Dans la męme rubrique

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

21/08/2019

Nivoaka ny fonjan’Antanimora omaly alatsinainy 20 aogositra tamin’ny 8 ora sy sasany alina Atoa Alain Ramaroson, rehefa notanana teny Antanimora nanomboka ny 3 aogositra 2016

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana misahana ny kolikoly-PAC Raharaha 70 no hotsaraina amin’ity taona ity

21/08/2019

Nisy ny fahatarany teo amin’ireo antontan-taratasy tokony hotsaraina, araka ny fanazavana voaray, noho ny antony tamin’ny fifidianana ireo mpikambana tao amin’ny “Pôle Anti-Corruption” na ny PAC,

Fitsarana misahana ny kolikoly-PAC Raharaha 70 no hotsaraina amin’ity taona ity

Hamaky ny tohiny...

Fadin-tseranana Hanakaiky ny mpanjifa amin’ny laharana maitso

21/08/2019

Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa dia nampahafantatra ny fisian’ny laharana maitso « 360 » ny eo anivon’ny fadin-tseranana Malagasy omaly tetsy Tsaralalàna.

Fadin-tseranana Hanakaiky ny mpanjifa amin’ny laharana maitso

Hamaky ny tohiny...

Star tour Mahajanga Nahatratra 20.000 ireo olona tonga nanatrika

21/08/2019

Fahombiazana tanteraka no azon’ny orinasa STAR sy ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga nandritra ilay hetsika « Star tour » notanterahina tany an-toerana ny herinandro lasa teo.

Star tour Mahajanga Nahatratra 20.000 ireo olona tonga nanatrika

Hamaky ny tohiny...

Famonoan-tena nisesy tao Antsirabe 1 maty, 2 avotra soa aman-tsara

21/08/2019

Tovovavy roa tokony ho 17 taona no tsy hay na niara-namono tena omaly tao Antsirabe, izay samy avy any Andranomanelatra avokoa no fiavian'izy roa vavy ireo, ary mbola samy mpianatra avokoa, araka ny fampitam-baovao.

Famonoan-tena nisesy tao Antsirabe 1 maty, 2 avotra soa aman-tsara

Hamaky ny tohiny...

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mpandraharaha akaiky fitondrana nanafatra kamio marobe ?

20/08/2019

Re amin’izao fa nanafatra kamio benina maro be ny mpandraharaha malaza iray akaiky ny filoha, raha ny loharanom-baovao.

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mpandraharaha akaiky fitondrana nanafatra kamio marobe ?

Hamaky ny tohiny...

Tompon’andraikitra teo aloha tsy voafidy intsony Mila mamerina haingana ireo fananam-panjakana

20/08/2019

Maro ireo mpiasam-panjakana sy ireo olona manam-pahefana ambony nomen’ny Lalàna zo hipetraka amin’ny tranom-panjakana noho ny andraikitra sahaniny.

Tompon’andraikitra teo aloha tsy voafidy intsony Mila mamerina haingana ireo fananam-panjakana

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Fanorenana tsy ara-dalĂ na eny Behoririka Ny kaominina no tokony hanohy ny fandravana, hoy ny ministera

10/04/2019

Nitondra fanamarihana ny avy eo amin'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny trano fonenana sy ny asa vaventy mahakasika ny tohin'ilay fandravana ireo fanorenana tsy ara-dalĂ na teo Behoririka teo anivon` ny tranonskalam-pifandraisany omaly.

 

 

 

 Voalaza fa araka ny andininy faha 224 ao amin'ny lalàna 2015-052 mahakasika ny fandaminana ny tanàn-dehibe sy ny toeram-ponenana, raha misy fandikana ny lalàna mifehy ny fahazoan-dàlana hanorina dia afaka mandidy ny Ben'ny tanàna na hanao fanitsiana ireo fanorenana nahazo alàlana na koa handrava ireo fanorenana tsy ara-dalàna miaraka amin'ny famerenana amin'ny laoniny tahaka ny teo aloha ireo toerana nanaovana ny fanorenana. Noho ireo antony voalaza ireo dia nandefa taratasy tamin'ny Sekretera jeneralin'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo Renivohitra ny tompon'andraikitra teto anivon'ny minisitera mba handidiany ny tompon'ny fanorenana tsy ara-dalàna hanatanteraka hatramin'ny farany ny fandravana ary hamerina ny toerana ho toy ny teo aloha. Andraikitry ny eo anivon'ny Fiadidiana ny tanànan'Antananarivo no mandidy sy manara-maso ny famitana ny fandravana. Raha tsiahivina, ny alakamisy 28 martsa lasa teo, nanaitra ny mpandalo sy ny eny amin’ny manodidina ny Sekoly Fanabeazana Fototra (Epp) etsy Behoririka ny nahita ny fahatongavan’ny fitaovam-be (bulldozer) sy ny mpitandro ny filaminana ary ny vadin-tany nandrava ilay tranom-barotra tsara tarehy vao vita etsy anoloan’io sekoly etsy Behoririka io ny alakamisy teo. Nanaitra satria vita tsara tokoa aloha ilay tranombarotra, saingy noho izy tsy ara-dalàna, hono no nandrodanana azy. Nahoana no navelan’ny mpitondra fanjakana teo aloha naorina ihany ary nisy fanamarihana mihitsy aza hoe “tsy ara-dalàna”? Iza no nitsikombakomba tamin’izany ? Mba ho anatra ny ho avy dia mila faizina araka ny lalàna velona izay rehetra nandika lalàna ary tsy anavahana.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana