Dans la mme rubrique

Fiara tsy laitram-bala nomena ny tafika Tsy araky ny nampanantenaina no nitranga

14/06/2019

Tsy mahomby amin’ny fanenjehana dahalo ireo fiara tsy laitram-bala miisa roa natolotry ny filoha ho an’ny tafika, izay nilazany ny 19 janoary fa anisan’ireo laharam-pahamehana ho azy ny fampandriana fahalemana.

Fiara tsy laitram-bala nomena ny tafika Tsy araky ny nampanantenaina no nitranga

Hamaky ny tohiny...

Hopitaly HJRA Ampefiloha Simba ny fitaovana fitarafana, voatery mivoaka any ivelany ny marary

12/06/2019

Andro maromaro izao no efa simba ary tsy azo hampiasaina intsony ny fitaovana fanaovana fitarafana eo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha toy ny scanner izay any amin’ny fototra mihitsy no misy olana sy ny ampahany amin’ny fanaovana radio.

Hopitaly HJRA Ampefiloha Simba ny fitaovana fitarafana, voatery mivoaka any ivelany ny marary

Hamaky ny tohiny...

Aretina kitrotro Tsy nisy intsony ireo matiny teto amintsika, am-bolana maro izao

06/06/2019

Namoaka tatitra mikasika ny fanaraha-maso ataon’izy ireo mikasika ny fivoatran’ny aretina kitrotro eto amintsika ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

Aretina kitrotro Tsy nisy intsony ireo matiny teto amintsika, am-bolana maro izao

Hamaky ny tohiny...

Fijoroana vavolombelona “Tena ratsy ny sigara, sady toy ny mandoro vola ny mividy azy”

04/06/2019

Raim-pianakaviana iray anisan’ireo mpifoka sigara nikoizana Rakotomanga Jonah. Efa 25 taona nifohana izy ary nahalany roa fonosana isan’andro teo aloha ary efa nahenany efatra isa isan’andro amin’izao.

Fijoroana vavolombelona “Tena ratsy ny sigara, sady toy ny mandoro vola ny mividy azy”

Hamaky ny tohiny...

Aretina mamany lava Misy tranga vaovao 4 000 isan-taona

24/05/2019

Vehivavy 5 hatramin’ny 7 no tonga manatona eny amin’ny hopitaly HJRA isam-bolana, hitsabo tena noho ny aretina mamany lava.

Aretina mamany lava Misy tranga vaovao 4 000 isan-taona

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny fahasalamana Malagasy Manjaka tanteraka ny kinamanamana

17/05/2019

Manjaka tanteraka ny « Népotisme » na resaka kinamanamana sy fiaviana eo amin’ny fandraisana mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana Malagasy etsy Ambohidahy.

Minisiteran’ny fahasalamana Malagasy Manjaka tanteraka ny kinamanamana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny aretina homamiadana Hanampy antsika i Inde

16/05/2019

Tonga nanatitra ny taratasy maniraka azy ho masoivohon’i Inde eto Madagasikara tetsy amin’ny lapan’Iavoloha omaly alarobia 15 mey , ny ambasadaoro vaovaon’ity firenena ity, Abhay Kumar.

Ady amin’ny aretina homamiadana Hanampy antsika i Inde

Hamaky ny tohiny...


Fahasalamana

Tetikasa ara-pahasalamana “IMPACT” Vatsian’ny Amerikanina vola 32 tapitrisa dolara

16/04/2019

Hamatsy vola tetikasa fanatsarana ny famatsiana sy fanapariahana kojakoja miampy fanafody ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ady amin’ny tazomoka ary fandrindrana fiainam-pianakaviana i Etazonia, ka vola mitentina 32 tapitrisa dolara anatin’ny 5 taona no haompana amin’izany.

 

Tetikasam-pahasalamana goavana faharoa ho an’ity taona ity, izay tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe: IMPACT na “Improving Market Partnership and Access to Commodities Together”, izay fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tsena sy ny fahafahana mampiasa kojakoja, iarahana amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.  “Tanjon’ny tetikasa IMPACT ny hiantoka fa tonga any amin’ireo tena mila izany ny fanafody sy kojakoja ara-pahasalamana rehetra; hatrany amin’ireo faritra mitoka-monina indrindra. Amin’izay raha misy mpitsabo mila fanafody hamonjena ain’olona na misy mpanentana ara-pahasalamana mila vaksiny hiarovana ankizy, dia hanana izay ilainy avy hatrany,” hoy Atoa Michael P. Pelletier, Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, nandritra ny lanonana fanokafana. Nankasitraka sy naneho fisaorana ny governemanta amerikanina noho ny fanohanany tsy tapaka ny vahoaka Malagasy kosa ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Julio Rakotonirina. Faritra 13 eto Madagasikara no hanatanterahana azy io, ka ny 10 ahitana fandaharana ara-pahasalamana vatsian’ny USAID ary ny 3 ambiny kosa ahitana hetsiky ny Banky Iraisam-pirenena. Ny PSI Madagasikara no mitarika ity tetikasa ity ary tohanan’ny PATH, Management Sciences for Health (MSH), Banyan Global, ary ny Fondation Telma. Vao ny herinandro lasa teo moa ny governemanta Amerikanina no nanomboka ny tetikasa ACCESS, haharitra dimy taona ary mitentim-bidy 90 tapitrisa dolara, ka hanamafisana ireo fandaharana ho an’ny fitsaboana ao anatin’io ACCES io ny IMPACT.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana