Dans la mme rubrique

Sehatra fananan-tany Aparitaka manerana ny nosy ny torolalana

22/05/2019

Ilaina ny torolalana amin’ny tokony ho fantatra momba ny fananan-tany eto Madagasikara.

Sehatra fananan-tany Aparitaka manerana ny nosy ny torolalana

Hamaky ny tohiny...

Vaomieran’ny statistikan’ny Firenena Mikambana Hitondra tombontsoa lehibe ho an’i Madagasikara

22/05/2019

Tamin’ny taona 1947 no niforonan’ny vaomieran’ny statistikan’ny Firenena Mikambana ary ao avokoa ireo manampahaizana momba ny Statistika avy amin’ny firenena maneran-tany.

Vaomieran’ny statistikan’ny Firenena Mikambana Hitondra tombontsoa lehibe ho an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Imbiky Herilaza “Mafy ny nandrafetana ny LFR 2019”

21/05/2019

Nodinihana nandritra ny fotoana lava ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana hifehy ny fandaniambolam-panjakana amin’ity taona 2019 ity (LFR 2019).

Imbiky Herilaza “Mafy ny nandrafetana ny LFR 2019”

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa fihariana Mila fanazavana sy tari-dalana

21/05/2019

Zava-dehibe ny tetikasa “Fihariana” ho an` ny firenena. Tokony hivelatra mba tsy hivangongo eto an-drenivohitra fa hisandrahaka manerana an`i Madagasikara ny tetikasa.

Tetikasa fihariana Mila fanazavana sy tari-dalana

Hamaky ny tohiny...

Antenimieran’ny Varotra Malagasy Hampiasa fitaovana manara-penitra

20/05/2019

Manampahaizana 2 avy any ivelany ao amin’ny Conférence Permanente des Chambres Consulaires Africaines et Francophones (CPCCAF) no tonga nanome fampiofanana

Antenimieran’ny Varotra Malagasy Hampiasa fitaovana manara-penitra

Hamaky ny tohiny...

Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana Ny 60% hanaovana fotodrafitrasa avokoa

17/05/2019

Rehefa nodinihina nandritra ny herinandro ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana hifehy ny fandaniam-bolam-panjakana amin’ity taona 2019 ity dia tapaka nandritry ny filankevitry ny minisitra tamin’ny farany teo fa ny 60%-n’ny tetibola no hanaovana ireo fotodrafitrasa.

Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana Ny 60% hanaovana fotodrafitrasa avokoa

Hamaky ny tohiny...

Fanohanana ireo sehatra sosialy Ainga ho an’ny toekarena

17/05/2019

Navoaka omaly alakamisy 16 mey tetsy amin’ny Hotely Le Pavé Antaninarenina ny voka-pikarohana nataon’ny eo anivon’ny fikambanana Faribolana Mpandinika ny Hary eto Madagasikara (CREM).

Fanohanana ireo sehatra sosialy Ainga ho an’ny toekarena

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Sahirana ara-bola ny fanjakana Roahina ny mpiasa, mifehy kibo ny ministera

10/04/2019

Noresahina nanomboka teo amin’ny fitsanganan’ny governemanta tao anatin’izao fanjakana Rajoelina izao ny 23 janoary ny mahakasika ny politikan’ny fitsitsiana, antony nampihenana ireo mpikambana ho 22 raha 31 izay tany aloha.

 

 

 Efa notapahana fa esorina avokoa ny mpiasa tsy raikitra na ECD, ka nisantarana izany ny tao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny. Mitaraina ny ao amin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola, izay anisan'ny be ECD indrindra fa misy amin'izy ireo tsy nandray karama volana febroary sy martsa 2019. Misy milaza ho efa tsy nandray karama 3 volana ny ao amin’ny fiadidian’ny faritra Analamanga, raha ny loharanom-baovao iray ny herinandro teo. Tsy mazava anefa ilay 16 tapitrisa dolara nividianana vary mora. Volam-panjakana ve sa volan’ny filoha manokana ? Eo am-panangonana ny vaovao feno isika, fa misy resaka tena mampiahiahy izy io. Tsy mangarahara mihitsy. Sahirana amin'ny resaka fampandehanan-draharaha ny minisitera maro efa ho iray volana izao, na ny taratasy ampiasaina aza mety tsy misy ny an’ny sasany. Maro ny tombontsoa na « avantange » notapahana. Tsikaritra ho nalefa any amin'ny tetikasan’ny filoham-pirenena na ny « Projets Presidentiels » ny ankamaroan’ny vola mba hanapena-maso ny olona fa hoe miasa ny filoha. Nisy rahateo ny sampandraharaha manokana natsangana ao, ka nanendrena an’i Augustin Andriamananoro ho Tale jeneralin’ny tetikasan’ny filoha. Ny minisitera ankoatra izay dia mifehy kibo aloha. Io fahasahiranana ara-bola io ihany koa no olana amin'ny fitandroana ny filaminana manerana ny nosy. Tsy ampy ny ekipa any amin'ny faritra maro tsy ampy ny fitaovana (fiara, finday, solosaina, basy, bala...). Tsy afaka mamerina sy mametraka ny tena filaminam-bahoaka araka ny tokony ho izy intsony ny mpitandro filaminana. Ny eto Antananarivo no atao mizesta etsy sy eroa fa vao mivoaka 25 km dia efa ny jiolahy no manjaka. Raha tarafina amin’ny dian’ny filoha sy ny ekipany tany ivelany kosa dia tsy sahirana ny firenena, fa miaina tsara. Ambara fa mitondra soa ho an’ny vahoaka sy ny firenena ireny fa ny tena tsapan’ny olona aloha dia misondrotra ny vidim-piainana, miakatra ny saran-dalana, tsy mety mahazo aina ny vola ariary,… Mitangirika vola any ivelany, izay toa hikipiana ny tambiny be, toy ny resaka fanomezana tany ny vahiny. Marina fa manana ny fahefana sy mikendry hanova ny lalàna mifehy ny tetibola ny fanjakana satria feno ny fahefan’ny filoha hanao sy hampanan-kery lalàna. Any amin'ny fivorian'ny parlemanta vaovao vao tena afaka handinika ny tetibolam-panjakana vaovao satria tsy mety amin-dRajoelina io tetibola sy rafitra misy amin'izao io, saingy tsy afa-manoatra firy. Izany hoe: amin’ny 2020 vao hanomboka ny IEM raha lany ny tetibola 2020. Herintaona izany dia hiainga amin’ny resabe sy “tip top” ary ny kimoramora fotsiiny aloha.

 

Toky R

 

  

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana