Dans la mme rubrique

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

25/06/2019

Tapitra ny alahady 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy. Andrasana kosa ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho solony taorian’ny sivana nataon’ny CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) izay naharay antontan-taratasina kandida miisa 64 nanaovana sivana ka nahazoana anarana 10, ary 3 no voatazona farany hisafidianan’ny filoha.

Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Mety jeneraly na minisitry ny fitsarana teo aloha

Hamaky ny tohiny...

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

25/06/2019

Ao anaty fanomanana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan`ny fahaleovantena isika amin`izao.

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

25/06/2019

Higadona eto Antananarivo anio talata 25 jona ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame, izay vahiny manokana sy manan-kaja amin’ny fankalazana ny faha-59 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.

Filàna dera amin’i Paul Kagame Sarontsaronana ny tena zava-misy eto

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

24/06/2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?

Hamaky ny tohiny...

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

24/06/2019

Volabe manodidina ny 240 miliara ariary isan-taona no tsy homena ny kaompania mpanafatra solika intsony taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fampidinana ny vidin-tsolika.

240 miliara tsy homena ny mpamatsy solika Hahavitan-javatra be raha tsara tantana…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, tanàna teknolojika

24/06/2019

Anisan’ny manana ny fitaovana fifandraisana ara-teknolojika tsara indrindra isika Malagasy,

Antananarivo, tanàna teknolojika

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Loza amin’atambo Zaza roa iraitampo, maty notsindrian’ny kamiao

09/04/2019

Nitrangana loza mahatsiravina manamorona 1 km tsy idirana ny distrikan’Andapa ny Alahady alina teo, tokony ho tamin’ny 11 ora. Raha ny vaovao azo avy any an-toerana,

 

 

 

 

 nifatratra tany amin’ireo trano  nisy ireo zaza roa maty ireo ilay fiarabe, mpitatitra entana avy aty Antananarivo. Tafiditra indrindra tao anatin’ilay kihon-dalana mety hitera-doza izany ka sady rava tsy nisy noraisina ireo trano miisa telo no  maty tsy tra-drano ihany koa ireo zaza roa ireo. Tsy fantatra moa  na mamo na resin-tory ilay mpamily nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza. Andro alina rahateo no nisehoany. Tsiahivina fa  misimisy  ihany koa ireo olona naratra natory tao an-trano vokatr’ity lozam-pifamoivoizana nitranga ity. Nitsoaka ilay mpamily taorian’izay ary efa eo am-pitadiavana azy sy eo am-panaovana fanadihadiana mikasika ny raharaha ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny omaly.

Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana