Dans la mme rubrique

Fiara mibahan-dàlana eto Iarivo Mila miala ao anatin’ny 8 andro

21/11/2019

Namoaka fampahatsiahivina ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), fa rarana ny fametrahana sy famelana karazana entana, toy ny fiara na fiara maty eny amoron’arabe sy eny amin’ny toerana voarara.

Fiara mibahan-dàlana eto Iarivo Mila miala ao anatin’ny 8 andro

Hamaky ny tohiny...

Kaompania Air Mauritius « ilaina ny fitsinjovana ny mpanjifa »

20/11/2019

Ho fitsinjovana ny mpanjifa dia mihena hatrany amin’ny 20% ny saran’ny sidina mankany amina toerana maromaro.

Kaompania Air Mauritius « ilaina ny fitsinjovana ny mpanjifa »

Hamaky ny tohiny...

Soanierana Mbola tondra-drano ihany

15/11/2019

Rotsak’orana nandritra ny ora iray latsaka dia efa niverina amin’ny laoniny indray ny tondra-drano eny Soanierana omaly hariva. Samy nahatsikaritra ireo rehetra nampiasa iny lalana iny

Soanierana Mbola tondra-drano ihany

Hamaky ny tohiny...

Fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy Hirosoana ny fanatsarana tsikelikely

13/11/2019

Hohavaozina miandalana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy manomboka izao.

Fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy Hirosoana ny fanatsarana tsikelikely

Hamaky ny tohiny...

Fisorohana ny lozam-pifamoivozana Tsy ankitsitsy ny fampiharana lalàna manomboka eto

12/11/2019

Nitombo avo 2 heny ny lozam-pifamoivoizana nisy teto Madagasikara tamin’ity taona 2019 ity raha oharina ny taona 2018.

Fisorohana ny lozam-pifamoivozana Tsy ankitsitsy ny fampiharana lalàna manomboka eto

Hamaky ny tohiny...

Zotra rezionaly sy nasionaly 15 kg isan’olona ihany sisa ny entana azo entina

06/11/2019

Holanjaina avokoa manomboka izao ny entana ho entin’ireo taxi-brousse ao amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly mivoaka sy miditra ny

Zotra rezionaly sy nasionaly 15 kg isan’olona ihany sisa ny entana azo entina

Hamaky ny tohiny...

Ambositra Vadina filohana andrim-panjakana namono olona

04/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany Lajaky-Ambositra ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 01 ora folakandro.

Ambositra Vadina filohana andrim-panjakana namono olona

Hamaky ny tohiny...


Fifamoivoizana

Fanamboarana ny RN5A Ezahin-dRajoelina fafana ny dian-tanan-dRajao

11/04/2019

Nifanao sonia tamin’ny sinoa amin’ny hanamboarana ny lalam-pirenena RN5A (Ambilobe-Vohémar : 150,710 km) ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

 Ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina no efa nanomboka io asa fanamboarana ny RN5A io, niaraka tamin'ny sinoa, ka ny 16 aogositra 2018 no nisian’ny lanonam-be tao Ambilobe. « Bye bye gôdra » no lohahevitra nentina niresahana azy io satria hatao veloma ny fotaka mandrevo fa hivadika ho lalana vita tara. 15-24 volana ny faharetan’ny asa, ka ny orinasa China Road and Bridge Corporation (CRBC) no manao azy; banky sinoa Exim bank no hamatsy vola 158 tapitrisa dolara, rehefa nihemotra ny Vondrona Eoropeanina. Tsy hanome tsiny ny tsy nahavita aho, fa ny fantatro aloha izao dia ny tenako no mandray andraikitra, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Hafa mihitsy kosa ny tenin-dRajoelina izay te hamafa ny anaran’ny teo aloha angady nananana sy vy nahitana ny asa, fa manohy ny an-dRajoelina saingy mba te hoderaina. Mandeha ny esoeson-teny. Betsaka, hoy izy, ireo mpitondra nifanesy nampanantena ny hanamboatra, tao aza no nanao sarintsarina fametrahana fanombohana ny asa, saingy tsy nisy tanteraka izy ireny. Nandritra izay 80 andro nitantanako ny firenena izay dia nitady ny lalana rehetra, tsy mandry andro tsy mandry alina, nifampidinika tamin'ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena isan-tokony nikaroka ny tetika sy hevitra ary lalam-bola hoentina hanamboarana ity làlam-pirenena ity, izay efa nampanantenaiko antsika. Ny taona 2017 no nisy ny resaka famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina, saingy tsy tanteraka ka nahitana làlana tamin’ny sinoa avy eo. Io indray fa misy ny hoe: fifanarahana amin’ny sinoa nataon-dRajoelina, ka ho hita eo ny fivoarany. Tsaroana ny resaka novoizina sy nanaratsiana ny tarigetran-dRavalomanana hoe: “Amboaro ny lalana eto Madagasikara”, ka nahavitana 10000km latsaka. Novoizin’ny sasany avy eo ny hoe: ny làlana angaha azo hoanina, saingy mba te hisoratra amin’ny tantara fa nahavita làlana hono e! Betsaka ny asa fanamboara-dàlana nandeha, saingy tapaka noho ny fanonganam-panjakana 2009, toy ny tany Tolagnaro,… Ny soa fianatra, ary ny vava no tsy atao be dia ny mamerina azy tokoa no sarotra, hoy ny oha-pitenenena izay e!

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana