Dans la mme rubrique

Praiminisitra Etiopiana Mitaky 150 miliara dolara ho an`i Afrika

25/03/2020

Omaly dia niantso ny G20 na ny vondron` ireo firenena 20 matanjaka indrindra maneran-tany ny praiminisitra Etiopiana, Abiy Ahmed ny mba hanohanana ny toekarena Afrikanina izay miha marefo amin` izao fihanaky ny Covid-19 izao.

Praiminisitra Etiopiana Mitaky 150 miliara dolara ho an`i Afrika

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Nogiazan’i Italia ireo fitaovam-pisefoana 1840 tokony ho an`i Grèce

25/03/2020

Nanambara ny manampahefana ao Italia fa hamehana ny COVID-19 ao aminy ka nisy fanagiazana fitaovam-pisefoana (circuits respiratoires) miisa 1840, izay tsy maintsy ampiasaina ho an` ireo marary voan` ity aretina ity.

Ady amin’ny Coronavirus Nogiazan’i Italia ireo fitaovam-pisefoana 1840 tokony ho an`i Grèce

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Naniry ny halevina araka ny fomban-drazana aty Madagasikara

25/03/2020

Malagasy voalohany, nindaosin’ny fahafatesana noho ny “coronavirus” tany Frantsa ny dokotera Razafindranazy Jean-Jacques, izay mpitsabo tao amin` ny hopitalin’i Compiègne, departemantan’i Oise, Faritra Hauts-de-France.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Naniry ny halevina araka ny fomban-drazana aty Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

CHINE Misy valan’aretina vaovao indray

25/03/2020

Raha toa ka nambaran-dry zareo Sinoa fa efa voafehy ny Coronavirus dia toa tsy mbola tafavoaka ny ala izy ireo satria fantatra fa nisy lehilahy iray matin’ny otrik’aretina iray vaovao indray antsoina hoe Hantavirus.

CHINE Misy valan’aretina vaovao indray

Hamaky ny tohiny...

Manu DiBango Matin’ny Coronavirus

25/03/2020

Mpanakanto zokiolona, mpitsoka saxophone nikoizana, nanabevoho ny tontolon` ny mozika eran-tany. Nodimandry teo amin`ny faha-86 taonany, omaly maraina, tao Parisy Frantsa i Emmanuel N'Djoké Dibango na Manu Dibango.

Manu DiBango Matin’ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Firenena mikambana Nodimandry i Kofi Annan

20/08/2018

Misaona ny firenena mikambana satria nodimandry teo amin’ny faha 80 taonany i Kofi Annan, Sekretera Jeneralin’ny Firenena mikambana (Onu) teo aloha ny sabotsy 18 Aogositra lasa teo tany Bern (Suisse).

Firenena mikambana Nodimandry i Kofi Annan

Hamaky ny tohiny...

Zinedine Zidane

01/06/2018

Nanambara tao anatin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny ivotoerana fanaovan’ny Real fanazaratena omaly tolakandro ilay mpanazatra Frantsay Zinedina Zidane fa nanapa-kevitra ny tsy hanazatra an’ity ekipa notantanany nanomboka tamin’ny 4 janoary 2016 ity intsony ny tenany amin’ny taom-pilalaovana ho avy izao.

Zinedine Zidane

Hamaky ny tohiny...


Vaovao avy any ivelany

Fahamaizan’ny Notre Dame de Paris Misy ambadika politika ?

16/04/2019

Hatairana ny an'ny mponina tao Parisy, renivohitra Frantsay omaly hariva raha nahita ny fiangonana Notre Dame de Paris may. Nahitana lelafo nivoaka tamin'ny tafo antsoina hoe"comble". Teo amin'ilay tilikambo (Grande Rosace) mirefy 93 metatra no nanombohan'ny afo. Sarotra ny namono sy nifehy ny afo satria somary tery ny lalana sady eo afovoan'ny tanàna mihitsy. Mahery rahateo ny rivotra ka sarotra ho an' ireo mpamonjy voina ny nifehy ny afo.

 

Ao anatin'ny alahelo ny frantsay amin'izao. Hatramin'ny nanoratanay, tsy mbola fantatra ny fototry ny afo saingy raha ny resaka mandeha dia nisy fanamboarana tao amin'ity fiangonana vakoka ity. Toerana manan-tantara ho an'ny mpino kristianina sady anisan' ireo tranainy indrindra maneran-tany. (850 taona) ny Notre Dame de Paris ary saika hita ao anaty boky malaza soratan'ireo kalaza amin'ny haisoratra toa an' i Victor Hugo,... Na koa horonantsary malaza toy ny “The Da Vinci Code” . Mampalahelo ny tranga, indrindra amin'izao ankatoky ny fetin'ny paska izao. Naneho ny alahelo ny filoham-pirenena frantsay Emmanuel Macron. Raha tokony hanao fanambarana momba ny hetsika "gilets jaunes" omaly izy dia voatery naato izany. Mampatsiahy ny fahamaizan' ny Rovan' i Manjakamiadana teto Antananarivo Renivohitra 24 taona lasa izay ity loza ity ; ary efa mandeha sahady ny resabe fa mety misy ambadika politika satria anatina krizy lehibe noho ny hetsiky ny “gilets jaunes” i Frantsa ankehitriny ary tena latsaka ambany be ny fankafizan’ny Frantsay ny filoha Macron. Sarotsarotra mantsy ny hinoana fa hoe resaka tsy nahy na noho ny ankison’aratra (court circuit) no nahatonga ny afo satria henjana sady hentitra ny fiambenana sy fanaraha-maso ny asa fanamboarana natao tamin’ny Notre Dame de Paris. Andrasana ny ho tohin’ny fanadihadiana !

Marigny

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana