Dans la męme rubrique

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

25/06/2019

Zary efa maty izany tafika ana habakabaka Malagasy izany satria tena tsy misy fitaovana intsony.

Raopilanina 5, angidimby 4, fiara 134… Novidiana tamin’ny vola avy aiza ?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

25/06/2019

Miezaka ny filoha fa mbola mifoha hatrany ny ampamoaka mahakasika ny fitantanany tamin’ny andron’ny tetezamita.

Andry Rajoelina Voafatotry ny aferan’ny tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

25/06/2019

Nampiantso atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny andiany faharoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Firenena Mikambana ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemanana eto Madagasikara ny Komity mpitantana izany, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Rtoa Violette Kakyomya,

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

25/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Penjy Randrianarisoa Ben’ny tanànan’Ivato omaly manoloana ireo zava-bitany tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny kaominina Ivato.

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

24/06/2019

Araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI, ny vondrona politika manohana ny filoham-pirenena no nahazo ny maro an`isa.

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

24/06/2019

Ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna indray izao no malaza eto amintsika. Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa mbola hilatsaka hofidiana Atoa Marc Ramiaranjatovo hahafahany manohy ireo asa tsy vita ao anatin’ity kaominina iadidiany ity.

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Revolisionina mivaralila

09/04/2019

Toy ny revolisionina mivaralila efa natao tamin’ny 2009 ihany. Ny fampanantenana sy ny kobaka am-bava no betsaka.

 

Tena miezaka mampiseho fa olon’ny serasera ny filoha ankehitriny. Hainy ny mampanantena paradisa, talentany ny milaza hanao izao sy izao ka raha ireny tokoa no vita, dia ho sangany tsy aty Afrika ihany fa eto ambonin’ny tany mihitsy i Madagasikara. Fampanofinofisana re izao ! fampanantenana re izao ! Karama farany ambany 200 000Ariary vao tonga eo e ! Trano 50 000 isa ao anatin’ny dimy taona e ! Mbola miandry aloha ireny. Ary mba aiza ilay angidim-by miisa 5 ? Efa tapitra anie ilay roa volana nolazaina fa hahatongavany e ! Ny hita aloha dia ny fijapiana lamasinina no tena misongadina satria ny tetikasan’ny fanjakana teo aloha ihany no ambara fa fanatanterahana ny velirano raha raisina ilay fanaovana ny lalana mampitohy ny seranan-tsambo sy ny lalam-pirenena faharoa ao Toamasina. Lasa ny saina amam-panahy mieritreritra fa 2 taona no hamitana ny lalana manivaka 10km, ka raha ilay tena lalambe migodana telon-jato km izany mety ho an-jatony taona. Fametrahana vatofototry ny asa no atao, dia tahaka ireny hoe efa vita 100% ireny ny asa satria ny serasera mamirapiratra no zava-dehibe mba hilazana fa tena miasa ilay filoha na ny mety ho tetikasan’ny teo alohany aza no hireharehana. Tsy misy maharatsy ny fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana fa ny tena loza dia ilay tsy fananan-kambo. Hay mety sy tsara ihany ny nataon’ireo mpitondra teo aloha noharatsiana faran’izay tratry ny hery. Hay namela mamy sy tsara ihany ka ny tena aty aoriana no migalabona sy misitraka azy, kanefa dia nohirahiraina ny hoe : « miala Rajao ». Ny asa natombok’i  Hery Rajaonarimampianina anefa no higalabonana atsy ho atsy. Ny tany aloha, dia naongana i Marc Ravalomanana, kanefa mbola ny volam-panjakana ana miliara dolara no nigalabonana tamin’ny tetezamita ankoatra ny harem-pirenena. Ny politikam-panjakana izay nohamavoina sy nentina nanonganam-panjakana tamin’izany ihany no haverina amin’izao, toy ny resaka fiaraha-miombon’antoka amin’ny mpamatsy vola mahazatra, ny fampanofana tany amin’ny vahiny. Andeha hampahatsiahivina kely ilay tenin’ny filoha ankehitriny ny 10 febroary 2009 tao amin’ny Gazety Jeune Afrique fa tena mampalahelo ny vahoaka ny fanomezana tany ampiasain’ny orinasa Koreanina Daewoo. Manameloka ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa aho, indrindra indrindra ny filoha. Folo taona aty aoriana ny 10 novambra, dia ny hoe: mivarotra 100ha dia hahavita zavatra betsaka. Efa hahazo tany ny Maorisianina, ho avy koa angamba ny Sonegaly,…

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana