Dans la męme rubrique

RONGONY TRATRA TENY IVATO

15/07/2019

Nisy rongony mahery vaika « Heroine » milanja 6 kilao tratran’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly.Nodorana avy hatrany mo aizy io taorian’ny fitsirihana izay tsy maintsy natao.

RONGONY TRATRA TENY IVATO

Hamaky ny tohiny...

Fanaovan-gazety

11/07/2019

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy ary mampametra-panontaniana hoe mpanao gazety tokoa ve sa tsia no nahavita naka finday

Fanaovan-gazety

Hamaky ny tohiny...

ETAZONIA

05/07/2019

Hijanona ho mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara hatrany i Etazonia araka ny fanambaran’ny masoivohony Michael Pellitier omaly teny Ambaranjana nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Amerikanina.Sehatra iaraha-miasa ny fampianarana, fampandrosoana, ny sosialy ary ny politika.

ETAZONIA

Hamaky ny tohiny...

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

05/07/2019

Tsy vao izao no mamofompofona kolikoly lava ny baolina kitra Kaongoley fa efa nitranga ihany koa izany tamin’ny tompondakan’i Afrika ho an’ny latsaky ny 23 taona ny 24 aprily teo. Tamin’io fotoana io moa dia tena najanona tsy hanohy ny fifaninanana mihitsy izy ireo.

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

Hamaky ny tohiny...

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

03/07/2019

Teo am-pisokirana nify mihitsy ny minisitry ny serasera no azo sary tamin’ny TVM nandritry ny didim-pitsaran’ny HCC nampahafantatra ny depiote lany.

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

Hamaky ny tohiny...

BE VAOVAO

02/07/2019

Nitsidika ireo niharam-boina tamin’ny 26 jona lasa teo teny Mahamasina

BE VAOVAO

Hamaky ny tohiny...

Dian-dRajoelina any Ejipta

02/07/2019

Misy amin’ireo mpitia baolina kitra Malagasy no manahy fa hampireven’ny filoham-pirenena mialoha ny lalao hatrehany

Dian-dRajoelina any Ejipta

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

GARE ROUTIERE MAKI

30/04/2019

Nomena ny tsy miankina ny fitantanana ny toby fiantsonana Maki etsy Andohatapenaka.

 

 

Orinasa cotisse no nahazo azy ary izy no hitantana ilay toby manomboka izao. Efa mihahita anefa ny gaboraraka sy ny loto eny Andohatapenaka ka mitaky ny handraisana fepetra hentitra ny minisitry ny fitaterana. Efa mihabetsaka koa ireo mpivarotra sakafo tafiditra ao amin'ny toby fiantsonana ka manomboka manaratsy endrika ny fotodrafitrasa 

TEZITRA IREO KAOMPANIAN-TSOLIKA

Manomboka tezitra amin'ny filoham-pirenena ireo kaompanian-tsolika taorian'ny fanambarana nataony tamin'ny fanamarihana ny 100 andro. Tsy zakan'izy ireo ny hampidinana ny anjara tokony ho an'ny kaompanian-tsolika. Fantatra fa mitady ny tsy hihaona amin'ny filoha izy ireo. Ny Gpglss ihany koa dia milaza ho matahotra ny tsindry mety hataon'ny kaompanian-tsolika ireo.

OLONA 8 NOSAMBORINA TENY ANOSIZATO

Olona valo no nosamborina teny Anosizato sy ny manodidina. Izy ireo dia voarohirohy tamin’ny famonoana mpivarotra « pate jaune » amin’ny ambongadiny eny Anosibe. Notafihana tao an-tranony ilay rangahy ary novonoina ho faty. Nampiasa fiara nofaina ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ary izany no fitaovana nentina nitsoaka. Nosamborina koa ny mpamily io fiara io. 

ZANDARY IRAY NIDOBOKA AM-PONJA

Zandary iray no nidoboka am-ponja rehefa voarohirohy tamin’ny halatra lavanila. Milanja 62 kilao izany ary ny porofo rehetra dia nitodika tany amin’ity mpitandro ny filaminana ity avokoa. Lafo ny vidin’ny lavanila ary lasa mirona amin’ny halatra momba izany ny ankamaroan’ny olona izay tsy vitsy no efa lasibatry ny fitsaram-bahoaka noho io antony io. Izao koa anefa dia hatramin’ny zandary no tafiditra amin’ny halatra. 

SAMBO KELY NAMONO OLONA

Olona telo no maty navadiky ny sambokely omaly. Avy any Befotaka izy ireo ka saika hihazo an’Analalava no sendra ilay loza. Olona efapolo no nentin’ity fitaovana fitaterana an-dranomasina ity. Raha ny fanazavana hatreto dia nidona tamin’ny hazo naniry ilay sambo ary nitarika ny fivadihany izany. Nisy koa anefa no nilaza fa misy fombafomba tsy narahina ka nitarika io tranga io. 

 

 

ZANDARY MATY NITIFI-TENA

Zandary iray kilasy voalohany no maty nitifi-tena tao Morafenobe. Miasa eo anivon’ny poste avancé » ao Ankalalo izy raha araka ny fanampim-panazavana azo. Izy irery no tao an-tokantranony tamin’io fotoana io satria tsy tao ny vady aman-janany. Nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. 

RNM SY TVM

Hisokatra tanteraka ho an’ny haino aman-jery tsy miankina ny TVM sy ny RNM mandritry ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Eo koa no hahitana raha mbola misy ny firaisankinan’ny mpanao gazety, sehatra iray izay tena nopotehin’ny politika tao anatin’ny fotoana fohy. Ny tsapa dia miezaka ihany ny holafitry ny mpanao gazety mamerina io firaisankina io kanefa mbola asa izay ho vokany.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana