Dans la mme rubrique

Aretin’ny voa Ho maimaimpoana ny fanaovana “dialyse”

25/06/2019

“Hojerena ny hanamorana ny fanaovana “dialyse” ho an’ireo marary voa. Ho maimaimpoana ny fanaovana azy noho ny fahatsapana ny fahasahiranan`ny rehetra “, hoy ny filoha Rajoelina.

Aretin’ny voa Ho maimaimpoana ny fanaovana “dialyse”

Hamaky ny tohiny...

Tobim-pahasalamana fototra (CSB) miisa 500 amin’ireo 2.660 misy eto amintsika no hahazo vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mba hitahirizana ny vaksiny.

25/06/2019

Omaly no nanolorana izany tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Institut National de Santé Publique et Communautaire na INSPC Befelatanana, niaraka tamin’ny fampitaovana natolotr’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola hafa.

Tobim-pahasalamana fototra (CSB) miisa 500 amin’ireo 2.660 misy eto amintsika no hahazo vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mba hitahirizana ny vaksiny.

Hamaky ny tohiny...

Fanapoizinana ara-tsakafo Arahina maso ireo hani-masaka amidy

24/06/2019

Roa andro tsy hahatongavan`ny fetim-pirenena, dia isan`ireo arahina maso manokana raha ny fanazavana ny eo anivon`ny minisiteran`ny fahasalamana,

Fanapoizinana ara-tsakafo Arahina maso ireo hani-masaka amidy

Hamaky ny tohiny...

Drepanocytose – aretin’ny ra Ireo zaza latsaky ny 5 taona no tena lasibatra

20/06/2019

Ny 10 %-n’ny Malagasy amin’izao no fantatra fa lasibatry ny aretina faingosela na ny “drepanocytose”.

Drepanocytose – aretin’ny ra Ireo zaza latsaky ny 5 taona no tena lasibatra

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana Marary fo ny 30 ka hatramin’ny 40 %-n’ny Malagasy

18/06/2019

Ny 30 ka hatramin’ny 40 %-n’ny olona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretim-po, izay tsy hanavahana taona. 10 ka hatramin’ny 20 isan’andro ho an’ny dokotera iray ny marary tonga manatona ny Institut d’hygiene social etsy Analakely.

Fahasalamana Marary fo ny 30 ka hatramin’ny 40 %-n’ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Hopitaly HJRA Ampefiloha Tsy handoavam-bola ny fandidiana ny marary

17/06/2019

Nitondra fanazavana manokana mikasika ny fandidiana ireo marary eo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny faran’ny herinandro teo ny profesora Rakoto Alson Olivat.

Hopitaly HJRA Ampefiloha Tsy handoavam-bola ny fandidiana ny marary

Hamaky ny tohiny...

Fiara tsy laitram-bala nomena ny tafika Tsy araky ny nampanantenaina no nitranga

14/06/2019

Tsy mahomby amin’ny fanenjehana dahalo ireo fiara tsy laitram-bala miisa roa natolotry ny filoha ho an’ny tafika, izay nilazany ny 19 janoary fa anisan’ireo laharam-pahamehana ho azy ny fampandriana fahalemana.

Fiara tsy laitram-bala nomena ny tafika Tsy araky ny nampanantenaina no nitranga

Hamaky ny tohiny...


Fahasalamana

Tambavy mangidy, sakafo matavy Mankarary ny voa…

10/04/2019

Aretina iray tena betsaka mahazo ny Malagasy ankehitriny ny aretin’ny voa. Dimy taona no kely indrindra voa raha 20 taona no ho miakatra no tena betsaka indrindra.

 

 

 

 Anisan’ny antony mahatonga ny aretin’ny voa, raha araka ny fanazavan-dRasoahanta Pascaline, filohan’ny federasionan’ny marary voa eto Madagasikara ny fihinanana sakafo matavy loatra. Toraka izany koa ny fanafody sy ny tambavy mangidy tsy nahazoana alalana avy amin’ny dokotera, ankoatra ireo olona efa tratry ny aretina diabeta sy ireo miakatra tosidràa lava. Fivalanan-drano mandroatra no hahafantarana voalohany ny aretin’ny voa, raha araka ny fanazavan’ity  filohan’ny federasiona ity hatrany. Efa tsy vitan’ilay voa intsony mantsy ny manivana ireo karazana menaka sy zavatra maro samihafa mandalo ao aminy, ka mampiova ny endriky ny fivalanan-drano ho tahaka izany. Rehefa marary voa, hoy Rasoahanta Pascaline izay marihina fa marary ihany koa dia tsy maintsy manokana vola 5 tapitrisa Ar isam-bolana ny olona iray hanaovana dyalise sy hividianana fanafody. 250.000 Ar mantsy no saran’ny manao dialyse indray mandeha nefa tsy maintsy hatao in-telo isam-bolana izany, raha kely. Manginy fotsiny ny vidin’ny fanafody ilaina toy ny vitamina, ny calcium izay 30.000 Ar isaky ny boaty iray ny vidiny miampy ny analizy hatao eny amin’ny institut Pasteur. Ho an’ireo tsy te-hanao izany kosa dia nambarany fa efa misy ny tsindrona amin’ny vidiny 6 hetsy Ar izay tsy maintsy hatao isam-bolana mba hanadiovana ilay ra. Nomarihin’ity filohan’ny federasionan’ny marary voa ity fa efa vitan’ireo dokotera mpandidy eto amintsika tsara ny manao “transplantation” na voa saingy ny fitaovana no tsy ampy ka tokony hojeren’ny fanjakana. Any Frantsa anefa efa mahatratra  100.000 Euros ny manao izany raha 10.000 dolara kosa any Inde.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana