Dans la mme rubrique

Hala-jaza mateti-pitranga Mifono zava-miafina…

14/06/2019

Zaza dimy na enina isan’andro no manjavona amin’ny filazana « ombay mitady » amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, raha ny tatitra hita, araka ny loharanom-baovao iray (dépeche orange Madagascar) omaly.

Hala-jaza mateti-pitranga Mifono zava-miafina…

Hamaky ny tohiny...

Fanomezan-dra Ireo 20 % nanao hatramin’izay ihany no mazoto

14/06/2019

Tsy mety mitombo mihitsy hatreto ireo mpanome ra manerana ny Nosy. Ireo 20 % efa mpanome manerana ny Nosy ihany mantsy no manome ka tsy mety manana tahiry isika.

Fanomezan-dra Ireo 20 % nanao hatramin’izay ihany no mazoto

Hamaky ny tohiny...

Fetin’ny ray Maro ireo fanomezana azo hatolotra an’i Dada

14/06/2019

Hankalazaina amin’ny alahady 16 jona 2019 ho avy izao ny fetin’ny ray amin’ity taona 2019 ity. Ho avy tsy ho ela ihany koa ny fetim-pirenena 26 jona.

Fetin’ny ray Maro ireo fanomezana azo hatolotra an’i Dada

Hamaky ny tohiny...

CNaPS tany Vatomandry 43 indray no nofanina momba ny fiahiana ara-tsosialy

13/06/2019

Miisa 43 ny mpampiasa sy mpiasa ao anatin’ny distrikan’i Vatomandry faritra Atsinanana nihaino sy nandray an-tsoratra ireo pitsopitsony momba ny lalàna mifehy ny asa.

CNaPS tany Vatomandry 43 indray no nofanina momba ny fiahiana ara-tsosialy

Hamaky ny tohiny...

Ambasadaoron’i Inde Mampirisika ny Malagasy hanao Yoga

13/06/2019

Ny 21 jona 2014 no daty voatendrin’ny firenena mikambana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny Yoga.

Ambasadaoron’i Inde Mampirisika ny Malagasy hanao Yoga

Hamaky ny tohiny...

Anosibe-Antananarivo Manjaka ny havoretrana sy tsy fifanajana

13/06/2019

Samy manao izay saim-pantany, ary toy ny tany tsy misy lalàna amina toerana maro eto an-drenivohitra, tahaka ny etsy Anosibe.

Anosibe-Antananarivo Manjaka ny havoretrana sy tsy fifanajana

Hamaky ny tohiny...

MAZAVAL RUN andiany fahatelo Hotanterahina ny 15 jona ho avy izao

13/06/2019

Hotanterahina amin’ny sabotsy 15 jona ho avy izao ilay hetsika Mazaval Run andiany fahatelo, karakarain’ny Okalou.

MAZAVAL RUN andiany fahatelo Hotanterahina ny 15 jona ho avy izao

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fandaminana ny mpivarotra amoron-dalana Misy manipy hoditr’akondro ve ny ben’ny tanàna ?

15/04/2019

Nanao hetsika fanairana tetsy amin’ny Pavillon Analakely ny faran’ny herinandro teo ny fikambanan’ireo mpivarotra eo anivon’ity tsena ity na ny FIMPAVA mba hanairana ny avy eo anivon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra hanala ireo mpivarotra tsy ara-dalàna izay manakona ny mpivarotra ara-dalàna ao amin’ny pavillon.

 

 

 

 Efa nisy ny fifampiresahana tsy latsaky ny in-dimy tamin’ny ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana, tamin’ny taon-dasa raha ny fanazavan’izy ireo, ary vahaolana natolotra ny fanefena ireo lalana miditra saingy mbola tsy afaka hatrany ireo mpivarotra an-tsisin-dalana. Miisa 814 ireo mpivarotra ara-dalàna ary zara raha misy 20% amin’ny tombom-barotra teo aloha sisa no azon’izy ireo raha misy dia misy, hoy hatrany ny fanazavana, satria misy entana hamidin’ny ao anaty tsena amidin’ireo eo amoron-dalana mora. Araka ny fanadihadiana natao moa dia re fa misy tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina ihany koa maniraka olona mitaky vola amin’ireo mpivarotra amoron-dalana ary antony tsy hialany teo. Araka ny fantatra dia efa nanome baiko ireo mpiara-miasa aminy teo anatrehan’izy ireo mihitsy tamin’izany fotoana izany ny ben’ny tanàna ny amin’ny hamindrana toerana ireo mpivarotra tsy nety niditra tao anatin’ny tsena saingy mahagaga ireo mpivarotra nanao hetsika fanairana ireto anefa ny mbola tsy fialan’ireo mpivarotra amoron-dalana. Mitoetra ihany ny ahiahy noho ny zava-mitranga, sao misy manipy hoditr’akondro ny ben’ny tanàna na koa misy mamahan-dalitra ka mahatonga ny fanapahan-kevitra  hafahafa ?

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana