Dans la mme rubrique

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanàna teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanàna teknolojika

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’ny Arendrina Matin’ny vita sinoa ny vita Malagasy

24/06/2019

Mitaraina ireo mpivarotra. Mikaikaika noho ny hafitsoky ny Sinoa ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy eto amintsika. Maty mantsy ny tsenan’izy ireo ary zara raha misy mividy,

Tsenan’ny Arendrina Matin’ny vita sinoa ny vita Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Lalàna sy zo fototra maha olombelona Fanoitra amin’ny fampandrosoana

21/06/2019

“Voararan’ny lalàna ny manala baraka olona sy miteniteny foana, fa endrika tsy fanajana ny zo fototra maha olombelona”, hoy Razanatahina Florence,

Lalàna sy zo fototra maha olombelona Fanoitra amin’ny fampandrosoana

Hamaky ny tohiny...

Masoivoho Alemana Gehrig Harald Handao an’i Madagasikara

21/06/2019

Nahavita ny fe-potoam-piasany teto Madagasikara, ny Ambasadaoron’i Alemaina, Atoa Gehrig Harald mivady, ka tonga nanao veloma ny praiminisitra Ntsay Christian.

Masoivoho Alemana Gehrig Harald Handao an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fanjakana sy ny mpitsara Raikitra koa ny gidragidra…

11/04/2019

Tsikaritra ny ady mangatsiaka eo amin’ny fanjakana sy ny mpitsara amin’izao fotoana izao, ary manomboka vaky ambatolampy.

 

 

 Niainga tany amin’ny resaka famoahana an’i Hajanirina Manantena Dina, izay voarohirohy tamin’ny resaka fakana an-keriny, saingy navotsotry ny mpitsara. Ny minisitry ny fitsarana Jacques Randrianasolo sy ny praiminisitra Ntsay Christian dia karazan’ny efa nanome toromarika amin’ny tsy tokony hamoahana azy, nialoha ny famotsorana ny 25 martsa lasa teo, raha ny fanambarana efa nataon’io minisitra io. Naaton’ny fanjakana moa ireo mpitsara miisa 4 namoaka ny didy tsy azo ivalozana nanome fahafahana ity kandida depiote mpisolo toerana any Ifanadiana ity. Tsy nanaiky lembenana izy ireo fa nampiakatra ny raharaha any amin’ny filankevi-panjakana. Raharaha hafa ihany koa ny mahakasika ireo mpiasan’ny fananan-tany miisa 4 izay nadoboka any am-ponja ka ny 3 dia mahakasika ny famarotana ny Villa Elisabeth, ary ny 1 kosa mahakasika ny zaridainan’Antaninarenina. Tsiahivina fa anisany ny Tale jeneralin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany teo aloha Atoa Hasimpirenena Rasolomampionona, izay kandida ho depiote amin’ny anaran’ny Isika Rehetra miaraka amin-dRajoelina na ny IRD any Fandriana. Nanenjana nitaky ny famoahana azy ireo izay ambara fa mpanatanteraka baiko fotsiny ny mpiasan’ny fananan-tany satria amin’izy ireo dia tokony hitovy ireo voakasika eo anatrehan’ny raharaha fa tsy hoe : avela fotsiny any ny minisitra nanasonia ny taratasy fifampivarotana. Ireny efa niaraha-nahalala ireny ny nambaran’Atoa Reboza Julien, izay toa mbola miantehitra mafy amin’ny fitarazohana sy fahasarotan’ny dingana arahina vao afaka manenjika azy ny Fitsarana ambony na ny HCJ amin’ny maha minisitra azy. Niato ny fampikatsoan’ny mpiasan’ny fananan-tany ny asany satria mandeha ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana. Havoaka ve izany ireo voarohirohy ? Asaina miverina amin’ny fanapahan-keviny ve  izany ny fitsarana ? Aiza ho aiza ny resaka fahaleovantenan’ny fitsarana ? Raha ny efa nambaran’ny minisitry ny Fitsarana Jacques Randrianasolo dia zon’ny mpiasan’ny fananan-tany tokoa ny manao fitokonana, ary tahaka izany ihany koa ireo mpitsara naato, saingy niziriziry ny tenany fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna. Hahatohitra ny mety ho baiko mety hilatsaka ve mba hisorohana ny fikatsoan’ny fampihodinana ny raharaham-panjakana eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany ? Toa mampahatsiahy ny raharaha nahafaty ny mpitsara Rehavana Michel ny desambra 2011 tany Toliara ny zava-misy, izay ny polisy no niditra an-tsehatra namoaka ny namany voarohirohy tamina afera maloto. Toa mitady hifoha ny tahaka ireny. Misavorovoro sy tsy milamina intsony ny raharaha ka valalanina ny maro.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana