Dans la męme rubrique

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»

19/07/2019

Omaly no notontosaina ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao Razanamahasoa Christine sy ny teo aloha Jean Max Rakotomamonjy.

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»

Hamaky ny tohiny...

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa

19/07/2019

Taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny birao maharitra teo aloha sy vaovao eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia nikasa hanao tatitra momba ny asa vita na ny fe-potoana farany teo ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Max Rakotomamonjy sy ny filoha lefitra faritanin’Atntsiranana Mahazoasy Freddie;

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »

19/07/2019

Tsy takatro loatra ny politikan-dry zareo, hoy ny filohan’ny antoko politika Manangana Madagasikara Vaovao (MMV), Arlette Ramaroson, raha nanontaniana ny zava-nitranga teny anivon’ny antenimieram-pirenena tao anatin’izay 3 andro izay.

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »

Hamaky ny tohiny...

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

19/07/2019

Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana, ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy,

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena « Mbola lavitra ezaka ! »

19/07/2019

Nalaza teo fa vitan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea ny fampihavanam-pirenena.

Fampihavanam-pirenena « Mbola lavitra ezaka ! »

Hamaky ny tohiny...

Randriamanjato Liantsoa Bina «Mifanaraka amin’ny MAP 2 ireo tolo-dalàna haroso»

19/07/2019

Ny distrikan’Andramasina dia manana anjara toerana amin’ny toekarena. Anisan’ny faritra tena mamokatra ovy, geranium, mananasy, ravintsara ary mpiompy omby ity distrika ity.

Randriamanjato Liantsoa Bina «Mifanaraka amin’ny MAP 2 ireo tolo-dalàna haroso»

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?

19/07/2019

Nanatitra ny taratasy fametraham-pialany sy ny governemanta tarihiny teny amin’ny lapan’Iavoloha omaly 18 jolay maraina ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitsinjaram-pahefana tena izy Ny mpitondra ihany no sakana …

30/04/2019

Miresaka fitsinjaram-pahefana ny fitondrana ankehitriny. Tsikaritra aloha fa tsy mahafehy izany ny fanjakana.

 

 

 Ny and. 152 anatin`ny lalàmpanorenana dia mazava tsara hoe ny fokontany ao anatin`ny kaominina no kitro farany ao anatin`ny fampandrosoana nefa tsy misy miraharaha izany, hatramin’izao. Rehefa namoaka lalàna ny fanjakana, tsy kitro farany ho an`ny fampandrosoana ny fokontany fa natao “subdivision administrative de base” izay mifanohitra tanteraka amin`ny voalaza ao anatin`ny lalàmpanorenana. Lasa rafitra iray ao anatin` ny distrika  ny fokontany fa tsy rafitra iray ao anatin`ny kaominina ka izany no tsy mampandeha ny firenena. Ny sefo fokontany sy ny mpanampy azy (Vice president) no tendren`ny distrika fa ny sekreteran`ny fokontany sy ny mpitam-bola no avy amin`ny kaominina. Araka izany, ireo voatendry ireo dia tsy misy tamberin’andraikitra any amin`ny vahoaka fa any amin`izay nanendry azy ka tsy mampandeha ny fitsinjaram-pahefana. Raha zohina, tsy nanana fijery lavitra ve ny filoha raha nanao ny lalàmpanorenana ny taona 2010 ? Raha nandrafitra ny IEM ve dia tsy namaky lalàmpanorenana ? Ny IEM no drafitra voalohany hifanaraka amin'io. Izao milaza izy fa voatery miandry indray. Tsy tao anaty kajikajin`ny fitondrana Rajoelina raha nanao ilay Lalàmpanorenana 2010 izy ireo ilay hoe mandany vola ny Sena ary governoram-paritra fa tsy lehiben` ny faritra. Sahala amin`ilay hoe tsy anaty kajy ilay Mapar nanolotra an'i Hery Rajaonarimampianina ho kandida filoham-pirenena tamin`ny taona 2014, dia avy eo rehefa lasa sahirana sy farany maneran-tany i Madagasikara ny taona 2018 dia tsy tompon'antoka fa ny filoha Rajaonarimampianina irery no tompon'antoka.

Marigny A.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana