Dans la męme rubrique

IMERIMANDROSO Tsy omby intsony fa olona no alain’ny dahalo

15/10/2019

Miaina anaty fitaintainana tanteraka ireo mponina ao anatin’ny kaominina Imerimandroso, distrikan’Ambohidratrimo.

IMERIMANDROSO Tsy omby intsony fa olona no alain’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Tafika ana habakabaka Tena ilaina amin’ny fametrahana fandriampahalemana

05/09/2019

Nanatanteraka fitsirihana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy teny amin’ny kianja « Soamandrakizay » ny praiminisitra ny harivan`ny 03 septambra 2019 ary niaraka tamin’izany dia nisy ny lanonana namoahana mpanamory angidimby tamin’ny fomba ofisialy, notanterahina tao amin’ny foiben’ny Tafika ana habakabaka Malagasy.

Tafika ana habakabaka Tena ilaina amin’ny fametrahana fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny...

Tsy filaminana eto amin’ny firenena “Misy andraikitra tsy efan’ny fitondrana.”

27/08/2019

Malahelo amin’ny fisian’ny tsy filaminana eto amin’ny firenena izahay mpiaro ny zon’olombelona, hoy ny filohan’ny fikambanana Zon’olombelona mampandroso vahoaka sy Zon’olombelona mijoro,

Tsy filaminana eto amin’ny firenena “Misy andraikitra tsy efan’ny fitondrana.”

Hamaky ny tohiny...

Polisim-pirenena Nahazo tale vaovao telo

16/08/2019

Lanonana telo sosona no notanterahina teo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka ny alarobia 14 aogositra 2019 teo, dia ny fifamindram-pitantanana teo anivon’ny DRH (Direction des Ressources Humaines),

Polisim-pirenena Nahazo tale vaovao telo

Hamaky ny tohiny...

Mpanao politika efa adinodino Mety hipoitra indray

08/08/2019

Na tsy mbola fantatra aza ny tena daty ofisialy dia naman’ny azo lazaina foana hoe akaiky ny fifidianana ben’ny tanàna. Be ny zava-nanaitra teo amin’ny tontolo politika tato ho ato.

Mpanao politika efa adinodino Mety hipoitra indray

Hamaky ny tohiny...

Fakana an-keriny sy asan-dahalo Mpanao “kidnapping” 5 lahy tratra

05/08/2019

Tratra ny jiolahy miisa 5 naka an-keriny zazalahy 12 taona tany Betela Morarano Kraoma, distrikan’Amparafaravola ny harivan'ny 16 jona 2019.

Fakana an-keriny sy asan-dahalo Mpanao “kidnapping” 5 lahy tratra

Hamaky ny tohiny...

BETROKA Nisy namaky ny vala nanagiazana ireo omby halatra

30/07/2019

Nisy nikasa hiditra an-keriny ny toerana nanagiazan'ny kaominina ireo omby azo avy any Soahazo Mangalahy. Ny sabotsy lasa teo no tsikaritra fa nisy nanapitsoka ny toerana nitazonan’ny kaominina Betroka ireo omby saron'ny zandary ireo.

BETROKA Nisy namaky ny vala nanagiazana ireo omby halatra

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Fanafihana BRINKS nitondra vola Jiolahy 2 matin’ny zandary

15/04/2019

Miala any ny fahasahiana fanafihana fiara tsy laitram-basy mpitatitra vola.

 

 

 

 

Toy izao tranga izao ihany no niantombohan’ny kidnapping fa nahazo vahana izany taty aoriana rehefa tsy nandray an-tanana matotra ny voakasika sy ny manampahefana ara-miaramila. Mitaky fahamalinana amin’ireo mpitondra vola, indrindra ny orinasa Brinks izany. Nahomby ny hakingan’ny zandary mpiana-draharaha nisoroka ny fandrobana ny volan’ny banky nentin’ny Brinks. Andian-jiolahy dimy mitam-piadiana no nanatona sy nanambana basy ary nibosesika saika hiditra tao anaty fiarabe mpitatitra vola, tamin’ny 1 ora sy fahefany, ny sabotsy teo. Teo am-pamatrarana vola avy ao amin’ny fitaovam-pitateran’ny «Brinks» haiditra tao amin’ny fandraisam-bolan’ny mpanjifan’ny BNI, na DAB teo amin’ny tobin-tsoliky ny Jovenna Amoronakona By Pass no nitranga ny sakoroka. Nifanjevo hiditra amboletra ireo malaso izay nosakanan’ny mpitondra ny fiara, nahatsikaritra izany ireo tao amin’ny tsena ka nampandre ny zandary teo amin’izy ireo. Nihetsika avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny « EP3/FIGN », izay teny an-toerana namita iraka hiahy ny fandriampahalemana eny an-toerana sy hisoroka ny asa ratsy izay mety hitranga amin’iny faritra iny tahak’izao. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary, nitifitra avy hatrany ny mpitandro filaminana mba hiarovana io fiarabe io. Nanjavona kosa ireo telo lahy hafa raha voatifitra ny jiolahy roa maty tsy tra-drano moa. Tra-tehaka tamin’izany ny basy poleta iray sy bala maromaro, sarona ny môtô ary nogiazan’ny zandary avokoa. Vory vetivety teny an-toerana ny zandarin’ny borigady Ambohimangakely sy ny vondron-tobim-paritra Analamanga ka nipariaka nitady ilay fiara mpitondra vola voalaza fa lasan’ny jiolahy. Kinanjo afaka fotoana ela taty aoriana dia niantso ny tompon’ny orinasa Brinks fa efa tody soa tany amin’izy ireo ilay fiara izay nentin’ny mpamily azy ihany. Tsy nisy nipika kosa ny vola tao aminy.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana