Dans la mme rubrique

Raharaha DG Kraomita teo aloha Voatonontonona matetika i Hery Rajaonarimampianina

27/01/2020

Naiditra am-ponja vonjimaika ny tale jeneralin’ny Kraomita Malagasy teo aloha, Rakotoarisoa Arsène Jean de Dieu sy ramatoa iray ary mpiasa roa eo anivon’ny kraoma.

Raharaha DG Kraomita teo aloha Voatonontonona matetika i Hery Rajaonarimampianina

Hamaky ny tohiny...

Angovo azo havaozina Vahaolana amin’ny andro ratsy

27/01/2020

Tsy maintsy miroso amin’ny fiampitana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina i Madagasikara.

Angovo azo havaozina Vahaolana amin’ny andro ratsy

Hamaky ny tohiny...

Boeing 777X Mampanahy ny maro sahady

27/01/2020

Ny toetr’andro ratsy no nolazaina ho nampihemotra ny fisidinan’ny Boeing 777X. Na izany aza dia nisidina ihany izy io ny sabotsy 25 janoary.

Boeing 777X Mampanahy ny maro sahady

Hamaky ny tohiny...

Olan’ny angovo sy delestazy Tsara rafitra ny IEM saingy…

21/01/2020

Mampikolay hatrany ny fahatapahan-jiron’ny Jirama amin’izao fotoana izao. Saika isan’andro io, ary mandavan-taona tsy mety mivaha ny olana. Rehefa lohataona,

Olan’ny angovo sy delestazy Tsara rafitra ny IEM saingy…

Hamaky ny tohiny...

Orinasa DHL Madagascar Mitaiza sahady ny ankizy hanao fandraharahana

21/01/2020

Notanterahana omaly tao amin’ny ministeran’ny fanabeazana Anosy ny fanavaozana ny fifanaovan-tsoaniam-piaraha-miasa niaraka tamin’ny orinasa DHL International Madagascar.

Orinasa DHL Madagascar Mitaiza sahady ny ankizy hanao fandraharahana

Hamaky ny tohiny...

Orinasa DHL sy ny mpanao gazety Niara-nikorana tamin’ny alalan’ny « after work »

20/01/2020

Niara-nifaly tetsy Ankorondrano ireo tompon’andraikitry ny orinasa DHL Madagascar sy ireo mpanao gazety maro tamin’ny faran’ny herinandro teo.

Orinasa DHL sy ny mpanao gazety Niara-nikorana tamin’ny alalan’ny « after work »

Hamaky ny tohiny...

Anôsy, Androy, Atsimo Atsinanana Zanakazo 20 tapitrisa handrakofana 20ha

16/01/2020

Ny alahady 19 janoary izao no hanatanterahana ny fambolen-kazo faobe manerana ny Nosy, ka tsy ho diso anjara amin’izany ny faritra Anôsy, Androy, Atsimo Atsinanana.

Anôsy, Androy, Atsimo Atsinanana Zanakazo 20 tapitrisa handrakofana 20ha

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Lalana eto Madagasikara Simban`ny kolikoly sy ny politika

11/04/2019

Ratsy na tsy ampy fikarakarana ny ankamaroan’ny lalana na eto an-drenivohitra na any ambanivohitra amin’ireny lalam-pirenena maro samihafa ireny ankehitriny.

 

 

 Ao ny lavaka iangonan’ny rano, indrindra fa amin’ny fotoam-pahavaratra, ao ny tara (goudron) izay manify dia manify tokoa ka tsy maharitra herintaona akory dia simba. Anisan`ireo mahatonga ny lalana ho mora potika sy tsy maharitra eto amintsika ny tsy fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena, tsy fananana traikefa, kolikoly eny amin`ny tsenam-baro-panjakana momba ny fikojakojana ny lalana, akora fototra voafehin`ny vahiny… Manoloana izany, lasa voafetra avokoa na ny fivezivezena na ny fidiram-bola na ny fampiasana ireo fotodrafitrasa kanefa ny lalana dia antoky ny fampandrosoana amina firenena iray.

 

Kolikoly amin`ny tsenam-panjakana (ARMP)

Tsy vitsy ny velon-taraina noho ny kolikoly momba ny tsenam-baro-panjakana na ampahafantarina amin`ny fampitam-baovao aza ny tolotra. Misy aza ireo tsy hanaovana tolotra mihitsy fa ifanarahana fotsiny amin`izao. Misy karazany ny tolotra eo anivon`ny tsenam-baro-panjakana. Misy ny atao hoe “de gré à gré”, izany hoe tolotra amina orinasa roa izay mifankafantatra. Efa nisy resaka mialoha amin’ny dingana arahina. Misy koa ny tolotra mihidy (offer restreint) izay efa voafantina ireo orinasa afaka mandray anjara manao ilay asa. Misy ny tolotra ho an`ny daholobe, saingy raha mandeha amin’ny fisafidianana amin’izay fomba hanaovana tolo-barotra dia efa misy hisehoana kolikoly. Fantatra, ohatra, ny tsy hafenoan`ireo sasany nahazo tsena ny bokin`andraikitra. Mahita ny mpandraharaha maro fa tsy mangarahara ny tolotra sasany momba ny tsenam-baro-panjakana na tsy ampy fanaraha-maso. Ny lalana dia tsena goavana sady iraisam-pirenena. Betsaka karazana ny tsenam-panjakana ohatra ny fanamboaran-dalana, ny fanaovana fotodrafitrasa isan-karazany toy ny tohodrano, ny tranom-panjakana…

Tsy fanarahana bokin`andraikitra

Misy ny atao hoe « Maitre d’œuvre », ohatra ny fanjakana na mpamatsy vola. Eo ihany koa ny «maitre d’ouvrage », orinasa mpanao ny fanadihadiana mialoha (bureau d`etudes) ary ny “titulaire” na ny mpanatanteraka. Ireo mpandray anjara ireo no tena manana lanja lehibe ao anaty sehatry ny fanamboaran-dalana.  Ny fisehoan’ny kolikoly dia eo amin’ny fitadivana ny “maitre d’œuvre”. Amin’ny maha tsena iraisam-pirenena ny lalana dia matetika ireo orinasa matanjaka no misahana izany. Araka ny fanadihadiana natao, manodidina ny 1 miliara  hatramin`ny 1,6 miliara ariary isaky ny km no manao lalana vita tara. Eo indrindra no tena hisehoan`ny kolikoly. Tsy toy ny fanamboarana trano ny fanaovana lalana satria tokony ho samihafa  ny «maitre d’ouvrage » (bureau d`etudes) sy ny “titulaire” kanefa eto Madagasikara matetika iray ihany ireo, izany hoe mpanatanteraka sady mpanara-maso. An-taratasy mipetraka tsara ny fandaniana fa 1 miliara Ariary/km saingy rehefa manao ilay asa dia terena ho vita 700 tapitrisa ariary/km. Raha 4sm no tokony hatevin’ilay tara, ahena 2,5sm kanefa mazava tsara ny bokin’andraikitra. Izany dia efa hifandraisan’ny « Maitre d’œuvre » sy « Maitre d’ouvrage » ka ny « titulaire » dia manaraka baiko fotsiny. Raha atao kajy tsotsotra, lalana mirefy 300 km dia mandany eo amin`ny 300 miliara ariary ary ny tombony azon`ireo mpanao kolikoly dia manodidina ny 210 miliara ariary. Ny hitan’ny vahoaka Malagasy dia ny hoe vita « goudron » ny lalana, izay fotsiny, ary izany no mahatonga ny faharatsian’ny lalana eto amintsika.

 

Peta-toko sy kitoatoa noho tsy fisian`ny traikefa

Maro ny lalana eto amintsika no peta-toko, izany hoe ataotao fotsiny, fa tsy eritreretina ny hampaharitra azy. Misy ireo orinasa tsy manana traikefa akory fa manana fitaovana sy manana olona dia atao kitoatoa ny asa. Araka izany, miverina foana ny fahasimbana : “nid de poule”, “nid d’autruche”, “queue de crocodile”. Misy fepetra arahina sy fomba hikarakarana ireo olana ireo, fa tsy rehefa tampina dia vita ny asa. Mila fanadihadiana sy traikefa no manao azy. Efa voafetra tany amin’ny fanadihadiana mialoha, ohatra, fa fiara tsy mihoatra ny 5 taonina no mahazo mampiasa an’ilay lalana, nefa misy ireo fiara vaventy minia mampiasa izany. Lasa miteraka tsy fahatomombanana eo amin’ny lalana sy fahasimbana haingana izany. Noho ny kolikoly dia tsy mahagaga raha tsy mifanaraka amin`ny zava-misy sy ny fenitra iraisam-pirenena ny lalana eto amintsika. Ny tolorana te hahazo asa ary ny mpanolotra ihany koa te hahazo tombony mihoatra izay. Minia manakimpy maso fotsiny ireo tompon’andraikitra kanefa ankoatra ny sazy amin`izay tratra manao kolikoly sy manodinkodim-bola-panjakana amin`ny alalan`ny asam-panjakana sy ny tsenam-baro-panjakana, mamerina hatramin`ny Ariary farany indrindra izay tratra manao izany. Marihina ihany koa fa be loatra ny vola very eto amintsika isan-taona noho ny kolikoly izay mahatratra 250 miliara ariary.

 

Lalaovin`ny mpanao politika

Ny lalana eto Madagasikara, amin’ny ankapobeny dia efa antitra loatra, noho ny tsy fisian’ny fikojakojana sy tsy fahampiana fanaraha-maso. Efa fantatr`izay tonga eo amin`ny fitondrana fa ny lalana any amin’ny tapon-kavoana dia tsy hitovy amin’ny tany iva. Maro ny manampahaizana eto amintsika amin`io sehatra iray io ary manana ihany koa isika ny LNTPB (Laboratoire National Travaux Publics et du Batiment) izay nomena fahefana hanao ireo fikarohana sy fanadihadiana atao hoe : “géotechnique” na mahakasika ny tany. Maninona no maro ny lalana asiam-panamboarana foana nefa simba lava ? Ny kolikoly no ao ambadika fa misy antony hafa koa. Raha vita avokoa, ohatra, ny lalana eto Madagasikara, dia sarotra ho an`ireo depiote ny hangataka fiara tsy mataho-dalana eo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Ny solombavambahoaka mantsy dia mitaky izany foana, fa hoe mba hahafahan`izy ireo mijery ifotony ny olana mahazo ny mponina any amin`ny distrika sahaniny. Etsy an-daniny, tsy hisy intsony ny famatsiam-bola lehibe avy amin’ireo vondrona vahiny, satria vita avokoa ny lalana ka hosokajiana ho firenena an-dalam-pandrosoana i Madagasikara. Ohatra, ny lalana mizotra any Toamasina dia simba matetika, kanefa misy lalana maharitra amin`iny toerana iny. Amin`izao dia tsy maharesy lahatra intsony ny hoe : tsy ampy ny fanadihadiana mahakasika ny fanamboarana lalana, satria tena lalaovin`ireo mpanao politika.

 

Lalaovin`ireo mpandraharaha

Misy distrika tena mitoka-monina sy sahirana noho ny haratsian’ny fotodrafitrasa ifamoivoizana ao aminy. Distrika anisan’ny manankarena anefa izy ireo. Anisan’izany i Mananara Avaratra, izay malaza ho renivohitry ny jirofo maneran-tany. Tokony ho lasa lavitra izy eo amin’ny lafiny fizahantany, noho ny fananany valanjavaboary, saingy ny lalana sy ny fotodrafitrasa mifandraika amin’izay no tsy tomombana. Ratsy koa ny lalana avy amin`ireo toerana misy ny mpamboly, ka sarotra ny famoaham-bokatra ho an`ny faritra SAVA. Simba tanteraka ihany koa ny lalana mankany Ambatondrazaka, izay lazaina fa sompitry ny vary. Manome vahana an’ireo mpandraharaha matanjaka anefa ny faharatsian`ny lalana satria mihalafo hatrany vidin`ny vokatra. Misy karazany ireo mpandraharaha amin`ireny faritra ireny. Voalohany, ireo mpamboly, faharoa ireo mpamongady mpanangona mivantana ny vokatra any amin`ny mpamboly ary fahatelo, ny mpitatitra mivarotra amin`ny mpandray ny vokatra mpamongady sady mpitatitra, manana fiara mahazaka 10 taonina. Farany, ireo mpanangona mpitahiry vokatra. Efa misy tambajotra ifandraisan`izy ireo ka moramora no manakana ny tsy fanamboaran-dalana, noho ny tombontsoa manokany.  Zava-dehibe tokoa ho an’ireo faritra mamokatra ny fahavitan’ny lalana, satria hanala ny ampahany betsaka amin’ny fahasahiranam-bahoaka sy hanatsara kokoa ny faripiainany. Tsy hananosarotra loatra intsony mantsy ny fivezivezen’ny olona sy ny fampivezivezena ny vokatra na ny miditra na ny mivoaka. Misy kosa anefa ny sakana amin`izany. Ny lalana dia havokavoky ny fampandrosoana, kanefa ny mpanjifa no mizaka ny fitaterana, ny karaman`ny mpibata entana, miantoka ny fanotrehana sy izay fahaverezan-danja sy masonkarena hafa.

 

Akora fototra lasan’ny vahiny

Efa ela no nisy tara (goudron na bitume) teto amintsika ary efa nisy notrandrahina any Andrefana sy any Atsimo. Moa ve miantraika amin’ny firenentsika ireny ? Ny tara dia mifandraika amin’ny solitany, izany hoe ny tsena iraisam-pirenena, ka mpandraharaha goavana no ao ambadika. “Tsy tokony ho lafo ihany koa ny fanamboaran-dalana, raha toa ka azontsika trandrahina ireo akora fototra”, hoy i Zafiharison Jean, injeniera amin`ny taotrano sy asa vaventy. Tamin’ny andron’ny filoham-pirenena Tsiranana sy Ratsiraka no nisy ny tara, hoy izy. Tsy nisy anefa ny fikarohana taty aoriana, fa miandry fotsiny ny avy any ivelany. Vokatr’izay dia tsy afaka mivelatra amin’io isika. Vidin`ny iray barila (180 litatra) dia mitentina 750 000 Ariary ary mahafeno 12m². Marihina fa tsy ny toerana rehetra no afaka mampiasa tara. Ny lalana mankany Irondro, ohatra, dia anaovana fanamboarana foana, kanefa mipoaka foana. Tsy voatery atao “goudron” ny lalana eto amintsika fa azo atao rarivato (pavé) ihany koa, hoy hatrany i Zafiharison Jean. Fa amin’ny mahamarefo ara-toekarena antsika moa dia fehezin’ireo mpandraharaha vahiny isika. Ireo no mifehy ny fitrandrahana tara, hany ka tsy tena afaka migoka izany tombontsoa izany ny vahoaka Malagasy.

 

Marigny ANDRIANTSOAVA

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana