Dans la mme rubrique

Soahazo Ivahona distrikan’i Betroka Rava ny tanàna noho ny famitahan’ny dahalo ny zandary

12/07/2019

Mitaky fanadihadiana tsy mitanila avy amin’ny fanjakana sy ireo fikambanana mpiaro ny zon’olombelona ny fianakavian’ireo maty notifirin’ny zandary tao Soahazo,

Soahazo Ivahona distrikan’i Betroka Rava ny tanàna noho ny famitahan’ny dahalo ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Fanafihan-jiolahy Olona roa maty voatifitra, telo naratra

09/07/2019

Nisehoana asan-jiolahy indray tao amin’ny distrikan’i Miandrivazo, ka nahafatesana sy nandratrana olona.

Fanafihan-jiolahy Olona roa maty voatifitra, telo naratra

Hamaky ny tohiny...

Ambodin’Isotry Vehivavy iray nitondra entana nobatain’ny mpanendaka

25/06/2019

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona, nitondra poketra sy entana maromaro teny an-tanany omaly maraina no nobataina mpanendaka telo mirahalahy tetsy Ambodin’Isotry.

Ambodin’Isotry Vehivavy iray nitondra entana nobatain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Zandarimariam-pirenena Raikitra ny fiadiana ny amboaran’ny SEG

19/06/2019

Nosokafana omaly 18 jona 2019 tao amin’ny Toby Ratsimandrava ny lalao ara-panatanjahatena iadiana ny amboaran’ny Sekreteram-panajakana miadidy ny zandarimaria sy ny komandin’ny zandarimariam-pirenena.

Zandarimariam-pirenena Raikitra ny fiadiana ny amboaran’ny SEG

Hamaky ny tohiny...

Halatra omby sy fandrobana Mandray 50 000 ariary isan’andro ny dahalo iray

31/05/2019

Nanamafy indray ny lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy (Cemgam) ny jeneraly Rakotonirina Theophile fa tena mila foanana ny dahalo ambony latabatra fa ireo no tena mahatonga ny ady amin’ny asan-dahalo ho sarotra amin’izao fotoana.

Halatra omby sy fandrobana Mandray 50 000 ariary isan’andro ny dahalo iray

Hamaky ny tohiny...

Halatra entana mitentina 13 tapitrisa Ariary Nidoboka am-ponja ilay mpanampy sy ny sakaizany

13/05/2019

Ny sabotsy 04 mey 2019 tokony ho tamin’ny 8 ora sasany alina dia renim-pianakaviana iray, 32 taona, monina eny amin’ny faritra 67Ha

Halatra entana mitentina 13 tapitrisa Ariary Nidoboka am-ponja ilay mpanampy sy ny sakaizany

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Rakotra polisy manao fanamiana sivily ny faritra mena

09/05/2019

Akanjo toy ny olon-drehetra mba tsy hisy hahafantaran’ny jiolahy azy no anaovan’ny mpitandro ny filaminana, efa ho roa herinandro izay hijokoana ireo jiolahy mpanendaka sy mpangarom-paosy eny amin’ny faritra mavaivay.

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Rakotra polisy manao fanamiana sivily ny faritra mena

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Firaisankinan’ny fokonolona sy ny polisy Noraisim-potsiny ireo telo lahy mpangalatr’omby

30/04/2019

Noraisim-potsiny tamin’ny alina ireo jiolahy mpangalatr’omby, noho ny fiaraha-miasan’ny mpitandro ny filaminana sy ny mponina.

 

 

 

Dahalo raindahiny miisa telo nandray anjara tamina halatra omby maro tao amin’ny faritra Antsiranana no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany faharoa Manongalaza ny alakamisy 18 aprily sy sabotsy 20 aprily 2019 lasa teo. Niara-niasa akaiky tamin’ny andrimasom-pokonolona ny polisy teo amin’ny fikarohana. Nahitam-bokany izany ka voasambotra ny alin’ny alakamisy 18 aprily 2019 tao amin’ny faritra Manongalaza Antsiranana ny iray tamin’izy ireo. Natao ny famotorana teo anivon’ny kaomisarian’ny Boriborintany faharoa Manongalaza ary tamin’izany no nanoroany ny toerana misy ireo namany roalahy hafa. Ny sabotsy 20 aprily no natao sarika am-pandriana ireo jiolahy roa hafa ka tratra tao an-tranony. Rehefa nosavaina ihany koa ny trano dia nahitana karazan’antsibe sy jabora mandry natao tanaty sobika lehibe ary tady famatoran’omby. Ireo fitaovana ireo moa dia fitondran’izy  telo lahy manao ny asa ratsiny. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana azy. Naiditra am-ponja vonjimaika mandra-piandry fotoam-pitsarana azy.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana