Dans la męme rubrique

Edito Lasa anjoria !

18/09/2019

Efa iaraha-mahalala sy iaraha-mahita ankehitriny fa na ny miresaka ny IEM izany aza dia efa tsy fandre loatra ao anatin’ireo kabarin’ny mpitondra malagasy ankehitriny intsony.

Edito Lasa anjoria !

Hamaky ny tohiny...

Edito Firehana manimba

16/09/2019

Miditra ao anatin’ny antsoina hoe rivo-pifidianana sahady indray isika ankehitriny.

Edito Firehana manimba

Hamaky ny tohiny...

Avo lenta

13/09/2019

Maro no gaga, teo ny sanganehana, nisy no nalahelo, sosotra sy diso fanantenana omaly raha nahafantatra ny kandida natolotry ny antoko politika 2 sokajiana fa matanjaka indrindra eto Madagasikara amin’izao fotoana.

Avo lenta

Hamaky ny tohiny...

Edito Bokotra diso fanidy

12/09/2019

Tafiditra ao anatina teny fampanantenana nataona filoham-pirenena anisan’ny niezinezina indrindra teto ambonin’ny tany ny veliranon’ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny hoe « Ny asa tsy vita tao anatin’ny 58 taona dia hovitaintsika ao anatin’ny 5 taona. ».

Edito Bokotra diso fanidy

Hamaky ny tohiny...

Voky fampanantenana !

11/09/2019

Niteraka fitoniana ara-politika tao anatin’ny fotoana fohy ny fandalovan’ny Papa Fransoa teto.

Voky fampanantenana !

Hamaky ny tohiny...

Edito Ho hita eo tokoa !

10/09/2019

Tonga ity ny fotoana hiverenan’ny filoham-panjakana vatikanina any amin’ny firenena nampandraketana azy ary hialany ihany koa eto Madagasikara taorian’izay fotoana vitsy nafonja niezahany namafy fiadanana sy fanantenana teto izay.

Edito Ho hita eo tokoa !

Hamaky ny tohiny...

Edito Hisoroka fahafaham-baraka…

06/09/2019

Tonga ity ilay andro malaza. Higadona eto an-tanindrazana ny vahiny lehibe ary tena manan-kaja.

Edito Hisoroka fahafaham-baraka…

Hamaky ny tohiny...


Edito

Tsy misy tampenam-bava eto !

15/04/2019

Telo volana latsaka kely nitondrana ny firenena ny filoha ankehitriny. Telo volana tsy hahafaha-mitsara azy amin’izay mety vitany sy tsy vitany angamba, saingy toa efa ahafaha-mamaritra ny politikam-panjakana hitondrana ity firenena iaraha-manana ity.

 

 Amin’izay maha iaraha-manana izay, dia tsy an-dRajoelina sy ny ekipany irery akory i Madagasikara, ka hanaovana izay tian-katao sy izay hitsin’ny loha, ka zon’ny Malagasy rehetra ny miteny sy maneho hevitra eo anatrehan’ny zava-misy sy ny mety ho tsy fanjariana ataon’ny mpitondra. Manana zo feno ny isam-batan’olona satria mandoa hetra, ary volam-bahoaka no higalabonan’ny mpitondra fanjakana ao. Manana zo feno ny tsirairay satria olom-pirenena feno tompon’ny fahefana, raha tena mipetraka tokoa ny demokrasia. Manomboka ketrehina mafy ny hampanginana an-kolaka amin’ny kiana mahazo ny fitondram-panjakana. Aoka hazava fa matoa miteny na manakiana tsy midika velively ho halako bika tsy tiako tarehy, fa kosa arofanina ho an’ny tanindrazana tsy hoviraviraina eto. Tombony ho an’ny fitondrana mba hahafahany mitandrina sy manitsy ny diany, araka izany, ireny kiana samihafa ireny, raha tena madio fo ny mpitondra ary manana fahitsiana ao anaty fitantanana ny firenena. Mba mila manaiky ho diso ihany koa, fa tsy ny hoe: lehibe tsy mba meloka hatrany no hovoizina eto, ka na efa hita izao aza fa mivaralila, dia minia manao bemarenina. Raha tena mitsinjo ny soa ho an’ny vahoaka sy ny tanindrazana tokoa, dia mila mahay mihaino satria io no anisan’ny olantsika eto. Rehefa ny sokajiana ho fahavalo politika no miteny, dia toa ratsy sy tsy raharahiana avokoa. Baikoan’ny halako bika tsy tiako tarehy mihitsy aza indraindray, ary nahatarafana ireny ny adihevitra nifanaovan’ny kandida roa tonta nialoha ny fifidianana, ary raha hiverenana lavidavitra kokoa ny tantara tany aloha dia anisan’ny nanonganana ny fanjakana 10 taona lasa izay ny politikam-panjakana. Nokianina mafy teto ny resaka fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola mahazatra, nohivaivaina teto ny politikan’ny fanamboaran-dàlana sokajiana ho làlan-dran’ny firenena,… Inona anefa no atao ankehitriny ? Raha tsy mba nahandry tantana sy tsy nanongam-panjakana tsy ho izao mihitsy no niafaran’ny firenena. Mora ny mandrava sy mamotika fa sarotra ny manarina, ka tsy vitan’ny fampanantenana sy kisehoseho ivelany io ! Izao tsarain’ny natao, ary toa lany bala sy miezaka mamilivily saim-bahoaka, ankoatra ny tazom-pahefana hita taratra amin’izao fifidianana solombavambahoaka izao, ka toa hikipiana hatramin’ny lalàna velona.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana