Dans la mme rubrique

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

25/06/2019

Tapitra ny alahady 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy. Andrasana kosa ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho solony taorian’ny sivana nataon’ny CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) izay naharay antontan-taratasina kandida miisa 64 nanaovana sivana ka nahazoana anarana 10, ary 3 no voatazona farany hisafidianan’ny filoha.

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

25/06/2019

Ao anaty fanomanana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan`ny fahaleovantena isika amin`izao.

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

25/06/2019

Higadona eto Antananarivo anio talata 25 jona ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame, izay vahiny manokana sy manan-kaja amin’ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanàna teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanàna teknolojika

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Ala honko eto Madagasikara Mahatratra 250 000 Ha

10/04/2019

Nanomboka omaly talata 09 aprily tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny atrikasa maharitra 3 andro hifanampiana sy hifampizarana traikefa ny amin’ny fikirakirana ireo tarehimarika mahakasika ny ala honko (Mangroves).

 

 

 Nokarakarain’ny Birao Nasionaly REDD+ izay miantoka ny fandrindrana ho fanalefahana ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro. Tsiahivina fa efa nisy tamin’ny herintaona ny fanaovana sy ny fijerena ireo tarehimarika mahakasika ny mangroves teto Madagasikara dia ny ala honko, ala maitso, ala mando ary ny ala misy tsilo. Amin’izao fotoana izao dia miditra amin’ny famakafakana lalina ny tarehimarika izay ifanampiana sy ifanakalozana traikefa amin’ny USFS (United States Forest Service). Efa mihasimba ny ala honko eto Madagasikara nefa miankina aminy ny fisian’ireo biby anaty rano tahaka ny trondro sy ny makamba. Araka izany dia maika ny fiarovana sy ny famerenana azy amin’ny laoniny satria raha matevina ny ala honko dia betsaka ihany koa ny etona omeny (carbone). Rehefa izay dia afaka manadio ny rivotra iainana izy. Raha mihena ny fandripahana ala ary miakatra ny faritra voarakotra ala eto Madagasikara dia avotra ny ala honko sady hahazo famatsiam-bola ny firenena Malagasy. 70 tapitrisa dolara na 252 112 700 000 Ariary (1 dolara= 3601,61 Ar) no vola azo rehefa mahomby i Madagasikara amin’ny fampidinana ny fanapahana ny ala ary raha tsy hita ny ezaka dia votsotra io vola io.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana