Dans la mme rubrique

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»

19/07/2019

Omaly no notontosaina ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao Razanamahasoa Christine sy ny teo aloha Jean Max Rakotomamonjy.

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»

Hamaky ny tohiny...

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa

19/07/2019

Taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny birao maharitra teo aloha sy vaovao eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia nikasa hanao tatitra momba ny asa vita na ny fe-potoana farany teo ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Max Rakotomamonjy sy ny filoha lefitra faritanin’Atntsiranana Mahazoasy Freddie;

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »

19/07/2019

Tsy takatro loatra ny politikan-dry zareo, hoy ny filohan’ny antoko politika Manangana Madagasikara Vaovao (MMV), Arlette Ramaroson, raha nanontaniana ny zava-nitranga teny anivon’ny antenimieram-pirenena tao anatin’izay 3 andro izay.

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »

Hamaky ny tohiny...

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

19/07/2019

Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana, ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy,

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena « Mbola lavitra ezaka ! »

19/07/2019

Nalaza teo fa vitan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea ny fampihavanam-pirenena.

Fampihavanam-pirenena « Mbola lavitra ezaka ! »

Hamaky ny tohiny...

Randriamanjato Liantsoa Bina «Mifanaraka amin’ny MAP 2 ireo tolo-dalàna haroso»

19/07/2019

Ny distrikan’Andramasina dia manana anjara toerana amin’ny toekarena. Anisan’ny faritra tena mamokatra ovy, geranium, mananasy, ravintsara ary mpiompy omby ity distrika ity.

Randriamanjato Liantsoa Bina «Mifanaraka amin’ny MAP 2 ireo tolo-dalàna haroso»

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?

19/07/2019

Nanatitra ny taratasy fametraham-pialany sy ny governemanta tarihiny teny amin’ny lapan’Iavoloha omaly 18 jolay maraina ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana Hiady ho an’ny Malagasy hatrany

30/04/2019

Mila solombavambahoaka tena mendrika sy hijery vahaolana hanamboarana io distrika io satria hita fa tena tanàna tokony handroso tsara manana ny maha izy azy i Sakaraha,

 

 

 hoy i Marc Ravalomanana omaly.  Azony antoka hahavita izany Atoa Rakotondravelo Emile sy Rehay Jean Charles kandidan’ny Tiako I Madagasikara, izay nanolotra azy ireo tamin’ny fomba ofisialy omaly alatsinainy 29 aprily. Manantena aho, hoy izy, fa tena hiasa ho an’ny vahoaka sy hanao araka izay tratrany mba hanovana haingana sy hanatsarana izao distrika izao, izay tena manana ny maha izy azy. Mino sy mahatoky aho, fa tsy ho ela dia hiverina aty indray hijery akaiky sy hiasa hiaraka amin’ny vahoaka. Tonga miaraka ny fanombohana ary tena hiasa hiaraka mba ho fahombiazana satria hita fa betsaka ny toe-javatra mila vahaolana, toy ny fahabetsahan’ny ankizy tsy tafiditra an-tsekoly, hoy izy. Ny trano sy sekoly misy fa ilay raiamandreny mandoa ilay saram-pisoratana anarana sy ny karaman’ny FRAM no tsy misy. Tafiakatra 92% ny taham-pidirana an-tsekoly fony izy filoha. Voatsinjo ara-pitaovana tsy nisy natao zanak’Ikalahafa ny zanaka Malagasy, fa tsy endrika propagandy tamina ampahana mpianatra vitsivitsy, toy ilay nataon’ny kandida iray tamin’ny fifidianana filoha. Tarigetrany sy ireo kandida miaraka aminy ary ny vahoaka ny hiasa tsara sy hiasa mafy ary hiasa haingana, mba hahafaha-mametraka ny fampandrosoana hositrahan’ny besinimaro. Tena tsy mipetra-potsiny I Marc Ravalomanana na eo aza ny mety fisiana kapa ranjo politika, ka tsy mihemotra fa mitety an’i Madagasikara sy manakaiky vahoaka mampahafantatra ny kandidan’ny TIMK25 sy mampita ny foto-kevitra dia ny hametraka mpanao politika sy olom-boafidy matihanina, tsy ho tsangan’olona fotsiny, fa tena hiady ho an’ny vahoaka. Hanao izay hibatana fandresena amin’ny alalan’ny fahazoana maro an’isa etsy Tsimbazaza I Marc Ravalomanana sy ny TIM, izay inoana fa ho avy masiaka amin’ny fampialezan-kevitra manomboka ny 6 mey. Nialoha ny tao Sakaraka, nandalo tao Fianarantsoa, Andranovorivato, Talatanmapano, Ihosy,… i Marc Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo nanolotra hatrany ireo kandidan’ny TIMK25, ary nanome toky fa hamerina ny hasin'ny antenimieram-pirenena, hiady ho an'ny tombontsoan'ny vahoaka amin'ny alalan'ny fahefana manao lalàna, ary hanaramaso ny fiasan'ny governemanta mba hisy fifandanjana, ahafahana miaro bebe kokoa ny Malagasy.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana