Dans la męme rubrique

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

24/06/2019

Araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI, ny vondrona politika manohana ny filoham-pirenena no nahazo ny maro an`isa.

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

24/06/2019

Ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna indray izao no malaza eto amintsika. Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa mbola hilatsaka hofidiana Atoa Marc Ramiaranjatovo hahafahany manohy ireo asa tsy vita ao anatin’ity kaominina iadidiany ity.

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana Malagasy Hividy fitaovam-piadiana raitra…

21/06/2019

Tonga nitsidika ny andiany faha-53 amin’ny hetsika iraisam-pirenen’ny fiaramanidina sy ny tontolony fanao any Bourget Paris na « Salon du Bourget 2019 »

Fanjakana Malagasy Hividy fitaovam-piadiana raitra…

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’i Ihosy Velon-taraina amin’ny hala-bato i René Fulgence

21/06/2019

Velon-taraina ny kandida ho depioten’i Ihosy, René Fulgence, manoloana ny hala-bato nitranga tao an-toerana na dia nametraka fitarainana tamin’ny HCC aza, raha ny nambarany omaly.

Distrikan’i Ihosy Velon-taraina amin’ny hala-bato i René Fulgence

Hamaky ny tohiny...

Fampidinana vidin-tsolika Esoin’ireo mpanao politika

21/06/2019

Misaotra ny filoham-pirenena, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana, Tabera Randriamanantsoa, nandany 3 andro niady hevitra hampidina ny solika.

Fampidinana vidin-tsolika Esoin’ireo mpanao politika

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana ankehitriny « Tsy tokony hiala bala intsony. »

20/06/2019

Fanjakana IRD na Mapar no mitondra izao, hoy ny mpahay lalĂ na Willy Razafinjatovo na Olala.

Fitondrana ankehitriny « Tsy tokony hiala bala intsony. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antoko TIM Efa manomana ireo mpandimby

20/04/2019

Atao antoko filamatra eto Madagasikara tahaka ireo antoko lehibe any ivelany : Etazonia, Alemana, na koa ny ANC (African National Conbgress) atsy Afrika atsimo izay efa naharitra 100 taona fa mbola manana ny maha izy azy ihany ny Tiako i Madagasikara na ny TIM. Efa manomana ireo mpandimby ihany koa ny TIM ary ho hita foana amin'ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana rehetra eto Madagasikara: hanabe ara-politika ny olom-pirenena ihany koa.

 

Efa santatarina amin’ireo kandida ho solombavambahoaka io, mba tsy ho tsangan’olona fotsiny eny amin’ny antenimieram-pirenena fa tena hiady ho an’ny soa iombonana. Hofanina amin’izay fahaiza-manao ara-politika izay ny mpikatroka sy ny olom-pirenena, ary efa nambaran’i Marc Ravalomanana ny fiaraha-miasa amin’ny matihanina avy any ivelany amin’io. Mandefa olona na manafatra matihanina ny antoko, izay miezaka manova ny fomba fanaovana politika eto amin’ny tany sy ny firenena mba tena hizotra any amin’ny fanasoavana an’i Madagasikara, fa tsy ho politikan’ny fitiavan-tena sy fikatsahana tombotsoa mihoampampana. Raha ho an’ny Filoha Nasionalin’ny TIM Atoa Marc Ravalomanana, dia ireny efa nanakoako teto amin’ny firenena sy hatrany ampitan-dranomasina ireny ny naha voahosotra azy ho olon’i Afrika 2017 sy mpitarika ara-politika mahay sy mendrika indrindra aty Afrika (Polical Leadership), izay tsy tongatonga ho azy. Manomboka hita taratra ny fanilo miampita sy fifampizarana fahaiza-manao miainga ao amin’ny TIM sy mipaka amin’ny vahoaka mba hahafahana mametraka ny soa iombonana hahafahan’ny firenena tena mandroso satria izay no tena mason-tsivana lehibe tokony hamaritana ny fandrosoan’ny firenena iray hoe : ny vahoaka manontolo no manomboka mivoatra amin’ny lafiny rehetra fa tsy olom-bitsy.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana