Dans la męme rubrique

Ambodin’Isotry Vehivavy iray nitondra entana nobatain’ny mpanendaka

25/06/2019

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona, nitondra poketra sy entana maromaro teny an-tanany omaly maraina no nobataina mpanendaka telo mirahalahy tetsy Ambodin’Isotry.

Ambodin’Isotry Vehivavy iray nitondra entana nobatain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Zandarimariam-pirenena Raikitra ny fiadiana ny amboaran’ny SEG

19/06/2019

Nosokafana omaly 18 jona 2019 tao amin’ny Toby Ratsimandrava ny lalao ara-panatanjahatena iadiana ny amboaran’ny Sekreteram-panajakana miadidy ny zandarimaria sy ny komandin’ny zandarimariam-pirenena.

Zandarimariam-pirenena Raikitra ny fiadiana ny amboaran’ny SEG

Hamaky ny tohiny...

Halatra omby sy fandrobana Mandray 50 000 ariary isan’andro ny dahalo iray

31/05/2019

Nanamafy indray ny lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy (Cemgam) ny jeneraly Rakotonirina Theophile fa tena mila foanana ny dahalo ambony latabatra fa ireo no tena mahatonga ny ady amin’ny asan-dahalo ho sarotra amin’izao fotoana.

Halatra omby sy fandrobana Mandray 50 000 ariary isan’andro ny dahalo iray

Hamaky ny tohiny...

Halatra entana mitentina 13 tapitrisa Ariary Nidoboka am-ponja ilay mpanampy sy ny sakaizany

13/05/2019

Ny sabotsy 04 mey 2019 tokony ho tamin’ny 8 ora sasany alina dia renim-pianakaviana iray, 32 taona, monina eny amin’ny faritra 67Ha

Halatra entana mitentina 13 tapitrisa Ariary Nidoboka am-ponja ilay mpanampy sy ny sakaizany

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Rakotra polisy manao fanamiana sivily ny faritra mena

09/05/2019

Akanjo toy ny olon-drehetra mba tsy hisy hahafantaran’ny jiolahy azy no anaovan’ny mpitandro ny filaminana, efa ho roa herinandro izay hijokoana ireo jiolahy mpanendaka sy mpangarom-paosy eny amin’ny faritra mavaivay.

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Rakotra polisy manao fanamiana sivily ny faritra mena

Hamaky ny tohiny...

Basy tsy ara-dalàna Amin’ny 20 jona no fe-potoana hanaterana azy

08/05/2019

Nanamafy omaly talata 7 mey ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Leon Rakotonirina fa manana hatramin’ny 20 jona 2019 ho avy izao ireo olona manana fitaovam-piadiana tsy misy taratasy ara-dalàna mba hanatitra ny azy eny amin’ny mpitandro ny filaminana.

Basy tsy ara-dalàna Amin’ny 20 jona no fe-potoana hanaterana azy

Hamaky ny tohiny...

“La Haute Ville” Tra-tehaky ny polisy ireo mpanendaka mpizahatany

08/05/2019

Mpanendaka sy mpanao herisetra enin-dahy sy vehivavy iray mpivarotra halatra no voasambotry ny polisy avy ao amin'ny kaomisaria etsy Ambohijatovo, nanomboka ny sabotsy 4 mey teo.

“La Haute Ville” Tra-tehaky ny polisy ireo mpanendaka mpizahatany

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Faritra Avaradrano Ketraky ny tsy fandriampahalemana ny tantsaha

09/04/2019

Lasa faritra mena tanteraka ny eny Avaradrano amin’izao fotoana ary tena mahavelon-taraina ny tantsaha.

 

 Ankoatra ny hala-botry sy ny vaky trano efa mahazatra dia ataon’ny jiolahy fanariana fatin’olona avy novonoiny tany ho any ny eny avaradrano, hoy Ramatoa Mercia Raolijon kandida depiote. Matetika ireny saofera mitondra fiara ampanofaina ireny no lasibatry ny jiolahy eny.  Nanamafy ny tsy maintsy hamahana hatrany ny olana misy eny amin’ny tontolo ambanivohitra Ramatoa Mercia Raolijon satria very fanahy mbola velona ny mponina izay tantsaha no maro an’isa. Manoloana ny tsy fandriampahalemana manjaka eny amin’ny tontolo ambanivohitra dia nanamafy ny tenany fa ilaina ny fanolorana ny volavolan-dalàna mba hiteraka fampitomboana ny mpitandro ny filaminana miasa eny. Tena vitsy an’isa mantsy izy ireo any amin’ny tontolo ambanivohitra. Misy akony ratsy amin’ny famokarana ataon’ny tantsaha ny tsy fandriampahalemana ka mila andraisana andraikitra haingana

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana