra hodinihina sy holaniana ao amin’ny Antenimieram-pirenena ny depiote Randriamanampisoa Alfred, izay filohan’ny Klioban’ny Baolina kitra Elgeco Plus.

Fanatanjahantena sy ny baolina kitra Mila tohanana mafy mba tsy hitsotsorika indray

Hamaky ny tohiny...


Sport

Volley-ball - Tompondakan’Analamanga Hitohy rahampitso 1 mey etsy Mahamasina ny andro faha-2

30/04/2019

Efa niditra tamin’ny andro faha-2, nanomboka tamin’ny sabotsy 27 aprily 2019 tetsy Mahamasina sy tamin’ny alahady 28 aprily teny Betongolo,

 

ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga  2019 eo amin’ny taranja volley-ball ka nisongadinan’ny fandresen’ny GNVB seta 3-0 ny AVB (25-07,25-15,25-11) teo amin’ny sokajy 1DM sy nandresen’ny VBCD ny VOARA  seta 3- 0 (25-11,25-12,25-08) sokajy 1DF. Hitohy  rahampitso alarobia 1 mey 2019 etsy amin’ny kianja ivelany etsy Mahamasina ny andro faha-2 ka kianja 4 no indray hanatanterahana an’ireo lalao voafaritry ny fandaharana. Hiakatra kianja manomboka amin’ny 8 ora maraina ny sokajy MG, JF, MF ary BF. Eo amin’ny ora faha-2 kosa dia ahitana ny BF, JG, MF ary ny CF. Eo amin’ny ora faha-3 dia anjaran’ny BG  sy MF  no miakatra kianja. Ary eo  amin’ny ora faha-4 sy faha-5 dia ry zareo sokajy 2DM sy 1DF ary 1DM no hamarana ny fihaonana. Lalao  miisa 16 amin’ny ankapobeny no azo harahina amin’io alarobia 1 mey 2019 io.

 

Ntsoavina Evariste

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana