Dans la mme rubrique

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

19/07/2019

Kaontenera 500 isa feno entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no voalaza fa tsy maintsy hopotehina na atao lavanty ireo entana tsy misy mpaka. Mihitsoka sy mibahan-toerana ao amin’ny faritry ny ladoany ireo kaontenera ireo.

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

Hamaky ny tohiny...

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

19/07/2019

Notanterahina omaly alakamisy 18 jolay teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana Anosy ny faha-60 taonan’ny fandraharahana ny fonja. Lohahevitra tamin’izany ny hoe:

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

Hamaky ny tohiny...

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

18/07/2019

Marihina amin’ny fomba ofisialy anio 18 jolay ny andro ho an’i Nelson Mandela na ny “Mandela Day”.

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

Hamaky ny tohiny...

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

17/07/2019

Nampahafantarina tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly fa feno ny fepetra ahafahana mampitondra ny anaran’ny lalana manoloana ny kianjan’Alarobia izay mifanjohy amin’ny lalana Ranaivo Paul sy Andriatsihoarana ho lalana Zafy Albert.

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

Hamaky ny tohiny...

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

17/07/2019

Hankalazaina isaky 18 jolay ny andro ho an’i Mandela na ny « Mandela Day » araka ny fanapahana nataon’ny UNESCO tamin’ny 18 jolay 2009,

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

17/07/2019

Niditra tamin’ny andiany fahefatra tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny fivorian’ireo komity anatiny misahana ny fanajariana ny tetikasa momba ny fanatsarana ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina (TatoM).

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasa Hatao tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

17/07/2019

Hatao tanàna mpirahavavy ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny tanànan’i Jerosalema any Israel, raha araka ny vinavina.

Fiaraha-miasa Hatao tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Hetsika CNaPS Toliara PPPS Hampiroboroboana ny fiahiana ara-tsosialy

30/04/2019

Amin’ny alalan’ny fandaharan’asa fampiroboroboana ny fiahiana ara-tsosialy na ny “Programme pour la promotion de la protection sociale” (PPPS) no hanaovan’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na CNaPS,

 

 tarihin-dRamatoa Tsaboto Joslina Tale jeneraly mpisolo toerana ezaka mba ho hita taratra amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ny fiahiana ara-tsosialy. Misy ny hetsika isaky ny renivohi-paritany hivoizana ny hoe : “Fiahiana ara-tsosialy tsy miangatra, ho an’ny rehetra”. Naharitra roa andro ny tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny 25 sy 26 aprily lasa teo. Tanjona ny hampitombo sy hanitatra ny olona sahanin’ny CNaPS amin’ny resaka ara-pahasalamana, ny fisotroan-dronono, ny fanampiana ny fianakaviana sy ny loza vokatry ny asa. Ity farany izay tena mbola ambany tokoa ny tahan’ny olona misitraka izany. Ny 80%-n’ny olona nanatrika ny hetsika no izay vao nahafantatra ny maha zava-dehibe ny fiahiana ara-tsosialy. Nisongadina ny CNaPS mitety vohitra na ny “Guichet Forain”. I Mahaboboka, Sakaraha, Toliara II, Ankililoaka,… no anisan’ny nanaovana ny hetsika. Nametrahana tranoheva miisa fito manakaiky vahoaka tao an-tampon-tanànan’i Toliara, dia i Andabizy, Bazary Sanfily, Tsena fia tao Mahavatse II, Bazary Sacama, Ankilisoafilira, manoloana ny Lisea Laurent Botokeky, Ambatonomby Kamoa ary tany amin’ny kaominina Tsingobory. Teo no ho eo ireo mpiasan’ny CNaPS dia nanolotra vahaolana  ho an’ireo manana olana noho ny fiahiana ara-tsosialy. Orinasa miisa valo (08) no nahazo tohana ara-kevitra. Nampahatsiahivina fa 15 andro aorian’ny fisokafan’ny orinasa dia tsy maintsy ampidirina mpikambana CNaPS ny mpiasa. Ankizy kilasy taona faha-4 sy faha-5 miisa 48 avy ao amin’ny EPP Godwin’s Mahatsereke ao Tanambao I no niditra ho mpikambana vaovaon’ny Klioba CNaPS Zandriolona. Nisy koa ny fanentanana momba ny fahasalamana sy ny aro loza eny amin’ny toeram-piasana na SST (Santé Sécurité au Travail). Orinasa 4 no notsidihan’ny CNaPS, dia ny COMATO, SEMSToliara, ENELEC ary ny Murex International.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana