Dans la mme rubrique

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

20/06/2019

Any amin’ny paroasin’ny fiangonana katolika akaiky no misoratra anarana ireo rehetra hanatrika ny Sorona masina hotarihin’ny

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

Hamaky ny tohiny...

Maitre Olala

19/06/2019

Mbola hiakatra CODIS indray ny 21 jona izao ilay mpisolovava tsy navela hiasa 2 taona,

Maitre Olala

Hamaky ny tohiny...

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

18/06/2019

Fatim-behivavy tokony ho eo amin’ny 18-20 taona eo no hitan’ny fokonolona teo amin’ny

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

Hamaky ny tohiny...

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

MAY NY CNAPMAD

Hamaky ny tohiny...

MMV

14/06/2019

Tsy hametraka fitoriana intsony izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana MMV amin’ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena satria leo an’ilay azo raisina fa tsy mitombina.

MMV

Hamaky ny tohiny...

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

KIANTRANOANTRANO

09/04/2019

Fanadihadiana anatiny fotsiny ihany izay mifandraika amin’ny fitsipi-pifehezana no hatao amin’ireo polisy nahiana ho nahavanon-doza tany Maroantsetra.

 

 

 

 

 Mbola mamofona kiantranoantrano ny momba ireto mpitandro ny filaminana ireto na dia nilaza aza ny minisitry ny polisy fa tsy fialokalofan’ny jiolahy ity vondrona iray ity. Mampifoha indray ny raharaha Antsakabary ny toy izao ary azo eritreretina fa hivazavaza indray ny mpiaro ny zon’olombelona iraisam-pirenena. 

GOVERNORAN’NY FARITRA

 

Efa tsy ho ela intsony ny fametrahana governora any amin’ny faritra raha araka ny fanambaran’ny praiminisitra tany Ambositra. Hatreto dia tsy hita izay tena maha samihafa ity andraikitra ity amin’ny lehiben’ny faritra. Miteraka olana hatrany ity fanovana rafitra ity satria hiova tanteraka koa izany ny rafi-bola izay entina hampihodinana azy ary torak’izany koa ny tompon’andraikitra maro any amin’ny faritra izay hotendren’ny governera vaovao. 

JIOLAHY NISANDOKA HO MPANAO GAZETY

 

Nisandoka ho mpanao gazety an-tsoratry ny orinasa lehibe iray ilay jiolahy fantatra amin’ny anarana hoe Ragodogodona na ra-BC. Nanana karatra sandoka izy niaraka taminy ary hita izany nandritry ny fisamborana azy. Ny tranga toy izao dia manaporofo hatrany fa tsy milamina ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety matoa misy sahy misandoka. Samy nanao ny karatry ny trano tokoa mantsy ireo orinasa izay tsy nanaiky ny karatra navoakan’ny minisitera tamin’ny fitondrana teo aloha ary nanamora ny fisandohana izany. 

700 ARIARY

 

Tapaka izany fa hiakatra 700 ariary ny saran-dalan’ny taksibe. Nanaiky izany ny ATT nandritry ny fihaonany tamin’ny mpitatitra. Misy kosa anefa ny fenitra takiana dia ny fanatsarana ny kalitaom-pitaterana sy ny fanajana ny lalàna sy ny zotra. Hatreto dia mbola ny 35% amin’ireo fiara mpitatitra eo an-drenivohitra ihany no manara-dalàna. Mila manenjana ny ATT satria ny mpanjifa hatrany no voa mafy amin’ny fepetra raisina toy izao. 

 

 

 

 

FAMATSIAN-DRANO

 

Tao anatin’ny 15 taona dia tsy mba nanampy tamin’ny fanatsarana ny famokaran-drano eto an-drenivohitra mihitsy ny fanjakana nifanesy. Raha ny fanazavan’ny praiminisitra dia hisy ny famatsiam-bola manokana avy amin’ny fanjakana mba hanamboarana fantsona fitrohan-drano izay manampy amin’ny famokaran-drano. Teny Itaosy sy Ambohidrapeto no natao andrana momba izany ary ao anatin’ny roa volana dia efa tokony hisy vokatra. 

 

FIZAHANTANY

 

Mbola mitohy ny fanisana ny mpandraharaha amin’ny fizahantany eto amintsika. Hitarina hatramin’ny 26 aprily ny fandraisana ny dosie fampahafantarana avy amin’izy ireo satria hatreto dia mbola vitsy ihany no nahatonga izany. Ny tanjona dia ny ady amin’ny mpandraharaha izay tsy manara-dalàna sy tsy mandoa hetra ho an’ny fanjakana ary koa fametrahana ny fenitra ilaina ao anatin’ny sehatry ny fizahantany. 

MPIVAROTRA AMORON-DALANA

 

Nahazo trano fivarotana tsy fidiny ireo mpivarotra amoron-dalana etsy Behoririka taorian'ny fandravana ilay trano tetsy Behoririka. Na tsy voarava hatramin'ny farany aza ny trano, tsy ela mihitsy ireo mpivarotra nanararaotra izany ka nametraka ny entan’izy ireo ao  anatin'ilay trano ary misy mihitsy aza ny mivarotra ao. Manara-penitra e !

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana