Dans la męme rubrique

Fifidianana ben`ny tanĂ na Hotanterahina ny volana septambra 2019

14/06/2019

Efa miomana hanao fivoriana hiatrehana ny fifidianana ben`ny tanĂ na sy mpanolotsaina ny CENI, amin`ny herinandro ambony, aorian`ny famoahana ny vokatra feno tsy ofisialy tamin`ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fifidianana ben`ny tanĂ na Hotanterahina ny volana septambra 2019

Hamaky ny tohiny...

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

14/06/2019

Ny sabotsy 15 jona izao no hamoaka voka-pifidianana feno vonjimaika ny CENI etsy amin`ny foibe Alarobia.

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

14/06/2019

Taorian’ny fanadihadian’ny zandary, tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha mahakasika ny ampamoaka nataon’i Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny 7 mey, izay mahakasika an’Atoa Holijaona Rabaonarijaona “Emergence Madagascar”.

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

Hamaky ny tohiny...

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

14/06/2019

Nanao rodobe nametraka fitoriana tapany voalohany teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) teny Ambohidahy ireo kandida maro sy ny solontena na ny mpiara-dia aminy omaly maraina manoloana ny lesoka sy hosoka na tsy fanarahan-dalàna tsapa sy hitan’izy ireo.

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

14/06/2019

“Na inona na inona no ataon`ny minisitra na ataon`ny fanjakana dia mikombona fotsiny ireo depiote lany miaraka amin`ny fitondrana”, hoy Atoa Rodin Rakotomanjato.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

14/06/2019

Tokony hohamafisana ny fanabeazana eo anivon`ny fiarahamonina momba ny fanajana fitsipika sy fahaiza-miaina, hoy Atoa Ramboasalama Emilien, kandida depioten’ny TIM teny amin’ny boriborintany fahefatra.

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

14/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Vondron’olon-tsotra tarihin-dRtoa Sarah Zoe. Nambarany fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mpanao politika Malagasy Mampiana-dratsy vahoaka

09/04/2019

Raha ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara dia tsy misy fiovana na fanovana fa vao mainka miharatsy noho ny teo aloha aza ny raharaha. Ambentin-dresaka tato ho ato ny hoe politika politisianina no mampahantra firenena.

 

 

Tsy ny politika kosa no ratsy fa ny olona manao politika no maharatsy azy raha ny zava-misy ankehitriny. Zava-doza atao amin`ny fomba rehetra ny hosoka sy hala-bato, kolikoly avo lenta na mirefarefa amin`ny tany… Ahoana no fomba entina hametrahana hiorim-paka eo amin’ny foto-pisainan’ny mpanao politika ny tandrohasina sy ny fanoherana ny kolikoly ? Efa lasa tarazo sy raiki-tampisaka eo amin’ny toetra sy fisainan’ny Malagasy tsy ankanavaka ny kolikoly sy ny hosoka isan-karazany. Ny fototra mampiroborobo sy mametraka azy ho fomba fanao mahazatra dia ny fisian’ny tsy maty manota eo anivon’ny tontolo politika sy fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Ny " tsimatimanota" dia ireo olona nahavanon-doza nahavita heloka bevava amin’ny fanodinkodinana vola sy fahefam-panjakana, maneho miharihary fanaovana fanitsahan-dalàna, ary misitraka izany ho amin’ny tombontsoany manokana, tsy misedra fitsarana na miatrika sazy na famonjana izy ireo fa vao mainka aza omem-boninahitra sy hampiantsorohana andraikitra sarobidy ary mazàna aza toa lasa ankatoavin’ny fiarahamonina. Lavitry ny afo ny etika politika eto amintsika na  moraly amin`ny fanaovana politika. Efa tena tsy misy intsony eto ary ny mpanao politika no mampiana-dratsy ny vahoaka. Mila mametraka ny rafitra ifampitaizana sady ifampifehezana eto amintsika. Mila foanana sy atao fongana amin’ny ara-dalàna ireo tsimatimanota dia izay no fanombohana amin’ny fanitsiana. Tompo-marika feno sy tanteraka amin’izany ny olom-pitsarana manana andraikitra. Manaraka ho azy avy eo ny fitaizana isam-pianakaviana. Ahoana tokoa moa no hahazoana mpitondra hendry ao anaty vahoaka ketraka ara-pisainana miaina amin’ny fiarahamonina tratry ny fahalovana ? Fotoana izao tokony hijoroan`ny mpanao politika, hametrahana ny demokrasia marina satria ny fahavoazana hatramin`izay dia ny tsy fahalalan’ny olona ny atao hoe politika. Ny politika dia hevitra sy asa izay iombonana ary tanterahina mba hahasoa ny vahoaka iaraha-monina aminy, izany hoe “soa iombonana”.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana